Toko Faha 23

1 Ary hoy indreo tam’i Davida se: "Elaky eh! Miady am'i Keila gne Filistina ary mandripaky gne famoloana." 2 Da nivavaky tam’i Yaveh i Davida ba hagnampy enazy ka nanontany Enazy hoe: "Tokony handeha hanafiky gne Filistina me iah ty ?" Ary hoy Yaveh tam’i Davida se: "Mandihana ary da tafiho gne Filistina ka vonjeo i Keila." 3 Ary hoy ireo lehilahan’i Davida taminazy se: "A da, matiahatry isika eto Joda. Samindraky handeha ho agny i Keila ka hiady ame tafiky gne Filistina?" 4 Da ambola nivavaky tam’i Yaveh indraiky i Davida ba hagnampy enazy. Da namaly enazy i Yaveh hoe: "Mitsangàna, midìgna megnam’i Keila. Fa homeko enao gne fandrese gne Filistina." 5 Da negnam’I Keila i Davida sy gne lelahany ary niady tame filistina. Nindesiny lavitry gne biby fiompy ary namely enazy indreo tame famonoana zakabe izy. Ka voavonjin'i Davida gne mponin'gne Keila. 6 Lefa nilefa tagne amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanaky lahan’i Ahimeleka, da nidina nindray ame efoda tegne an-tanagne izy. 7 Ary nabara tam’i Saoly fa nankagne Keila i Davida. Da hoy i Saoly se: "Efa nomen'Andriamanitry enah ho eo am-pelatanako izy. Ka vahidy ao izy satria niditry tao ame tanà misy vavahady sy fefy." 8 Nampangaiky gne tafikiny aby i Saoly ba hiady, hidy ho agny i Keila, ary hagnano fahirano an'i Davida sy gne lelahany. 9 Ary fantatr'i Davida fa magnano teti-dratsy hanohera enazy i Saoly. Ary hoy izy tam’i Abiatara mpisoro hoe: "Indeso aty gn’efoda." 10 Da hoy i Davida se: "Ry Yaveh, Andriamanitry gn’Israely, efa rene mpanomponao marigny fa i Saoly da mikasa hoagny Keila, ba handringana gne tanà nohone gnaminah. 11 Hanolotry enah ho eo an-tanany me gnolon'ny Keila? Hidigny me i Saoly, araky gne rene mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry gn’Israely, mitadianah aminao iah, mengavy re ba rohono gne mpanomponao." Ary hoy i Yaveh se: "Hidy izy." 12 Da hoy i Davida se: "Ho atolotry gn’olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly me iah sy gne koraoko? Da hoy i Yaveh se: "Hanolotry enao indreo." 13 Da nienga i Davida sy gne koraony, izay tokony ho teo ame gn’eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toera. Nambara tam’i Saoly fa nilefa avy ao Keila izy, ary napetrany gne fagnenjeha. 14 Nisy tagnaty ferova mafy tagny agn'efitry i Davida, tegne ame tany ambony tagne agn’efitry'i Zifa. Nikaroka azy isan'andro i Saoly, nefa gn’Andriamanitry tsy nanolotry enazy tatanany. 15 Ary hitan'i Davida fa nifofo gne vatany i Saoly; ary efa tagne agn’efitry gne Zifa agne Horesa i Davida. 16 Ary i Jonatana, zanaky lahan’i Saoly, nienga ka negnam’i Davida tagne Horesa, ary nagnome hery gne tanany tam’gn'Andriamanitry. 17 Hoy izy taminazy se: "Ka matahatry. Fa tsy ho hitane tagnan'i Saoly iabako enao. Enao gne ho mpanjaka eo ame gn’Israely, ary iah da ho eo agnilanao. Fantatr'i Saoly iabako iza." 18 Nagnano fagneke teo agnolon’i Yaveh indreo. Da nisy tao Horesa i Davida, ary i Jonatana nody tagne ame tanany. 19 Ary nagnato an'i Saoly tao Gibea gne Zifita ka nizaka hoe: "Tsy i Davida me gne miafy agne aminay ao anatine batery ferova mafy an’i Horesa, agne ame vohotry Hakila, izay agne atsimon'i Jesimona? 20 Amizao fotoa zao, midìgna, ry mpanjaka! Araky gne sitrakao, midìgna! Hagnome enazy ho eo am-pelatagnane mpanjaka gn’anjaranay." 21 Ary hoy i Saoly se: "Yaveh ro gn’hitah anareo. Fa nangoraka enah ianareo. 22 Mandihana, amboaro azo antoky tsara. Fantaro sy tadiavo gne toera izay hisitrihany sy izay nahita anazy tagny. Nambara taminah fa fetsy marigny izy. 23 Ka hiteo, ary fantaro gne toera aby izay hanitrihany gne tegnany. Da miveregna indraiky aty aminah hizaka marimarina tsara, da hindray aminareo hiverigny iah. Laha agne ame tany izy, da hoseziko ame Joda an'arivony aby." 24 Avy eo nitsanga indreo ka negnagny Zifa mialohan'i Saoly. Ary tagne ame gn’efitry gne Maona i Davida sy gne koraony, tagne Araba atsimon'i Jesimona. 25 Nandeha nitadia anazy i Saoly sy gne koraony. Fa nambara tam’i Davida iza, ka nidina tagne ame tagne havoana be vato izy ary nonina tagne agn’efitryy Maona. Lefa nahare eniza i Saoly, da nanenjika an'i Davida tagne an-tany efitr'i Maona izy. 26 Ary i Saoly nandeha tame gn’ilane vohotry raiky, i Davida sy gne koraony kosa tame gn’ilany raiky hafa. Nandeha nalaky i Davida ba hagnalavitry en'i Saoly. Laha efa nagnodidy en'i Davida sy gne koraony i Saoly sy gne koraony ba hangala andreo, 27 da nisy mpitondra teny nagnato an'i Saoly ka hoy izy taminazy se: "mevia aty heky aza, fa magnano fanafiha hanohitry gne tany gne Filistina." 28 Da nivery avy tame fagnenjeha an'i Davida i Saoly ary nandeha nifampikatoky tame Filistina. Noho iza gne nangia en’io toera io hoe: Pelapelam-batone Filefasa. 29 Niakatry lahatagny i Davida ka nipetraky tame ferova mafin'i En-jedy.