1 Nanompo en'i Yaveh tame fagnatrehan'i Ely i Samoela zazakidikidy. Kidy gne rohon’i Yaveh tamiza andro za; tsy nisy lotry gne fahita tame gnalalane faminania tamiza. 2 Tamiza fotoa iza, i Ely, izay efa nanomboka pahina gne masony ka tsy mahita tsara, da natory tame fandria. 3 Ambola tsy maty gne fanilon'Andriamanitra, ary nandry ba hatory tao ame tempolin'i Yaveh i Samoela, tagnatin'iza da nisy gne tobilon'Andriamanitry. 4 Yaveh nangaiky en'i Samoela, da hoy izy se: "Itoa iah." 5 Nigodogogoky nandeha tam'i Ely i Samoela nizaka hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da hoy i Ely se: "Tsy nangaiky enao iah, fa mipodia matory." Da nandeha i Samoela ary da natory. 6 Nangaiky koa i Yaveh hoe: "Eh Samoela." Da nifoa koa i Samoela ary nandeha tam'i Ely, nagnano hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da namaly i Ely hoe: "Tsy nangaiky enao iah, ro zanako, mipodia matory." 7 Ndre i Samoela da ambola tsy nahafantatry tsara en'i Yaveh, na nisy hafatry avy tam'i Yaveh ambola nambara taminazy. 8 Nangaiky en'i Samoela fagnintelony koa i Yaveh. Nitrotry koa i Samoela ary nandeha tam'i Ely sy nizaka hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da fantatr'i Ely fa i Yaveh gne nangaiky eniza zazalelah kidikidy za. 9 Da hoy i Ely tam'i Samoela se: "Alao mivery matory; laha ambola mangaiky enao indraiky Izy, da mirohona sinitry enao hoe: "Mikoragna, ro Yaveh, fa miteno enao gne mpanomponao."' Da nandeha i Samoela ary da natory tame fatoriany indraiky. 10 Avy i Yaveh ary da nitsanga; nangaika akoigne tame fotoa sasany hoe: "Samoela, Samoela." Da hoy i Samoela se: "Mikoragna, ro Yaveh, fa miteno enao mpanomponao." 11 Da hoy i Yaveh tam'i Samoela se: "Iteo fa hagnano raha amin'Israely Iah ka gne sofine vahoky da hahare. 12 Amin'iza andro za da hamorogny gne raha norohoniko tamin'i Ely mikasiky gne fianakaviany, hatrame valohany ka hatrame farany Iah. 13 Nizaka taminazy Iah fa hitsara gne fianakaviany indraiky fotsiny mikasiky gne fahota fatatrindreo, satria gne zanany da voaozo tame tegnandreo ary tsy nibaha andreo izy. 14 Noho iza da nisoma ratsy tame fianakavian'I Ely Iah fa gne fahotane fianakavia da tsy ho voahonitry ame soro na fagnatitry za." 15 Natory mandra-maray i Samoela; da nanokatry gne varangarane tragnon'i Yaveh izy. Fa natahatry gne hizaka tam'i Ely mikasiky gne fahitana i Samoela. 16 Avy teo da nangaiky en'i Samoela i Ely ka nagnano taminazy hoe: "Eh Samoela, zanako." Da hoy i Samoela se: "Itoa iah." 17 Hoy izy se: "Ino gne zaka norohoniny taminao? Kafiny ro iza. Hagnano eniza aminao anie gn’Andriamanitry, ary da ambonin’iza kida, laha magnafiny raha amina ame zaka aby norohoniny taminao enao." 18 Da norohonin’i Samoela taminazy gne raha aby; tsy nisy nafininy taminazy aby. Da hoy i Ely se: "Izy gne Yaveh. Apetray Izy hagnano enizay mety hoe tsara Aminazy." 19 Niha-olombe i Samoela, ary i Yaveh da niray taminazy, ary tsy napetrany hisy tame feo faminaniany gne tsy ho tateraky. 20 Gne Israely aby evao Dana ka hatrany Berisheba da nahafantatry fa i Samoela da vatendry ho mpaminanin'i Yaveh. 21 Niboda tao Silo indraiky i Yaveh, satria nagnambara gne tegnany tame zakany tam'i Samoela tao Silo Izy.