1 Niroho tame fony i Davida hoe: "Ho fatine tanan'i Saoly iah indraiky andro agny; tsy misy soa ho anah afa-tsy gne milefa megname tanine Filistina; tsy hitadia anah magnera gne faritry gn’Israely aby koa i Saoly; am’iza lala za gne hilefako hiala ame tanany." 2 Nitsanga i Davida ary nienga, izy ame lelah enin-jato nindray taminazy, ho agny am’i Akisy zanak'i Maoka, mpanjakane Gata. 3 Nindray nipetraky tam’i Akisy tao Gata i Davida, izy ame lelahiny, gne lelah tsikiraikiraiky mindray ame gn’ankohonany aby, ary i Davida mindray sy gne vadiny roy, Ahinoama Jerizelita sy Abigaila Karmelita, vadin'i Nabala. 4 Nambara tam’i Saoly fa nilefa agny Gata i Davida, ka tsy nitady anazy koa izy. 5 Hoy i Davida tam’i Akisy: "Laha nahazo gnamamine fitiava tamasonao iah, aok’indreo hagnome toera ao ame tanà raiky eo ame firenena ho anah, ka hahafahako mipetraky agny: fa nahoa me gne mpanomponao gne hiarahidoboky antanàne mpanjaka mindray aminao?" 6 Da nomen'i Akisy enazy gn’androtr'io Ziklaga; iza gn’antony nahavy en'i Ziklaga ho ane mpanjakan'i Joda nanomboky tam’iza andro za dato. 7 Herintao feno sy efa-bola gn’isane gnandro nipetrahan’i Davida tagny ame tanine Filistina. 8 Ary toera maro isan-karazany gne notafihin'i Davida sy gne lelahany, nagnano fanafiha tagny Gesorita, Gizrita, ary Amalekita; satria gne firenena tao da mponina tao ame tany, laha hoagny sora, ka hoagny ame tanin’Egypta enao. Efa nipetraky tagny indreo efa elabe. [Fagnamariha: Laha tokony hoe: "ireo Gizrita," gne hita ao ame lahatsoratra Hebreo, gne dikane teny am’izao fotoa da manao hoe: ""Ireo Girizita,"" gne hita egny ame sisine lahatsoratr’igne Hebreo.] 9 Nanafiky gne tany i Davida ary tsy nisy napetrany ho velo na lelah na viavy; nindesiny gn’ondry, gn’aomby, gn’ampondra, gne rameva, ary gne raisiky; ary nipody ho agny am’i Akisy indraiky izy. 10 Da hoy i Akisy se: "Ia gne notafihinareo tandroany?" Da namaly i Davida hoe: "Gn’atsimon'i Joda," na "Gn’atsimone Jaramelita," na "Gn’atsimone Kenita." 11 Tsy nisy napetrakin’i Davida ho velo ba ho enty agny Gata na lelah na viavy, fa hoy izy se: "Ba tsy hahafahandreo mizaka hoe: 'Magnano akoizao sy akoizao i Davida." Iza gne namboariny nandritry gne fotoa aby nipetrahany tagny ame firenene Filistina. 12 Nino en'i Davida i Akisy ka nagnano hoe: "Efa namboariny gne tsy hitiavane gn’Israely vahokiny enazy tanteraky; noho iza da ho mpanompoko mandrakizay izy."