1 Ary i Saoly nizaka tam’i Jonatana zanakiny lelah sy tame mpanompo enazy gne tokony hamonoandreo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, zanak'i Saoly, da tia an'i Davida dato. 2 Da hoy i Jonatana tam’i Davida se: "ta hamono enao i Saoly iabako abara. Noho iza da membena ame marandray ary mifinia amin'gne toera mangingy. 3 Iah hijotso hitsanga tagnilan'iabako tatonda izay misy enao, ary hikora e mikasiky enao am’iabako iah. Laha mahafantatry raha iah, da hozakaiko enao." 4 Nikora marigny en'i Davida tam’i Saoly iabany i Jonatana ka hoy izy taminazy se: "Da tandremo tsy hanota am'i Davida mpanompo enazy gne mpanjaka. Fa tsy nanota taminao izy, ary nagnome raha tsara anao lotry gn’asany. 5 Fa izy efa nagnano gne vatany tsy misy dikany da namono gne Filistina. I Yaveh efa ninday fandrese zakabe ho an'Israely aby. Nahita eniza enao da faly. Ino gnantony hampanota sady hampanohitry gne rà tsy manan-tsigny ame famonoa an'i Davida tsy ahoa tsy ahoa enao?" 6 Niteno en'i Jonatana i Saoly. Da nagnano voady hoe: "Laha ambola velo evakoa i Yaveh, da tsy hovonoy izy." 7 Da nangaiky en'i Davida i Jonatana, ary nozakainy tam’i Davida iza raha aby za. Nindesin’i Jonatana tam'i Saoly i Davida, ary tame fagnatrehany akoigne taloha indraiky izy. 8 Ary nisy ady indraiky, da nijotso hiady amin'gne Filistina i Davida ka da nandresy endreo tame famonoa zakabe. Da nilefa tagnatrehany indreo. 9 Avy tam’i Saoly gne fagnah ratsy avy tam'i Yaveh laha nidoboky tandranony nindray tame lefo tatagnany izy, ary laha nitendry zava-magneno igne i Davida. 10 Ary i Saoly nagnoatry nikendry an'i Davida tame rindry tame lefony, kanefa nilefa gne fagnatrehan'i Saoly izy, ka natsatok'i Saoly tame rindry gne lefo. Nitsoky i Davida ary afa-nilefa tame tariva igne. 11 Nandefa iraky tandragnon’i Davida ba hagnety enazy ba hahafahany mamono enazy i Saoly tame narandray. I Mikala, vadin'i Davida, niroho enazy hoe: "Laha tsy mamonjy gne vatanao androany ariva anao, da hovonoy enao homaray." 12 Napetrak'i Mikala hidigny tame varavarankidy i Davida. Da lasa nitsoky dato izy, ary afaky nilefa. 13 Nangala sampy tandragnony i Mikala da nagnapetraky eniza tame fandria. Ary nangala onda volon'osy izy ka napetrakiny tame lohany, ary norakofany siky iza. 14 Laha nandefa iraky ba hangala an'i Davida i Saoly, da hoy izy se: "Mana tretre izy." 15 Da nandefa iraky ba hagnety en'i Davida indraiky i Saoly, ka hoy izy se: "Hindeso miakatry aty amina ame fandria izy, ba hahafahako mamono enazy." 16 Laha niditry gne iraky, da avy, gne sampy tandragnony gne lasa tame fandria sy gn’onda volon'osy ame lohany. 17 Da hoy i Saoly tam’i Mikala se: "Nagnino enao mamitak’enah ka nagneky gne fahavaloko handeha, ka da afaky nilefa izy?" i Mikala da namaly en'i Saoly hoe: "Hoy izy tamina se, 'Apetray iah handeha. Nagnino iah gne hamono enao?'" 18 Ary nitsoky sy afaky nilefa i Davida, da niroso tam'i Samoela tagne Rama ka nikora taminazy gne raha aby namboarin’i Saoly taminazy. Da nandeha izy am’i Samoela ka nipetraky tagne Naiota. 19 Nisy nagnambara tam’i Saoly iza, magnano hoe: "Igny, tao Naiota agne Rama i Davida." 20 Da nandefa iraky hisambotry en'i Davida i Saoly. Laha nahita gne naman'gne mpaminany naminany indreo, ary i Samoela nijoro ho lehibendreo, gne fagnahin'Andriamanitry avy tame irak'i Saoly, da naminany koa indreo. 21 Lefa nikoragna eniza i Saoly, da nandefa iraky hafa izy, ary naminagne ihagne koa indreo. Ary nandefa iraka fanintelogne indray i Saoly, ka namininany evakoa. 22 Da niroso tagny Rama koa izy ary avy tame lava-drano te Seko. Nagnontany izy hoe: "Aia i Samoela sy i Davida?" Nisy olo nizaka hoe: "Igny, ao Naiota agne Rama indreo." 23 Nandeha tagny Naiota agne Rama i Saoly. Da avy taminazy evakoa fagnahin'i Yaveh, ka naminany tegne am-pandehana mandra-pevisany tagne Naiota tagne Rama izy. 24 Nangala gne rahisikiny izy ary naminany tagnatrehan'i Samoela. Nitanjaky nandritry gn’andro sy gne ariva aby izy. Iza gn’antony nagnontaniandreo hoe: "Isane mpaminany evakoa me i Saoly?"