Toko Faha 20

1 Ary i Davida nilefa avy tagne Naiota agne Rama ka nandeha tagny am'i Jonatana ary nagnano hoe: "Ino me gne namboariko teo? Ino gn’heloky vitako? Ino gne fahota vitako tagnatrehan'iabanao, gne mampitadia lalakevitry enazy hamono ena." 2 Da Hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Sagnatria ro iza; tsofaty enao. Tsy magnano raha na zakabe na kidy ka tsy mampahafantatry ena iabako. Ino e tokony hagnafinian’iabako eniza laha misy? Ts’isy heky." 3 Ary da nagnome toky indraiky i Davida ka nagnano hoe: "Fantatry iabanao tsara fa nahazo fakasitra tamasonao iah. Efa nizaka izy hoe: 'Kany fantatr'i Jonatana lahateo izao, laha tsy iza da halahelo izy.' Nefa laha velo marigny i Yaveh, ary laha ambola velo evakoa enao, da kidy dato gnelagnela misy eo amina sy gne fahafatesa." 4 Ary hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Na ino na ino rohoninao, da hamboariko ho anao." 5 Da hoy i Davida tam’i Jonatana se: "Laha homaray gne voalohane vola, ka tokony hiaray hidoboky hihina am'igne mpanjaka iah. Nefa apetray andehako, ba hisitriako atonda mandram-pahavine gn’harivane gnandro fahatelo. 6 Laha mahatsiaro ena iabanao, da amboaro hoe: 'Niera tamina avao i Davida ba hamonjy en'i Betlehema tanàny; satria da efa agnatine soro isan-tao ho ane fianakavia aby agne.' 7 Da hoy izy se: 'Tsara iza,' da hahazo fiadana gne mpanompo enao. Fa laha vignitry be izy, da fantaro fa nanapa-kevitry hagnano ratsy izy. 8 Noho iza da mifagnaraha tsara ame mpanompo enao. Fa efa ninday gne mpanompo enao ho ame fagneken'i Yaveh nindray taminao enao. Nefa laha misy fahota amina, da enao gne hamono enah; da nagnino iah gne indesinao agne am’iabanao?" 9 Da hoy i Jonatana se: "Sagnatria aminao ro iza! Laha nahafantatry iah fa nanapa-kevitry gne hagnano ratsy anao iabako, da tsy hizaka aminao san da iah?" 10 Da hoy i Davida tam’i Jonatana se: "Ia gne hizaka amina laha sagnatria mamaly enao ame roho mafy iabanao?" 11 I Jonatana nagnano tam’i Davida hoe: "Alaska, andeha isika hijotso atonda." Ka nijotso tatonda izy roy lah. 12 Da hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Yaveh, Andriamanitr'Israely ro gne ho vavavelo. Lefa avy magnontany en’iabako iah homaray akoizao lera zao, na ame gnandro fahatelo, hiteo, laha misy raha tsara ho an'i Davida, izy mesa tsa hagniraky ho agny aminao sy hampahafantatry enao iah? 13 Laha mahafaly en’iabako gne hagnano ratsy enao, i Yaveh ro gne hagnano eniza am'i Jonatana ary samindraky laha tsy mampahafantatry eniza aminao sy mandefa anao iah, ba handihananao ampiadanana dato. Homba anao ro i Yaveh, akoign’efa nombàny en’iabako. 14 Fa laha ambola velo evao iah, izy mesaky tsy hagnambara aminah gne tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, ba tsy ho faty aho? 15 Aza manapaka gne tsy fivadam-pagnekenao hiala am'igne ankohonako mandrakizay—ndre da foagnan'i Yaveh ame tany gne fahavalon'i Davida aby." 16 Ary i Jonatana nagnano fagneke tame gn’ankohonan'i Davida ka nagnano hoe: "Yaveh ro gne hitaky gne honitry am'igne tanane fahavalon'i Davida." 17 Nampagnano voady en'i Davida indraiky i Jonatana nohone fitiavany enazy, satria tia anazy akoigne fitiavany gne fagnahany evakoa izy. 18 Da hoy i Jonatana taminazy se: "Homaray gne voalohane vola. Ho tsarova anao satria foa gne fidoboanao. 19 Lefa nisy telo andro enao, da midigna malaky ary mirosoa agne ame toera nisitrihanao lefa tatagna gne rahara, ary mandignasa akaik’igne pelapelambato Ezela. 20 Handefa zana-tsipìky telo eo agnilan'iza iah, akoigne gne mitifitry raha kindre io. 21 Ary hagniraky gne koraolahako iah ba hizaka aminazy hoe: 'Alao tadiavo gne zana-tsipìky.' Laha mizaka ame koraolah iah hoe: 'Eh, io agnilanao io gne zana-tsipìky; alay io," da mevisa; fa hisy ferova ary tsy hisy ratsy ho anao, laha ambola velo evakoa i Yaveh. 