Toko Faha 25

1 Ary maty i Samoela. Niaray niangona gn’Israely aby ary nisaona enazy, da nalevindreo tandranony tagne Rama izy. Da nienga i Davida ary nidy tagny agn’efitr'i Parana. 2 Nisy lelah raiky tagne Maona, izay tagne Karmela gne fanagnany. Tena nanan-karia iza lelah za. Nana ondry telo arivo sy osy arivo izy. 3 Nagnety gne ondriny tagne Karmela izy. Nabala gnagnaran'iza lelah za, ary gnagnarane vadiny da Abigaila. nahiratry iza viavy za ary fasa. Fa iza lelah za kosa da maseky sady ratsy tame fitondrany. Taranaky gn’ankohonan'i Kaleba izy. 4 Ren'i Davida tagne agn’efitry fa nagnety gn’ondriny i Nabala. 5 Ka da nandefa tovolah folo izy. Da hoy i Davida tam’iza lelah za se: "Mekara agne Karmela, mandihana agne am'i Nabala, ary melah bà anazy ame gnagnarako. 6 Rohoninareo aminazy hoe: 'Miveloma anaty fanambinana. Fiadagna ro ho anao ary fiadagna ro ho an'gn’ankohonanao, ary fiadagna anie ho an'izay aby hanagnanao. 7 Reko fa mana mpanety maro enao. Efa nindray taminay gne mpiamby gn’ondrinao, ary tsy ba nagnisy ratsy andreo iahay, ary tsy nisy ndre ino ndre ino tsy ampy tam’indreo tame fotoa naha te Karmela. 8 Agnontanio gne koraolahanao, da ho rohon'indreo aminao. Ary apetray gne koraolahako hahita sitraky amasonao, fa tsy mentsy avy iahay ame gn’andro fety. Ba omeo ro ndre ino ndre ino gn’hanagnanao an-tagnanao hoane mpanomponao ary ho an'i Davida zanaky lahanao."' 9 Lefa avy gne korao lahan’i Davida, da norohonindreo tam’i Nabala ho an'i Davida avokoa iza aby za, avy teo da nandigny indreo. 10 Da namaly gne mpanompon'i Davida i Nabala nagnano hoe: "Ia me iza Davida za, ary ia iza zanaky lahan’i Jese za? Nisy mpanompo maro nisara-dàla tame tompoindreo tam’iza andro za. 11 Tokony hangala gne mofoko sy gne ranoko ary gne henako izay efa novonoiko ho ane mpanetiko me iah, ary hagnome eniza ho ane gn’olo izay tsy fantako akory hoe avy aia?" 12 Ka da niverina ary nandeha nody gne korao lahan’i Davida, ary nizaka izay aby varoho taminazy. 13 Da hoy i Davida tame gn’olony se: "Apetay aby gne sabatry gn’olo tsikiraikiraiky." Ka da nagnisy gne sabany gnolo tsikiraikiraiky. Da nagnisy gne sabatriny evakoa i Davida. Lelah teo ame efajato teo gne nagnaraky an'i Davida, ary roanjato gne nisy teo akekigne enta. 14 Fa nikora tam’i Abigaila, vadin'i Nabala, gne raiky tame gnolo, nagnano hoe: "Nandefa iraky maro avy agne agn’efitry ba hialaha ba gne tomponay i Davida, ary nabokabokainy indreo. 15 Kanefa tena tsara taminay marigny gnolo. Fa tsy nisy ratsy nahazo anay ary tsy nisy tsy ampy taminay laha ambola nandeha nindray tamindreo koa iahay tatonda. 16 Manda ho anay indreo gnandro amanaly, nandritry izay nelahanay tam’indreo niamby gn’ondry. 17 Noho iza da fantaro iza ary diniho tsara gnamboarinareo, fa misy ratsy kasainy hoamboary ame tomponay, sy gnankohonany. Da gne ratsy fagnah marigny izy hany ka tsy misy raiky afaky mizaka anazy." 18 Avy eo Abigaila nangala mofo roanjato malaky, divay roy tavoahangy, ondry vavotry dimy, fatran-dango maigny dimy, mofo voaloboka zato, sy ampempan'aviavy roanjato, ary napetrakiny tambone boriky iza. 19 Da hoy izy tame korao lahany se: "Mandihana akatrefako, da hagnaraky enao iah lefa avy eo." Kanefa tsy nizaka tam’i Nabala vadiny izy. 20 Lefa nipitiky gne borikiny izy da nidy takekigne vohotry, i Davida sy gn’olony nidy negnaminazy, ary nifankahita tamindreo izy. 21 Ary nizaka i Davida hoe: "Tena ts’isy dikany gne nembenako gne raha aby fanagnan'io lelah io tagne agn’efitry, fa tsy nisy ndre ino ndre ino very gnanazy aby, da novaliany ratsy gne tsara namboariko anazy. 22 Hagnano akoiza aminah koa ro gn’Andriamanitry, ry Davida, ary mihotry aza kda, laha magnapetraky ndre da lelah raiky amindreo izay anazy iah hatrame marandray." 23 Lefa nahita an'i Abigaila i Davida, da nidy nalaky avy tame borikiny ary nandohaliky sady niondriky ary nampiankohoka gne tegnany tame tany takatrefan’i Davida. 