1 Ary gne Filistina da namory gne tafikindreo hiady. Nivory te Soko, izay an'i Joda indreo. Namata tagnelagnelan'i Soko sy Azeka, tao Efesa-damima indreo. 2 I Saoly sy gne lelan'Israely da nivory ary namata tame Lohasahan'i Elaha, ary nandamy gne filaharandreo amin'gnady ba hifagnatriky ame Filistina. 3 Nitsanga tambonine vohitry tagnilany tegny gne Filistina, ary gne Israely nitsanga tambonine vohitry tame gnilany hafa koa ary loharano gne nagnelagnela andreo. 4 Lelah matanjaky raiky gne nizotso avy tame tobine Filistina, lelah raiky angiha hoe Goliata avy agny Gata, izay enina hakiho ary zehy raiky gne halavany. 5 Nagnano satroky fiarovan-doha saba tame lohany izy, ary nisiky fiarovan-tratra. Saba dimy arivo sekely gn’avesatre sikiny. 6 Nagnagno ferovan-drandro saba sy lefo saba tagnelagnelane sorikiny. 7 Zakabe gne zaran-defony, miaraky amin'gne tady volomboloina fampitora enazy mitovy gne tady eo amin'gne vodi-tenon'gne mpanenona. Gne lohane lefo da vy eo ame sekely eninjato gn’avetriny. Nandeha taloha gne mpitondra ampingany. 8 Nitsanga izy nizaka mafy tame filahara gn’Israely: "Nahoa enareo gn’avy hilahatry hiady? Iaho me tsy Filistina, ary enareo mpiasan'i Saoly? Misafidy lelah raiky aminareo ary izy hidigny ety aminah. 9 Laha mahay miady aminah, laha mahafaty anah, da ho mpiasa nareo iahay. Fa laha mandresy enazy na mahafaty enazy iah, da ho mpisanay enareo ary hiasa ho anay." 10 Da manaly gne Filistina se: "Magnano ,miloka ame filaran'Israely iaho tandroany. Omeo lelah raiky iah ba ho afaky hiaray hiady iahay." 11 Lefa nahare eniza zakane Filistina za i Saoly sy gne Israely aby da ketraky indreo, da natahatry mahare. 12 Ary i Davida zanak’i Efratita lelah avy agne Betlehema ao Joda, i Jese gnagnarany. Da niteraky lelah valo izy. Jese d’efa lelah mavozo tame gnandron'i Saoly, tena mavozo dato tame lelah. 13 Gne zoky telo lah tame zanak’i Jese da nagnaraky en'i Saoly tagny ame gn’ady. Gnagnarandreo telo lah nandeha tame gn’ady da i Eliaba gne vakirandrony lelah, magnarak’enazy i Abinadaba, ary i Sama gne fatelo. 14 I Davida gne zandry indrindra. Gne telo zoky indrindra gne nagnaraky en'i Saoly. 15 Ary i Davida da nanoy sy nimpody tame tafik'i Saoly sy tame gn’ondrin'iabany tagny Betlehema, ba hanome hany eniza. 16 Maraindray sy hariva nandritry gn’efapolo andro laha lelahy Filistina matanjaky gn’avy nagneky ba hagnome gn’ainy ho ame gn’ady. 17 Da hoy i Jese tam’ i Davida zanany se: "Mangalà raiky efaha am'ity vary misy menaky ity ary io mofo folo io ho ane rahalahanao, ary indeso malaky agne ame tobine rahalahanao itoa. 18 Indeso agne am'igne kapitenareo arivo agny itoa fromazy folo toa. Hiteo se magnano akory gne rahalahanao ary mitondrà porofo mimpody aty fa tsy magnino indreo. 19 Miaraky am'i Saoly sy gne lelan'Israely aby agne ame lohasahan'i Elaha, miady ame Filistina gne rahalahanao." 20 Nifoha taloha i Davida gne narandray ary nampetrany gnilane gn’ondriny sy gnilane gn’osiny ho embenane mperak’andro raiky. Nangala tame fitova izy ary lasa, araky gne bekon'i Jese enazy. Avy tame toby izy laha igny nandeha nijotso tame toera fedia igny ba angaiky ady igny gne tafiky. 