Toko Faha 21

1 Da avy tao Noba i Davida ba hagnety an'i Ahimeleka mpisoro. Avy ba hitsena an'i Davida niaro tahatry i Ahimeleka ary nizaka taminazy hoe: "Ino e naha raiky enao ary tsy misy mindray aminao?" 2 Hoy i Davida tam’i Ahimeleka mpisoro se: "Nandefa anah hagnatanteraky iraky gne mpanjaka ary nizaka taminah hoe: 'Kavela hisy hahafantatry ndre ino ndre ino mikasiky gne laha hagnilaha ko enao, sy gn’handidiako enao.' Nanoro lala gne koraolanao ho agny ame toera raiky iah. 3 Da ino mesa gnantagnanao io? Omeo mofo dimy iah, na gne misy atoa." 4 Da namaly an'i Davida iza mpisoro za ka nagnano hoe: "Tsy misy mofo tsotry ampelatagnako, kanefa misy mofo masy—laha nahata-tegna tame viavy gne koraolanao." 5 Davida namaly gne mpisoro nagnano hoe: "Nahata-tegna tame viavy marigny iahay nandritry gne telo andro dikatry, akoigne gne fany isake fengako. Efa natoka gne fanagnane lelah io na da ho ame gniraky tsotry fotsiny. Vomaiky e vatoka hanagnandreo amizao!" 6 A da nagnome enazy gne mofo vatoka gne mpisoro. Fa tsy nisy mofo afa-tsy gne mofon'igne fagnatreha avao gne tao, izay efa nala tagnatrehan'i Yaveh, ba hagnapetraha mofo vao ame toeran'iza tame gnandro nangala eniza. 7 Ary gne raiky tame mpanompon'i Saoly e tagny tam’iza andro iza, da vatazo tagnatrehan'i Yaveh. I Doega Edomita gnanarany, lelahabe ne mpendr’aombin’i Saoly. 8 Da hoy i Davida tam’i Ahimeleka se: "Tsy misy lefo na sabatry azo ampiasay heky me gnantagnanao io? Fa tsy ninday abara iah na gne sabatriko na gne fitaovam-pediako taty aminah, satria tena meky marigny gne raharaha n'igne mpanjaka." 9 Hoy gne mpisoro se: "Gne sabatr'i Goliata gne Filistina, izay novoninao tagne ame Lohasahan'i Elaha, izay mifosogny lamba gnambadiky gne efoda gnatoa. Laha tianao alay iza, da alay, fa tsy misy fitovam-pedia hafa atoa." Da hoy i Davida se: "Tsy misy sabatry akoiza raiky za; omeo enah iza." 10 Da nitsanga i Davida ary nilefa an'i Saoly tam’iza andro za ka negnamin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. 11 Gne mpanompon'i Akisa nizaka taminazy hoe: "Tsy i Davida, gne mpanjakane tany me io? Tsy io me gne nifampihirahirandreo tame dihy hoe: 'Saoly namono an'arivony, ary i Davida namono an'aliny'?" 12 Noresin'i Davida am-po iza teny iza ka natahatry mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata izy. 13 Nagnova gne fihetsikiny tagnatrehandreo izy ka naniny ho mola tatagnandreo; nanoratsoratry tame lela-bavahady izy ary napetrany hivary ame volobavagne gne raniviny. 14 Avy teo da hoy i Akisa tame mpanompo enazy se: "Eh, hitanareo fa mola gne lelah. Ino e raha nindesanareo nenazy aminah etoa sa? 15 Tsy ampy olo mola angaha iah, iza gne nindesanareo aminah io mba hagano fihsiky akoizao agnanatrehako? Hiditry andragnoko marigny me io nama io?"