1 Ary niala tagne i Davida ka nilefa tagnatine lava-baton'i Adolama. Laha nahare eniza gne lahalahany sy gn’ankohonan’iabany aby, da nidy taminazy indreo. 2 Gn’olo tagnaty fiahoria aby, gn’olo nibaby trosa aby, ary gn’olo tsy mifaly aby—indreo aby da niangona taminazy tao. Lasa kapitenine mpiamby tamindreo i Davida. Nisy tame efa-jato lah gne nindray taminazy. 3 Ary niala teo ho agne Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tame mpanjakan'i Moaba se: "Ba mengavy en’iabako am’iendriko ro iah ba hindray hijotso aminao mandram-pahafantarako izay gn’hamboarin'Andriamanitry ho anah." [Fagnamariha: gne dikane teny sasany taloha da misy hoe: "Ba mengavy en’iabako am’iendriko ro iah ba hindray hipetraky aminao," ary gne dikane teny sasany taty afara da vaky am'io fomba io.] 4 Napetrany nindray tame mpanjakan'i Moaba indreo. Iabany am’iendriny nindray nipetraky taminazy tame fotoa aby naha-tao ame fiarovany mafy en'i Davida. 5 Ary i Gada mpaminany da nizaka tam’i Davida hoe: "Ka mijano ao ame fiarovanao mafy. Mengà ary mandihana agne ame tanin'i Joda." Ka da niala tao i Davida ary nandeha tao ame gn’alan'i Hareta. 6 Ren'i Saoly fa hita nindray tame lelah izay nindray taminazy i Davida. Ary nipetraky tagne Gibea tambanine hazo tamariska tao Rama i Saoly, nindray tame lefony tatagnany, ary gne mpanompo enazy aby da nitsanga nagnodidy enazy. 7 Hoy i Saoly tame mpanompo nitsanga magnodidy enazy se: "Tenomonareo heky aza, ro vahokin’i Benjamina, izy mesa k’agnome tany sy tanim-boaloboka ho ane tsikiraikiraiky avy aminareo gn’anaky lahan'i Jese? Izy mesa k’agnano kapitenine tafika enareo andrivony sy an-jatony io, 8 ho takalon'gne tetikareo aby hanohitry enah? Tsy nisy taminareo nampahafantatry enah lefa nagnano fagneke tame zanaky lahan'i Jese gne zanako lelah. Tsy nisy taminareo nafiray enah. Tsy nisy taminareo nampahafantatry enah fa gne zanako lelah da nampirisiky en'i Davida mpanompoko hanohitry enah. Amizao da miafy sy mandigny enah izy ary mety hanafiky enah." 9 Ary i Doega Edomita, gne nitsanga tame mpanompon'i Saoly, da namaly hoe: "Hitako lasa tegny Noba gne zanaky lahan'i Jese, tao amin'i Ahimeleka zanaky lahan’i Ahitoba. 10 Nivavaka tam’i Yaveh izy ba hagnampiany enazy, ary nomeny enazy gne vatsy sy gne sabatr'i Goliata Filistina." 11 Ary gne mpanjaka nagniraky olo ba hangaiky en'i Ahimeleka mpisoro zanaky lahan’i Ahitoba sy gn’ankohonan’iabany aby, iregneo mpisoro izay tao Noba. Indreo aby da avy tame mpanjaka. 12 Hoy i Saoly se: "Tenomo masa, ry zanaky lahan’i Ahitoba." Da namaly izy hoe: "Inty iah, tompoko." 13 Ary hoy i Saoly taminazy se: "Nagnino enao gne nitetiky gne hanohitr’enah, enao sy gne zanaky lahan’i Jese, tame nagnomezanao enazy gne mofo, sy gne sabatry, ary nivavaka tam’ign'Andriamanitry ba hagnampiany enazy, ba hitsanganany hanohitry enah, ba hisitriky agne ame takotry, akoizao gnaniny androany zao?" 14 Ary i Ahimeleka da namaly gne mpanjaka ka nagnano hoe: "Ia tame mpanomponao aby me gne mahatoky fatratra ako'i Davida, izay vinanto lahane mpanjaka gne sady mpiamby enao evakoa, ary omem-boninahatry ao andragnonao? 15 Androany me gne fotoa valohany nivavahako tam’ign'Andriamanitry ba hagnampiany enazy? Sagnatria amina ro iza! ka magnapetraky gne mpanjaka hagnisy ndre ino ndre ino ame mpanompo enazy na ame ankohonan’iabako aby. Fa gne mpanomponao da tsy mahafantatry ndre ino ndre ino gnamin'io raharaha aby io." 16 Da namaly gne mpanjaka hoe: "Tsy mentsy ho faty marigny enao, ry Ahimeleka, enao sy gne ankohonan’iabanao aby." 17 Da nizaka tame mpiamby nitsanga nagnodidy enazy gne mpanjaka nagnano hoe: "Mitodiha ary vonoy gne mpisoron'i Yaveh. Satria gne tagnandreo evakoa da miaraky am'i Davida, ary satria nahafantatra indreo fa nilefa izy, kanefa tsy nagnambara eniza taminah. Fa gne mpanompo gne mpanjaka nefa da tsy tehaninjitra gne tagnany hamono gne mpisoron'i Yaveh. 18 Ary nizaka tam’i Doega gne mpanjaka hoe: "Mitodiha ary vonoy gne mpisoro. Da nitodika sy namango gne mpisoro i Doega Edomita; namono olo dimy amby valopolo izay niakanjo efoda rongony fotsy tam’iza andro iza izy. 19 Tame lelan-tsabatry, gne nanafihany en'i Noba, tanànane mpisoro, na lelah na viavy, ankizy na zaza, ary gn’aomby sy gn’ampondra ary gn’ondry. Namono enazy aby tame lelan-tsabatry izy. 20 Fa raiky tame zanaky lahan’i Ahimeleka zanaky lahan’i Ahitoba, nangia hoe Abiatara, nilefa ary nitsoaka nagnaraky en'i Davida. 21 Ary Abiatara nizaka tam’i Davida fa novonoin'i Saoly gne mpisoron'i Yaveh. 22 Da hoy i Davida tam’i Abiatara se: "Fantako tam’igny andro igny, fa laha tao i Doega ilay Edomita, da tsy mentsy nizaka tam’i Saoly izy. Iah gne tompon'andrekitry tame fahafatesa aby tame fianangalavian’iabanao! 23 Mijanògna miray aminah ary ka matahatry. Fa gn’olo izay hamono gnainao da hamono enah evakoa. Ho voaaro enao mindray aminah."