Toko Faha 30

1 Ary lefa avy tagny Ziklaga i Davida sy gn’olony tame andro fahatelo, da nanafiky tame Negeva sy teo am’i Ziklaga gn’Amalekita. Nanafiky en'i Ziklaga indreo, ary nagnoro eniza, 2 ary nanambotry gne viavy sy gn’olo aby izay tam’iza, na kidy na zakabe. Tsy namono n’iza n’iza indreo, fa ninday endreo laha nandeha tame lalany. 3 Lefa negname tanà i Davida sy gn’olony, da efa may iza, ary gne vadiny, gne zanany lelah, sy gne zanany viavy da nany ho babo. 4 Avy eo da nampiakatry feo i Davida sy gn’olo nindray taminazy ary notagny mandra-paha-tsy nisiane gn’hery hitomagnia koa. 5 Vababo gne vadin'i Davida roy, Ahinoama Jezeralita, ary Abigaila vadin'i Nabala Karmelita. 6 Ory tanteraky i Davida, satria niresaka mikasiky gne hitoraha vato enazy gne vahoky, satria mangidy ara-pagnah gne vahoky aby, gn’olo tsikiraikiraiky nohone zanany lah sy viavy; fa i Davida da nagnome hery gne tegnany tam’i Yaveh, Andriamanitriny. 7 Hoy i Davida tam’i Abiatara zanak'i Ahimeleka, gne mpisoro se: "Mengavy enao iah, ento aty aminah gn’efoda." Da nindesin’i Abiatara tam’i Davida gn’efoda. 8 8Nangataky torolala tam’i Yaveh i Davida, nagnano hoe: "Laha manenjiky en’io antoko io iah, ho azoko me indreo?" Ary Yaveh namaly enazy hoe: "Iagno, fa azok’antoky fa ho azonao dato indreo, ary azok’antoky fa hamerigny gne raha aby enao." 9 Da nandeha i Davida, izy sy gne eninjato lah izay nindray taminazy; ary Avy tagny ame reniranon'i Besora indreo, izay nijanognandreo gne sisa tafara. 10 Fa nanohy gne fagnejeha i Davida, izy sy gn’efajato lah; fa gne roanjato nisy tafara, gne tena osa ka tsy afaky gne handeha ame lakatanin’i Besora. 11 Nahita Egyptiana raiky tatonda indreo ary ninday enazy tagny am’i Davida; nomendreo mofo izy, ary nihina; nomendreo rano hondranomy izy; 12 ary nomendreo asasake mofomamine viavy sy sampane valoboky roy izy. Lefa nihina izy, da nahazo hery indraiky, satria tsy nihina mofo na nindrano rano nandritrigne telo andro sy telo ariva izy. 13 Hoy i Davida taminazy se: "An'ia me enao? Avy aia e fevianao?" Da hoy izy se: "koraolahan'i Egypta iah, mpanompone gn’Amalekita raiky; niala anah gne tompoko satria narary iah telo andro lasa zay. 14 Nanafiky en'i Negevan'i Keretita iahay, sy gne en'i Joda, ary Negevan'i Kaleba, ary norohanay i Ziklaga." 15 Hoy i Davida taminazy se: "Hinday anah hidy agny ame gn’antoko mpanafiky me enao?" Hoy iza Egyptiana za se: "Misoma ratsy aminah amin'Andriamanitry ba tsy hamononao enah na hamadihanao enah eo am-pelatagnane tompoko, da hinday anao hidy am’iza antoko mpanafiky iza iah." 16 Lafana ninday en'i Davida nidy iza Egyptiana za, da niparitaky tame tany aby gne mpanafiky, nihina sy nindrano ary nandihy nohone babo aby izay nalaindreo tame tanine Filistina ary tame tanin'i Joda. 17 Nanafiky endreo i Davida nanomboky tariva ka hatrame harivane gn’andro magnaraky. Tsy nisy ndre olo raiky aza tafatsoky afa-tsy gne koraolah efajato, izay nilefa nindray tame rameva. 18 Da tafaverin'i Davida gne nalaine gn’Amalekita aby; ary vahavotr'i Davida gne vadiny roy. 19 Tsy nisy raha tsy ampy, na kidy na zakabe, na gne zanany lah na gne zanany viavy, na gne babo, na gne raha aby izay nobaboine mpanafiky ho andreo. Napodin’i Davida gne raha aby. 20 Nalain'i Davida gn’ondry aman'osy aby sy gn’aomby, izay nindesine gn’olo talohane biby fiompy hafa. Hoy indreo se: "Io gne babon'i Davida." 21 Avy tagny ame gn’olo roanjato tena osa laha hagnaraky enazy i Davida, gn’hafa nisy tagny ame reniranon'i Besora. Iza lelah za da nandroso ba hifankahazo am’i Davida sy gne vahoky nindray taminazy. Lefa avy teo ame gn’olo i Davida, da nagnotsafy endreo izy. 22 Gn’olo ratsy fagnah sy gne nama tsy misy ilà anazy tamign’efa nandeha nindray tam’i Davida nizaka hoe: "Satria tsy nandeha nindray tamintsika iza lelah za, da tsy hagnome endreo babo izay efa azontsika isika. Laha tsy hoe afaky mangala gne vadiny sy gne zanany gne lelah tsikiraikiraiky, ka mitariky endreo, ary mandeha." 23 Ary hoy i Davida se: "Tsy tokony hagnano eniza, am’izay efa nomen'i Yaveh antsika, enareo ro lahalahako. Efa narovany isika ary efa natolotriny tatagnàntsika gne mpanafiky izay avy nanohitry entsika. 24 Ia gne hiteno enao am’iza tranga iza? Fa gne fizara da ho ane mandeha ame gn’ady, sy ho ane gn’olo miamby gn’enta evakoa; fa hizara mitovy indreo." 25 Da akoiza tam’iza andro za ka hatram’izao, satria namboarin'i Davida ho didy sy lalàgna ho ane gn’Israely iza. 26 Lefa avy tagny Ziklaga i Davida, da nandefa gne sasany tame babo ho ane loholon'i Joda, ho ane namany izy, nagnano hoe: "Eh, inty misy fagnomeza ho anao avy ame babo avy latame fahavalon'i Yaveh." 27 Nandefa gne sasany tagny ame loholo izay agny Betela evakoa izy, ary ho ane tagny Ramotan’atsimo, sy ho ane agny Jatira, 28 ary ho ane agny Aroera, sy ho ane agny Sifmota, ary ho ane agny Estemoa. 29 Nandefa gne sasany tagny ame loholo agny Rakala, sy gnagny ame tanàn'i Jeramelita, ary gnagny ame tanàne Kenita, 30 ary ho ane gnagny Horma, sy gnagny Korsana, ary ho ane gnagny Ataka, 31 sy gnagny Hebrona, ary ame toera nandihanan'i Davida aby sy gn’olony matetiky izy.