24 Nandohaliky tame tombony izy ary nagnano hoe: "Aminah manoka, ry tompoko, gne fahameloha. Apetraho re gne mpanomponao ba hiresaky aminao, ary mitenoma gne tenine mpanomponao. 25 Aoka tsy hagnety an'io Nabala, lelah ratsy fanenah io gne tompoko, fa araky gne anaragne , da toy iza ihagne izy. Nabala no anaragne , ary miaraky amigne gne hadalana. Fa iahay mpanomponao da tsy nahita gne korao lahane tompoko, izay nalefanao. 26 Amizao fotoa zao ary, ry tompoko, laha ambola velo koa i Yaveh, ary laha ambola velo koa enao, satria narovan'i Yaveh tame fandatsahan-drà, sy tame famalian'igne tegnanao tame tagnanao evakoa enao, da aoky gne fahavalonao, sy gne izay mitadia hagnano ratsy ame tompoko, ho akoignan'i Nabala. 27 Ary aoky ity fanomeza izay efa nentin'igne mpanomponao tame tompoko ity ba hatolotry ho ane koraolah izay magnaraky gne tompoko. 28 Ba apetray ro gne fahadisoane mpanomponao, fa hanangana fonena azo antoky ho ane tompoko marigny i Yaveh, satria miady gnadin'i Yaveh gne tompoko; ary gne ratsy da tsy ho hita egny aminao laha ambola velo koa enao. 29 Na da mitsanga hagnenjiky ba hangala gnainao aza gne lelah, da efa ho fehezin'i Yaveh Andriamanitriko ame fatorane velo gnaine tompoko; ary ho atsipiny gnaine fahavalonao, eo ame foitrine gn’antsamotady. 30 Da ho amboarin'i Yaveh ame tompoko iza aby nampagnantenainy anao, araky gne nanendreny anao ho mpitondra eo ame gn’Israely. 31 Tsy ho enta-mavesatry ho anao—gne nandatsahanao rà tsy manan-tsigny, na nohone nagnandraman'ny tompoko hagnavotry gne tegnany. Fa lefa hagnano tsara hoane tompoko i Yaveh, da tsarovy gne mpanomponao." 32 Da hoy i Davida tam’i Abigaila se: "Isaora ro i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy e nandefa anao hifakahita aminah tandroany. 33 Ho tahy gne fahendrenao, ary ho tahy enao, satria efa narovanao tame fandatsahan-drà sy famalia faty gne tegnako tame tagnako evao iah! 34 Fa laha gne marigny, laha ambola velo koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy e niaro enah tsy handratry enao, laha tsy nandeha nalaky hifankahita aminah enao, da tsy ho nisy niangana ho an'i Nabala afatsy zaza lelah kidy raiky gne narandray." 35 Ka da nandray izay nindesiny ho anazy avy tame tanany i Davida; hoy izy taminazy se: "Mandihana am-piadana agne ame gn’ankohonanao; igny, efa niteno gne feonao iah, ary efa nagneky anao." 36 Da nipody tagne am'i Nabala i Abigaila; igny, nagnano fanasa tandranony izy, toy ne fanasa gne mpanjaka; ary gne fone mpanjaka faly tagnatiny, satria da mamo dato izy. Ka tsy nizaka ndre ino ndre ino izy mandra-paraine gn’andro. 37 Laha narandray, lefa nisava gne divain'i Nabala, da norohonine vadiny taminazy iza raha za; da nilofiky tagnatine fony, ary nanjary akoigne vato izy. 38 Ary folo andro taty afara da namango an'i Nabala i Yaveh ka maty izy. 39 Lefa ren'i Davida fa nodimandry i Nabala, da hoy izy se: "Isaora ro i Yaveh, e nangala gne faniratsira enah latame tanan'i Nabala, sy niaro gne mpanompony tame ratsy. Nampody gne ratsy namboarin'i Nabala tame lohany evakoa izy." Avy teo i Davida da nagniraky ary nikora tam’i Abigaila, ba hangala anazy ho vady. 40 Lefa avy tagne amin'i Abigaila tagne i Karmela gne mpanompon'i Davida, da nikora taminazy indreo ary nagnano hoe: "Nandefa anay ho aty aminao i Davida ba hangala anao ho vadiny." 41 Da nitsanga izy, nampiankohoka gne laharany tame tany, ary nagnano hoe: ''Igny, e mpanompo vavinao da mpanompo hanasa gne tomboky gne mpanompone tompoko." 42 Da nitsanga nalaky i Abigaila, ary nipitiky gne boriky nindray tame mpanompo vaviny dimy izay nagnaraky enazy; ary nagnaraky gn’irak'i Davida izy ka lasa vadiny. 43 Da nalain'i Davida ho vadiny evakoa i Ahinoama Jezirela; da samy lasa vadiny izy roy. 44 Ary koa, i Saoly nanolotry en'i Mikala zanany vavy, vadin'i Davida, ho an'i Palty zanaky lahan’i Laisa, izay avy late Galima.