Toko Faha 15

1 Hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Yaveh gne nagnirak’ena hagnosotr’enao ho mpanjaka eo am'igne Israely vahokiny. Amizao fotoa zao, da tenomy gne zakan’i Yaveh. 2 Akoizao gne zakan’i Yaveh tompone maro: 'Efa tsinjoko gne namboarin'i Amaleka tam’igne vahokin'Israely tame nanoherany endreo tandala, lefa niranga avy t’Egypta indreo. 3 Amizao fotoa zao, alao anafiky en’i Amaleka ary da poteho aby gne maha izy endreo. Ka miaro endreo, fa samby vonoy agny aby na viavy na lelah, na gn’ankizy na gne zaza, na gn’aomby na gn’ondry, ary na gne rameva na gne boriky."' 4 Nampangaiky gne vahoky i Samoela ary nagnisa endreo tame tanànan'i Telaima: lelah nandeha tomboky roy hetsy, ary lelah n'i Joda raialy. 5 Avy eo i Saoly da avy ta tanàn'i Amaleka ary nandigny ta tonda. 6 Da hoy i Saoly tame Kenita se: ''Mela agny ro, mijotsoa latamigne Amalekita, ba tsy handringanako anareo miaraka amin'indreo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamegne Israely rehetra ianareo, fogne tonga avy tagne Egypta indreo.'' Noho iza da niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. 7 Avy eo da namango gn’Amalekita i Saoly, manomboky e Havilaha katre Sora, agne atsignanan'i Egypta. 9 6 a hoy i Saoly tame Kenita se: ''Mela agny ro, mijotsoa latamigne Amalekita, ba tsy handringanako anareo miaraka amin'indreo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamegne Israely rehetra ianareo, fogne tonga avy tagne Egypta indreo.'' Noho iza da niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. 7 Avy eo da namango gn’Amalekita i Saoly, manomboky e Havilaha katre Sora, agne atsignanan'i Egypta. 10 Da avy tam’i Samoela abara gne rohon’i Yaveh, nagnano hoe: 11 "Nanegnenako gne nagnamboarako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tame fagnalala Ena izy ary tsy nagnaraky gne didiko." Vignitry i Samoela; nizaka mafy tam’i Yaveh izy tagnatine gnariva raiky. 12 Nahatsiaro taloha i Samoela ba hifakahita am'i Saoly gne marandray. Nambara tam’i Samoela hoe: ''Avy tagne Karmela i Saoly ary nagnory tsangam-bato ho ane tegnany, ary nivery nandeha nidigny tagny Gilgala." 13 Da avy tagny am'i Saoly i Samoela, ary hoy i Saoly taminazy se: "E ro vatahin'iYaveh enao! Tanterakiko gne didin'i Yaveh." 14 Hoy i Samoela se: "Ino iza fitregnane ondry reko ame sofiko za, sy gne fitregnane gn’aomby iza reko za?" 15 Da namaly i Saoly hoe: "Efa nentindreo avy latame Amalekita iza. Fa niaro gn’ondry sy gn’aomby tena tsara gn’olo, ba hagnamboara soro ho an'i Yaveh Andriamanitry. Efa naripakay aby gne sisa tavela." 16 Da hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Dignaso, da ho rohoniko aminao gne nambaran'i Yaveh tamina lahaly." Da hoy i Saoly taminazy se: "Mizaka!" 17 Hoy i Samoela se: "Ndre da kidy gne fagnitenao enao, nefa tsy nany mpitariky gne fokon'Israely evao enao? Ary i Yaveh nagnosotry enao ho mpanjaka eo ame gn'Israely, 18 ary i Yaveh nagniraky enao tame nombanao nagnano hoe: 'Mandihana ary halavoy aby gne mpanota, gn’Amalekita, ary media amindreo mandra-pahalavondreo.' 19 Ino e raha tsy agnekenao gne rohon’i Yaveh, fa nan gala gne resy evakoa anao ary nagnano gne farane ratsy tamason’i Yaveh?'' 20 Da hoy i Saoly tam’i Samoela se: "nagneky gne rohon’i Yaveh marigny iah abara, ary efa nagnaraky e lala nagnirahan’i Yaveh enay. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'igne Amaleka, ary efa novangoiko mafy gne Amalekita. 21 Kanefa nangala gne sasany tame babo—ondry sy aomby, gne raha tena tsara natoka ho an'gne fandrava, ba hagnamboara soro ho an'i Yaveh Andriamanitry agne Gilgala gn’olo." 22 Da namaly i Samoela hoe: "Mankasitraky gne fagnatitry oroa sy gne soro dato me gn’Andriamanitry, akoigne fagneke gne rohon’i Yaveh? Tsara ambonine soro gne fagneke, ary gne miteno gne tsara ambonine gnatsarane nofitry gn’ondry lah varasa. 23 Fa gne fikomia da akoigne fahotan'igne sikidy, ary gne fahamafisa loha da akoigne gne faharatsia sy gn’heloky. Satria efa tsy nekenao gne zakan’i Yaveh, da nandà anao tso mpanjaka evakoa Izy." 24 Da hoy i Saoly tam’i Samoela se: "Efa nanota iah; satria nandika gne didin'i Yaveh sy gne zakanao, satria natahatry gn’olo iah ary nino gne rohondreo. 25 Amizao andro zao, ba mamelà ro gne helokiko, ary miveregna mindray aminah ba hanompoako en'i Yaveh.'' 26 Hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Tsy hipody hindray aminao esana iah; satria nandà gne zakan’i Yaveh enao, ary efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo am'igne Israely i Yaveh.' 27 Laha igne nivery hiala igne Samoela, da notanan’i Saoly gne sisine tomboky gn'akanjony, ka lasa rivatry iza. 28 Hoy i Samoela taminazy se: "Efa nalan'i Yaveh taminao gne fanjakan'Israely tandroany ary efa nomeny e namanao, tsara amboninao. 29 Ary koa, gne Tanjak'Israely da tsy havandy na hagnova gne hevitriny amiza; fa tsy olo Izy, ka hivery hiova-kevitry." 30 Da hoy i Saoly se: "Efa nanota iah. Kanefa ba omeo voninahatry eo agnatrehan'igne loholone vahokiko sy eo agnatrehan'igne Israely ro iah za. Mela miverigny aminah indraiky, ba hanompoako en'i Yaveh Andriamanitriko." 31 Da nipody nagnaraky en'i Saoly indraiky i Samoela, ary nanompo en'i Yaveh i Saoly. 32 Da hoy i Samoela se: "Indeso aty amina etoa i Agaga mpanjakane gn’Amalekita.'' Da nandeha taminazy i Agaga mifehy am'igne gadra-vy ary nagnano hoe: "da efa lasa dato gne fangidian'igne fahafatesa." 33 Da namaly i Samoela hoe: "Araky gne nagnamboaran’igne sabatrao gne viavy tsy hiteraky, da tsy hiteraky akoiza koa i endrinao eo ame viavy." Da notapitapahan’i Samoela tagnatrehan'i Yaveh tagne Gilgala i Agaga. 34 Nandeha tagne Rama i Samoela, ary i Saoly niakatry tandragnony tagne Gibean'i Saoly. 35 Tsy nahita en'i Saoly i Samoela hatrame gn’andro nahafatenazy, fa da nalahelo mafy en'i Saoly dato izy. Ary nanegny i Yaveh gname nagnamboarany en'i Saoly ho mpanjaka tam'igne Israely.