Toko Faha 29

1 Ary da namory gne tafikiny aby tao Afeka gne Filistina; 2 nikombo takeky gne loharano tagny Jezirela gne Israelita. Nozaraine gn’andriane Filistina an-jatony sy an-drivony gne miaramila; i Davida sy gn’olony nandeha avy tame mpiamby gne vodilala nindray tam’i Akisy. 3 Ary hoy gn’andriane Filistina se: "Ino gn’amboarine gn’Hebreo za aty sa?" Hoy Akisy tame gn’andriane Filistina hafa: "Fa tsy i Davida me io, gne mpanompon'i Saoly, mpanjakane gn'Israely, gn’efa nindray taminah tam’iza andro za, na tam’iza tao za kda, ary tsy nahita fahadisoa taminazy iah hatrame nelany taminah ka hatrame tandroany?" 4 Nefa gn’andriane Filistina da vignitry taminazy; da hoy indreo taminazy se: "Ampandiano mandeha agny iza lelah za, lonoky izy gne hiverigny agny ame toerany izay nomenao enazy; k’eke mindray amintsika ho agny ame gn’ady izy, ba tsy ho lasa fahavalontsika ame gn’ady izy. Fa akoingaia gn’ahafahan'io nama io hihava ame tompony? Izy mesa ko tsy ame gnalalane lohandohane gn’olontsika? 5 Izy mesa ko tsy io i Davida, iza nifampihirandreo tamim-pandihiza, nagnano hoe: 'Nahafaty an-drivony i Saoly, ary i Davida nahafaty an'aliny'?" 6 Ary i Akisy nangaiky en'i Davida ka nagnano taminazy hoe: "Laha ambola velo evao i Yaveh, da tsara enao, ary sitrakiko gne miray mijotso sy mindray aminao ao ame tafiky; fa tsy ambola nahita fahadisoa taminao iah hatrame gn’andro nahavy enao taty aminah ka hatrame gn’androany. Na da iza aza, da tsy ankasitrahine gn’andria enao. 7 Ka amizao fotoa zao, mipodia ary mandihana am-pedana, ba tsy hahavignitry gn’andriane Filistina enao." 8 Da hoy i Davida tam’i Akisy se: "Fa ino me gne namboariko? Ino gne hitanao tame mpanomponao hatrame naha-takatrefanao enah ka hatrame gn’androany, ndre da tsy afaky mandeha miady hanohitry gne fahavalone tompoko mpanjaka iah?" 9 Namaly i Akisy ka nagnano tam’i Davida hoe: "Fantako fa tsy manan-tsigny akoign’anjelin'Andriamanitry eo amasoko enao; ndre da iza aza, gn’andriane Filistina efa nagnano hoe: 'Tsy mahazo miakatry mindray amintsika ho agny ame gn’ady izy.' 10 Ka amizao fotoa zao, mifohaza mandraibe mindray ame mpanompone tomponao izay avy nindray taminao; vantany vao mifoha enao gne marandraibe ary mazava gn’andro, da mandihana." 11 Ary i Davida nifoha marandraibe, izy sy gn’olony, ba hiala ame marandray, ba hiverigny agny ame tanine Filistina. Nefa gne Filistina niakatry tagny Jezirela.