Toko Faha 31

1 Ary gne Filistina da niady nanohitry gn'Israely. Ary gne lelahan'Israely da nilefa talohane Filistina ary nitsapoky maty tame Tendrombohitr'i Gilboa. 2 Gne Filistina nagnenjiky akeky en'i Saoly sy gne zanany lah. Novonoine Filistina i Jonatana, Abinadaba, ary i Malkisoa, zanany lah. 3 Niha-henjana tagnatrehan'i Saoly gn’ady, ary gne mpandefa zana-tsipìka nahavoa anazy. Tagnatine tahatry mahare izy nohone gn’amindreo. 4 Ary hoy i Saoly tame mpitondra gne fediany se: "Ajotsoy gne sabatrao ary hotsoy amin’igny iah. Laha tsy iza, da gne tsy voafora gne hoavy hagnararaotry enah." Fa tsy nagnano eniza gne mpitondra gne fediany, satria natahatry mahare izy. Ka nalain'i Saoly gne sabatriny ary nilavo tambon'iza izy. 5 Lefa hitane mpitondra gne fiadany fa maty i Saoly, da nilavo tambonine sabatriny akoiza koa izy ka niray maty taminazy. 6 Ka da maty i Saoly, gne zanany telo lah, ary gne mpitondra gne fediany—iza lelah za da niaray maty tam’igny andro iny evao. 7 Lefa hitane lelahan'Israely gnagnilane lohasaha, sy gne tan-dafin'i Jordana, fa nilefa gne lelahan'Israely, ary maty i Saoly sy gne zanany lah, da niala gne tanàny ary nilefa indreo, ary avy gne Filistina ka nipetraky tamindreo. 8 Ary gn’homrain’io, lefa avy nangala gne faty gne Filistina, da nahita gnan'i Saoly sy gne zanany telo lah nitsapoky tame tendrombohitry Gilboa. 9 Notapahandreo gne lohany ary nendahany gne fediany, ary nandefa gne mpitondra hafatry nagnera gne tanine Filistina ba hitondra gne vaovao agny ame tempolin-tsampindreo sy agny ame vahoky indreo. 10 Napetrak'indreo tame tempolin'i Astarta gne fediany, ary gne vatany nofiheziny tame mandane tanànan'i Beti-sana. 11 Lefa nahare gne namboarine Filistina tam’i Saoly gne mponin'i Jabesy Gileada, 12 da nitsanga gne lelah mpiady aby ary nandeha gn’ariva manontolo ka nangala gne fatin'i Saoly sy gne fatine zanany lah tame mandan'i Betasana. Negname Jabesa indreo ary norohany teo indreo. 13 Ary nalaindreo gne tolandreo avy teo ka nalevy tambanine hazo tamariska tao Jabesy, ary nifady hany nandritry gne fito andro indreo.