22 "Nefa laha mizaka ame koraolah iah hoe: 'Eh, afaranao io gne zana-tsipìky,' da mandihana ame lalanao, fa efa nalefan’ i Yaveh enao. 23 Laha gn’ame fifagnaraha nokoragnitsika, da ity, eo ategnategnatsika fehizay i Yaveh.'" 24 Da nisitriky tatonda i Davida. Lefa avy gne voalohane vola, da nidoboky nihina sakafo gne mpanjaka. 25 Nidoboky tame sezane mpanjaka, akoigne gne mahazatry, tame seza takeke rindry. Nitsanga i Jonatana, ary i Abnera nidoboky tagnilan'i Saoly. Nefa tsy misy olo tame sezan'i Davida. 26 Tsambola nizaka ndre ino ndre ino i Saoly tam’io andro io, satria nieritreritry izy hoe: "Nisy raha nahazo enazy. Tsy madio izy; azo antoky fa tsy madio izy." 27 Fa tame gn’andro faharoa koa, gne homaraine valohane vola, da foa gne sezan'i Davida. Da hoy i Saoly tam’i Jonatana zanany lelah se: "Ino e raha tsy nahavy gnanaky lahan’i Jese tame fihinana gne omaly ame tandroany?" 28 Jonatana namaly en'i Saoly hoe: "da efa nangataky alala mafy tamina i Davida ba handeha agne Betlehema. 29 Hoy izy se: 'Apetray ro iah ba handeha. Fa gne fianakavianay mana soro hoamboary atanà ao, ary gne rahalahako nanery enah ba hoagny. Amizao fotoa zao, laha efa nahita sitraky tamasonao iah, da apetray ro iah ba handeha ary hagnety gne rahalahako.' Iza gnantony tsy nahavy enazy tambony latabatry gne mpanjaka." 30 Da lasa vignitry be en’i Jonatana i Saoly, ary hoy izy taminazy se: "enao gne zanaky lahane mpamadiky, viavy mpikomy! Izy mesa k’iah tsy mahafantatry fa efa nisafidy gnanaky lahan'i Jese ho fahamegnara ho anao, sy ho fahamegnarane fitanjahan'iendrinao enao? 31 Fa laha ambola miaigny ambonitany etoa gnanaky lahan'i Jese, da tsy ho tafapetraky na enao na gne fanjakanao. Da amizao fotoa zao, alefaso ary indeso aty aminah izy, fa tsy mentsy ho faty sinitry izy." 32 Da i Jonatana namaly en'i Saoly iabany hoe: "Fa ino gnantony tokony hamonoa enazy? Ino gne namboariny?" 33 Ary i Saoly nagnapitsiky gne lefony taminazy ba hamono enazy. Ao da fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitry dato gne hamono en'i Davida iabany. 34 Niongatry niala tampivignira tame latabatry ary tsy nihinana sakafo i Jonatana gn’andro faharoane vola, fa nalahelo en'i Davida izy, satria nagnala baraka anazy iabany. 35 Gne marandray, da niray nijotso tam’i Davida tame fotoa vatondro i Jonatana sy gne koraolah nindray taminazy. 36 Da hoy izy tame koraolahany se: "Mihazikaza ary tadiavo gne zana-tsipìky nitifirako." Ary laha nihazakazaky gne koraolah, da notifiriny zana-tsipìky gne tafarany tao. 37 Lefa avy tame toera nitribehane zana-tsipìka nalefan'i Jonatana gne koraolah, da nangaiky gne koraolah i Jonatana avy eo, ary nagnano hoe: "Izy mesa tsy afaranao ao gne zana-tsipìky?" 38 Ary nangaiky gne koraolah i Jonatana hoe: "Mandihana malaky, mahavia mafy, ka mijano!" Ary gne koraolahan'i Jonatana nandagno gne zana-tsipìky niakatry ary nagnato gne tompony. 39 Nefa tsy nahafantatry ndre ino ndre ino gne koraolah. I Jonatana sy i Davida evao gne nahafantatry e raha. 40 Nomen'i Jonatana gne koraolahany gne fitovam-piada ary hoy izy taminazy se: "Mandihana, indeso agne atanà io." 41 Laha vao lasa gne koraolah, da nitsanga avy tambadik’igne dongon-tany i Davida, nagnoro-pokopoko tame tany, ary niondriky intelo. Nifagnoroky sy niray notagny indreo, ary i Davida notagny mafy. [Fagnamaria: Mivaky akoizao gne lahatsoratry Hebreo: "Niboda avy latantsimo i Davida." Gne dikane teny vaovao mandika an’io andala io ame fomba samy hafa satria sarotry takary gne teny Hebreo.] 42 Hoy i Jonatana tam’i Davida: "Mandihana am-piadana, satria efa samby nivoady tame gnagnaran'i Yaveh itsika ary nagnano hoe: 'Yaveh ro ba ho eo ategnategnatsika, ary hoeo ategnategnane taranakiko sy gne taranakao mandrakizay.'" Ary nitsanga i Davida sady lasa nandeha, fa i Jonatana kosa da nipody tatanà.