21 Avy teo da nilahatry hiady gn’Israely sy gne Filistina, tafiky manohitry tafiky. 22 Nagnampetraky gne fanagnany tame mpità gne fitova izy, nigodigodiky nandeha ame tafiky, ary nifakahita tame rahalahany. 23 Laha nizaka tamidreo izy, gne lelah matanjaky, gne Filistina avy agne Gata, angia hoe: Goliata, da Nijotso tame raharahane Filistina, ka nizaka gne roho efa nozakainy taloha, da ren'i Davida indreo. 24 Lefa nahita gne lelah gn’olon'Israely aby, da nilefa enazy sady natahatry dato indreo. 25 Gne lelan'Israely nizaka se: "Hitanareo igny lelah miakatry igny? Avy ba hihantsy gn’Israely izy. Hagnome fanagna be enizay mahafaty enazy gne mpanjaka, ary hagnome enazy gne zanany viavy ho vadiny izy, ary hagnafaky gne fianakavian-drainy ankohonan-draigne ame fangalan-ketra tao Israely." 26 Hoy i Davida tamidreo lelah iza nitsanga takekenazy se: "Ino gne hagnamboara en’io lelah nahafaty Filistina io sy nangalabaraka gn'Israely? Ia io Filistina tsy vafora mihantsy gne tafiky gn’Andriamanitry velo?" 27 Da nampodine gn’olo gne zaka nozakaindreo ary nagnambara koa izy hoe: "Da akoiza evakoa gne hohany gne lelah mahafaty enazy." 28 Nahare enazy nizaka tame lelah i Eliaba zokiny lelah valomany. Da niakatry tam’i Davida gne sekin'i Eliaba, da hoy izy se: "Nagnino enareo nijotso taty? Ia gne nagnampetrahanao gn’ondry kidikidy ame tany lavitry agny? Tefitriko gn’avognavo sy gne felogna ame trokinao; avy taty enao ba hahita gn’ady." 29 Hoy i Davida se: "Ino gnaniko ? magnotany laha tsy mahadiso?" 30 Nelany gne teo da nandika hafa koa izy, ary nizaka akoigny evakoa. Da namaly akoigny evakoa gn’olo. 31 Lefa re gne zaka nozakain'i Davida, da nafindrane miaramila tam’i saoly iza, ary nampagniraky ho egny am'i Davida izy. 32 Da hoy i Davida tam’i Saoly se: "Loniky ba tsy halemy troky gne lelah dre da eo gne Filistina; gne mpiasanao da handeha hiady ame Filistina." 33 Hoy i Saoly tam’ i Davida se: "Tsy afa magnotry gne Filistina sy hiady aminazy enao; satria ambola tanora anao, sady izy da lelah mahefa miady hatrame faha zazany." 34 Hoy i Davida tam’i Saoly se: "Efa zatry niarak’andro gn’ondrin’iabany gne mpiasanao. Lefa avy mangala zanak'ondry gne liona na bera, 35 da nagnia eniza sy nasiako iza ary da navotako gne tambavany iza. Lefa nitsangana hamaly enaha izy, da tratriko tame somotriny, nomeko fiky, da matiko. 36 Nahafaty liona sy bera gne mpiasanao. Gne Filistina tsy vafora da mitovy ame raiky amidreo, satria nihantsy gne tafiky gn’Andriamanitry velo izy." 37 Hoy i Davida se: "Nagnavotry enah tame tomboky gne liona sy gne tomboky gne bera i Yaveh. Hagnavotry enah ame tanan’io Filistina io Izy." Da hoy i Saoly tam’i Davida se: "Mandihana, da tahin’i Yaveh enao." 38 Nampisikinin’ i Saoly tame siky fisikiny miady i Davida. Napetrakiny tame lohany gne satroky ferovan-doha saba, ary nampisikiny siky ferovan-tratra izy. 39 Nofihezy tame siky fedia gne saban’i Davida. Da tsy nahay namindra, satria mbola tsy nampenary eniza. Da hoy i Davida tam’i Saoly se: "Tsy hinday en’itoa hiady iah, satria ambola tsy nampenary en’io."Da nalan'i Davida iza. 40 Nalany tame tagnany gn’angirany ary nitsopo vato malama dimy tame lohasahan-driaka izy; da napetrany tame fagnise vatsy findesy miarak’andro iza. Tame tagnany gne antsamotadiny lefa nagnato gne Filistina izy. 41 Avy nagnato en'i Davida gne Filistina, talohany gne mpinday gn’ampingany. 