Toko Faha 4

1 Avy tapotosofin'ny Israely aby gne zakan'i Samoela. Ary nijotso hiady tame Filistina gne Israely. Nagnisy toby tao Ebenezera indreo, ary nagnisy toby tao Afeka evakoa gne Filistina. 2 Nilahatry hiady tamigne Israely gne Filistina. Laha vagno gnady, da resine Filistina izay nahafaty teo ho eo amigne efatra arivo lahy teo amigne sahan'ady ne Israely. 3 Laha niditry tame toby gne vahoky, da hoy gne loholon'Israely se: "Nahoa i Yaveh gne naharesy etsika tagnatrehane Filistina tandroany? Andeha hindesintsika lahatagny Siloha hoaty gne fiarane fagneken'i Yaveh, ba hindray amintsika aty iza, ka hiaro etsika amigne tagnane fahavalontsika." 4 Arak’iza da nagniraky lelah tagny Siloha gne vahoky; avy lahatagny gne nitondrandreo gne fiarane fagneken'i Yaveh tompone maro, izay midoboky ambonine kerobima. Da nindray tamiza fiarane fagneken'Andriamanitry gne zanak'i Ely roa lah, da i Hofinia sy Finehasa iza. 5 Laha niditry tame toby gne fiarane fagneken'i Yaveh, da nindray nireoreo mafy gne vahokan'Israely aby, ary nagnakoako gne tany. 6 Laha rene Filistina gne tabatabane reoreo, da hoy indreo se: "ino lotry saro gnanton’iza tabataba mafy ao ame tobin'igne Hebreo za a?" Avy teo da tadidindreo amizay fa avy tame toby gne fiaran'i Yaveh. 7 Natahatry gne Filistina; hoy indreo se: "Misy andriamanitry avy ame toby." Da hoy indreo se: 8 "Loza ho atsika! Tao tsy mbola nisy raha niboda akoizao taloha tagny! Loza ho atsika! Iaha gne hiaro etsika amigne herine gn’andriamanitry matajaky io? Io gn’andriamanitra namango gn’Egyptiana tame loza tababe tagny agn'efitry. 9 Alay hery, ary bà lelah evakoa, enareo Filistina, magnasa da ho lasa andevon'igne Hebreo enareo ty, akoigne naha-andevonareo endreo. Bà samby lelah avao, ka media evakeky." 10 Da lasa niady gne Filistina, ary da resy gn’Israely. Nilefa tandragnony aby lelah tsikiraikiraiky, ary tena mafy gne fagnejea ho faty satria da miaramila efa zatry ady telo alina avy laha tame gn’Israely gne maty. 11 Lasa gne fiaran'i Yaveh, ary da maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy. 12 Nisy koraon'i Benjamina raiky nihazakazaky avy lahatagny amigne filaharan'ady ho agny Siloha tamiza andro za evakoa, avy nindray tamigne akanjony rivadrivatry miaro feno vovoky gne tany aby gne lohany. 13 Laha avy izy, da nidoboky tamigne sezany tamoron-dala nitsizo en’i Ely satria da natahatry gname fiarane gn'Andriamanitry gne fony. Laha niditry gne tanà gne lelah raiky ary nagnambara gne vaovao, dia nireoreo mafy gne feon’olo tam’igny tanà igny. 14 Laha ren'i Ely gne tabatabane sy gne reoreo, da hoy izy se: "Ino lotry e dikan'iza koronta be za ro?" Avy nalaky iza lelah za ary nitadidy tam'i Ely. 15 Ary valo amby sivifolo tao i Ely; pahina gne masony, ary efa tsy nahita izy. 16 Da hoy iza lelah iza tam'i Ely se: "iah da raiky avy lahatamigne laharan'ady. Nilefa gn’ady iah tandroany." 17 Da hoy I Ely se: "Nagnano akoingaia gne fizotriny io me anaky ?" Namaly iza lelah ninday gne vaovao za ka hoy izy se: "nilefa gne Filistina gn’Israely. Ary koa, da nisy faharesea zakabe tamigne vahoky. Ary koa, da maty Hofinia sy Finehasa, zanakao roy lah, ary lasa gne Fiarane gn'Andriamanitry." 18 Laha nitogny gne fiarane gn'Andriamanitry izy, da lavo nivaringary niala gne tsezany takeky gne vavahady i Ely. Tapaky e vozony, ary da maty izy, satria da efa ranga be sady reraky. Nitsara gn’Israely nandritrine efa-polo tao izy. 19 Ary gne vinantovaviny, vadin'i Finehasa, da nitraboky ary efa ho teraka. Laha nahare gne vaovao izy fa lasa gne fiarane gn'Andriamanitry ary da maty gne rafozan-dahany sy gne vadiny, da nagnoro pokopoko izy ary teraky, kanefa da lavone faharariane fiterahany. 20 Tokony ho tame fotoa nahafatesany da nizaka taminazy gne vivy niatriky enazy hoe: "ka matahotry, fa niteraka zazalelah enao." Kanefa da tsy notenominy na ba noresiny tame fo gne rondreo. 21 Naniny hoe Ikaboda gnanaran'iza zaza za, fa hoy izy se: "Afa-boninahitry gn’Israely !" fa lasa gne fiarane gn'Andriamanitry, ary nohone rafozan-dahany sy gne vadiny evakoa. 22 Hoy izy se: "Afaky gne voninahitry gn’Israely, satria lasa gne fiarane gn'Andriamanitry.''