1 Lefa avy nikora tam’i Saoly izy, da nifamatotry tame fagnan'i Davida gne fagnan'i Jonatana, ary notiavin'i Jonatana akoigne fagnany evakoa izy. 2 Nalain'i Saoly ho am'igne fanompoa anazy i Davida tam’io andro io; tsy nekeny hivery tandragnon’iabany izy. 3 Avy teo i Jonatana sy Davida nagnano fagneken-pinama satria notiavin'i Jonatana akoigne fagnany evakoa izy. 4 Nangala gn’akanjo lava nisikiny i Jonatana ary nagnome eniza en'i Davida nindray taminazy fiarovany, sy gne sabatriny, gne tsipìky, ary gn’hetry. 5 Da nandeha tame toera nagnirahan'i Saoly enazy i Davida, ary da nety izy. Nagnapetraky enazy tame fanalelah i Saoly. Neke tamasone vahoky aby iza ary tamasone mpanompon'i Saoly evakoa. 6 Laha nandeha nody avy nandresy gne Filistina indreo, da avy aby tame tanàne gn'Israely aby gne viavy, nihira sy nandihy, ba hitsena en'i Saoly mpanjaka, nindray tame gn’amponga tapaky, hafalia, ary raha magneno. 7 Nifandimby nihira gne viavy laha nilalao indreo. Nihira indreo hoe: "Novonoin'i Saoly gn’efa ho andrivony mahery, ary i Davida gn’efa ho an’aliny." 8 Vignitry mafy i Saoly, ary tsy nahafaly enazy iza hira iza. Hoy izy se: "Efa nagnome an'aly ho an'i Davida indreo, nefa andrivony evakoa gne nomendreo ho anah. Ino evakoa gn’afaky hanagnagny afa-tsy gne fitondram-panjaka?" 9 Nagnety an'i Davida feno fisalisala i Saoly nanomboky tam’io andro io. 10 Gn’andro magnaraky da nisy fagna mampididoza avy ame gn'Andriamanitry nidy tam'i Saoly ary nirediredy tandragno izy. Noho iza da nilalao gne raha magnenony akoigne amboariny isan'andro i Davida. Ary nana lefo tantanany i Saoly. 11 Natsipin'i Saoly iza lefo za, satria nieritreritr’izy hoe: "Ho tsondromiko am'igne rindry i Davida." Kanefa indroa tafala gne fagnatrehan'i Saoly tam’iza fomba iza i Davida. 12 Natahatry en'i Davida i Saoly, satria nagneky enazy i Yaveh, fa tsy nagneky en'i Saoly koa. 13 Da nalan'i Saoly tame fagnatrehany izy ary notendreny ho mpifehy gn’arivo. Iza gne fomba nivoahan'i Davida sy nirosohany takatrefane vahoky. 14 Natozony en’i Davida gne lala narahany aby satria da nomba anazy i Yaveh. 15 Lefa hitan'i Saoly fa natozony izy, da nagneky gne tegnany evakoa izy. 16 Fa tia en'i Davida gn’Israely sy gne Joda aby, satria nijotso izy ary nandeha taloandreo. 17 Ary hoy i Saoly tam’i Davida se: "Inty i Meraba farane zoky ame zanako viavy. Homeko enao haninao vady. Fa manà herim-po ho anah ary media gn’adin'i Yaveh." Fa nieritreritry i Saoly hoe: "Kapetraky aminazy e tagnako, fa aleo gne tagnane Filistina gne ho eo aminazy." 18 Da hoy i Davida tam’i Saoly se: "Ia me iah, ary ia gn’havako, na gne fianakavian'iabako agne Israely, gne tokony ho vinanto lahin'gne mpanjaka iah?" 19 Fa tame fotoa tokony nagnomeza en'i Meraba, zanaky vavin'i Saoly ho an'i Davida, da nome en'i Adriela Meholatita haniny vady izy. 20 Kanefa i Mikala, zanaky vavin'i Saoly, da tia en'i Davida. Nizaka tam’i Saoly indreo, ary nahafaly enazy iza. 21 Avy teo i Saoly nieritreritry hoe: "Homeko enazy izy, ba ho fandriky ho anazy, ary ba hanohitry enazy gne tanane Filistina." Ka nizaka fagnindroany en'i Davida indraiky i Saoly hoe: "Ho vinanto lahako enao." 22 Nandidy gne mpanompo enazy i Saoly hoe: "Mikoragna manoka am'i Davida, ary rohono hoe: 'Igny, mankasitraky enao gne mpanjaka, ary tia anao aby gne mpanompo enazy. Da amizao andro zao, magneke ho vinanto lahan'igne mpanjaka.'" 23 Niroho en’iza roho za tam’i Davida gne mpanompon'i Saoly. Avy teo i Davida nizaka hoe: "Raha kidikidy ho anao me gne ho vinanton'igne mpanjaka, satria olo tsy mana-koany iah, ary hany tsinontsino?" 24 Nitatitry taminazy gne roho norohonin’i Davida gne mpanompon'i Saoly. 25 Ary hoy i Saoly se: "Rohono am'i Davida izao: 'Tsy magniry vodiondry gne mpanjaka, fa lohan-tsitsy zaton'igne Filistina evao, ba hamalia faty gne fahavalon'igne mpanjaka."' Ary i Saoly nieritreritry gne handavo en'i Davida tame tanane Filistina. 26 Lefa nizaka gne teny indreo tam’i Davida gne mpanompo enazy, da nahafaly en'i Davida gne ho vinanton'igne mpanjaka. 27 Talohan'gne nahadila an'ireo andro ireo, da nandeha nindray tame gn’olony Davida ary namono Filistina ron-jato. Nindesin'i Davida gne lohan-tsitsindreo, ary nomendreo ho ane mpanjaka aby iza, ba ho lasa vinanton'igne mpanjaka izy. Ao da nomen'i Saoly enazy ho vady i Mikala zanany viavy. 28 Lefa hitan'i Saoly, sy fantatriny fa nomba an'i Davida i Yaveh, ary Mikala zanaky vavin'i Saoly, da tia anazy, 29 da natahatry mafy dato en'i Davida i Saoly. Ary da fahavalon'i Davida lava i Saoly. 30 Avy teo gn’andrian-dahane Filistina nijotso hiady, ary arakaraky gne nijotsoandreo matetiky, gne nahombiazan'i Davida tsaratsara kokoa nohone mpanompon'i Saoly aby, ah da niakatry ambony e lazane gnagnarany.