42 Lefa nagnety gne magnodidy da nahita en'i Davida gne Filistina, da tsy niraharah enazy, satria ambola zaza izy, mena volo, ary tsara tareh . 43 Da hoy gne Filistina tam’i Davida se: "Amboa me iah, da avy miaraky ame gnangira aminah etoa enao?," Da nafatrin'i Davida tame gn’Andriamantriny gne Filistina. 44 Hoy gne Filistina tam’i Davida se: "Mandiana aminah ety ,da homeko gne voro egny an-dagnitry sy gne bibidia angala gne nofitrinao" 45 namaly gne Filistina i Davida hoe: "avy aminah etoa miaraky ame sabatry, sy lefo enao. Fa iah avy aminao ame gnagnaran 'i Yaveh tompone maro, Andriamanitry gne tafik'Israely, iza nihantsinao. 46 Androany da homen’i Yaveh enah gne fandrese enao, ka hamono enao iaho sy hangala gne lohanao ame vatanao. Androany da hagnome gne fatine tafiky gne Filistina ame voro egny an-dagnitry sy ame bibidian’ala an-tany iah, ba hahafantarane tany agn’aby fa misy Andriamanitry ame gn’Israely, 47 ary hahafantarandreo vory aby fa i Yaveh da tsy magnome fandrese ame sabatry na lefo. Fa an'i Yaveh gn’ady, ka hagnome enareo an-tagnanay Izy." 48 Lefa nitsanga sy nagnato en'i Davida gne Filistina, da nihazakazaky nalaky negname tafiky fahavalo i Davida ba hitsena enazy. 49 Nampidiriny tagnatine kitapony gne tagnany,da nangala vato tagnatiny tao izy, avy eo, nalefany tame gn’antsamotady iza, ka nahavoa gne Filistina tame panda. Nilentiky tame pandane Filistina gne vato, da lavo tame tany gne laharany. 50 Resin'i Davida tame gn’antsamotady sy vato gne Filistina. Da voany iza Filistina za ary da matiny. Tsy nisy sabatry tatagnan'i Davida. 51 Avy eo da nihazakazaka i Davida ka nitsangana tambonine Filistina sy nangala gne sabatriny, namoaka eniza avy tame tragnony, namono enazy, ary nanapaky gne lohany tamiza. Lefa hitane Filistina fa maty gne lelah matanjakindreo, da nilefa indreo. 52 Avy eo da nitsanga sady nihiaka ireo lelahin'Israely sy Joda, ary nagnenjiky gne Filistina hatrame lohasaha sy ame vavahadin'i Ekrona. Gne Filistina maty da nandry teo ame lala megname Saraima, sy gne lala aby megname Gata ary Ekrona. 53 Nipody avy tame fagnenjeha gne Filistina gne olon'Israely, ary nandroba gne tobindreo. 54 Nalain'i Davida gne lohane Filistina ary nindesiny tagne Jerosalema iza, fa gne akanjo fediany da napetrany tame lainy. 55 Lefa nahita en'i Davida nijotso nanohitry en’iza Filistina za i Saoly, da hoy izy tam’i Abnera, kapitenine tafiky se: "Ry Abnera, zanak'ia io tovolahy io?" Da hoy i Abnera se: "Laha ambola velo koa ianao, ry mpanjaka, da tsy fantatro" 56 Gne mpanjaka niroho hoe: "Agnontanio endreo gne mety mahafantatra hoe zanak'ia io zazalah io." 57 Lefa nipody avy tagny ame famonoa gne Filistina i Davida, da nangala anazy i Abnera, ary nitondra enazy tagnatrehan'i Saoly niaraky tame lohan'iza Filistina za tatagnany tegny. 58 Hoy i Saoly taminazy se: "Zanak'ia enao, sa tovolahy?" da namaly i Davida hoe: "Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho."