1 Andro raiky zay, i Jonatana zanak'i Saoly nizaka tame korao mpitondra gne fiadia hoe: "Alaska, andeha hitsaky ame tobine miaramilan'igne Filistina ery itsika." Nefa tsy nozakainy iabany. 2 Nidoboky tame magnodidy en'i Gibea ambanine gn’hazon'ampongamben-dagnitry te Migrona i Saoly. Teo ho eo ame gn’eninjato lah gne nindray taminazy, 3 agnisan'iza i Ahia, zanak'i Ahitoba (lahalahan'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, gne mpisoron'i Yaveh tao Silo, gne nisiky efoda. Tsy fantatry gne vahoky hoe lasa i Jonatana. 4 Tame lafy tsikiraikiraiky amin'igne fitàna nirin'i Jonatana handihana ba hirosoany hoame miaramila ne Filistina, da nisy pelapelam-bato tame andaniny ary pelapelam-bato hafa tame gn’andaniny. Gne pelapelam-bato raiky da nome agnara hoe Bozeza ary gne pelapelam-bato raiky faharoy da nome agnara hoe Sene. 5 Gne pelapelam-bato raiky nitsanga tavaratry da takatrefan'i Mikmasy, ary gne raiky faharoy da tatsimo takatrefan'i Geba. 6 Hoy Jonatana tame korao mpitondra gne fiadia se: "aska, andeha itsika hitsaky ame miaramilane nama tsy vafora io. Ba mety i Yaveh gne hiasa ho antsika, fa tsy misy na ino na ino manaka en'i Yaveh gname famonje ame maro na ame gn’olo kidy." 7 Da namaly gne mpinday gne fedia hoe: "Amboaro e raha andragno aby. Mandroso, e, miray aminao iah, ba hagneky gne bekonao aby." 8 Da hoy i Jonatana se: "alaska handeha hitsaky ame lelah ery itsika, ary hiboda amindreo. 9 laha miroho amintsika indreo hoe: "Mandignasa egny mandra-pihevisanay egny aminareo'—da hitsanga teo ame fidoboantsika itsika ka tsy hitsaky egny amindreo . 10 Kanefa laha mamaly indreo hoe: 'Magnatogna aty aminay', da hitsaky itsika; satria efa nomen'i Yaveh ho eo an-tagnantsika indreo. Iza gne ho mariky ho antsika." 11 Da samby niboky tame toby miaramilane Filistina indreo. Hoy gne Filistina: "Igny, mijotso avy tame lavaky nagnafiniandreo gne tegnany gne Hebreo." 12 Da nangaiky en'i Jonatana sy gne mpinday gne fediane lelah ne miaramila, ka nagnano hoe: ''Mekàra aty aminay, da hagnaboanay raha enareo." Hoy i Jonatana tame mpinday gne fedia se: "Magnara afarako gnao, satria efa nomen'i Yaveh ta tagnane gn’Israely indreo." 13 Nagnaniky tame tagnany sy tame tombokiny i Jonatana, ary nagnaraky tafarany gne mpinday gne fedia. Novonoy takatrefan 'i Jonatana gne Filistina, ary gne mpinday gne fedia namono gne sasany tafara. 14 Iza fandroba valohany iza namboarin'i Jonatana sy gne mpinday gne fedia iza, da nahafaty tokony ho lelah ropolo tame faritry gne atsasa-hektara. 15 Nisy fikorotagna zakabe tame toby, tagny akoraky, sy tame vahoky. Ndre da gne miaramila na gne mpandroba da natatry aby. Nagitakitaky gne tany, ary nisy tahatry zakabe. 16 Ary gne mpisafon'i Saoly tagny Gibean'ny Benjamina da nagnety; niparitaky gne vahokine miaramila ne Filistina, ary nivezivezy indreo. 17 Da hoy i Saoly tame vahoky nindray taminazy se: "Hisay ary hiteo gne tsy eo amintsika." Rehefa nagnisa indreo, da i Jonatana sy gne mpinday gne fedia gne tsy teo. 18 Hoy i Saoly tame gn’Ahia se: "Etaty gne tobilin'Andriamanitry," fa tagny ame vahokin'igne Israely iza tamin'iza fotoa iza. 19 Laha ambola niroho tame mpisoro i Saoly, da nitohy sy niabe gne resabe tame tobine Filistina. Da hoy i Saoly tame mpisoro se: "Ahemoro e tagnanao." 20 Nitambatry ary nandeha tame gn'ady i Saoly sy gne vahoky aby nindray taminazy. Gne sabatry gne Filistina tsikiraikiraiky da namango gne mpiray tanà taminazy, ary nisy fifamalia zakabe dato. 21 Ary gne Hebreo nindray tame Filistina taloha sy gne nandeha nindray tamindreo tame toby aza da ba nitambatry tam’igne Israelita izay nindray tam’i Saoly sy Jonatana. 22 lefa rene gn’olon’ign’Israely aby izay nifiny tagny ambony tagny akeken’Efraima fa nilefa gne Filistina, da niagnindreo hatrame gn’ady indreo. 23 Eh da tam’iza andro iza da nagnavotry gn’Israely i Yaveh, ary nihotry hatre Betavena gn’ady. 24 malahelo gn’olone gn’Israely tamiza andro iza satria i Saoly nagnampetraky gne vahoky tambany fitokiasa ary nagnano hoe: "Vaozo gn’olo homan-kany hatrame gn’hariva ary iah da hamaly faty gne fahavaloko." Da tsy nisy olo avy tame gn’antoko ba nitondro hihina. 25 Ary niditry tao agn'ala gne vahoky aby ary nisy titely tame tany. 26 lefa niditry tagn'ala gne vahoky, da nipatrapatraky gne titely, nefa tsy nisy olo nagnano gne tagnany tame vavany satria natahatry gne voady dato gne vahoky. 27 Nefa tsy ren'i Jonatana fa nitazo gne vahoky tame voady iabany. Da napekariny gne lohane gn’angira tame tagnany sady nampiditry eniza tame tohone titely. Napekariny tambava gne tagnany, ka nazava gne masony. 28 Ary gne raiky tame vahoky, da nagnano hoe: "Novesaran’iabanao tame voady mafy be dato gne vahoky, tame nizakany hoe: 'Vaozo gn’olo human-kany ame gn’andro androany', ndre da malemine, akady ho maty mosary gne vahoky." 29 Da hoy i Jonatana se: "Nagnakorota gne tany iabako. Hiteo fa da nazary mahita gne masoko satria nagnandra kidikidy tame titely iah. 30 Samindraky laha nihina am-pilamina tame vaendaky tame fahavalo hitany tandroany gn’olo? Satria ts’isy dikany tame Filistina gne famonoa amizao fotoa zao." 31 Tam’iza andro za, da nanafiky gne Filistina, nanomboky te Mikmasy hatr’Aialona indreo. Valaky aby e vahoky. 32 Nihazakazaky mafy tame vaendaky gne vahoky nagnala gn’ondry, gn’aomby sy gne zanak'aomby, ary namono eniza tame tany. Nihina eniza niaraky tame rà gne vahoky. 33 Da hoy indreo tam’i Saoly se: "Igny, da nanota tam’Yaveh tame fihinana rà nanine vahoky." Da hoy i Saoly se: "Nagnano tsy famatora enareo. Amizao fotoa zao, da mamaringarigna vato zakabe ho anah." 34 Hoy i Saoly se: "Miboa ame vahoky, da zakay indreo hoe: 'sambia mindahy gn’aombiny sy gn’ondriny gn’olo tsiraikiraiky, vonoy etoa, da hano. Ka manota am'i Yaveh ame fihinana miaraky ame rà koa."' Gne vahoky da samby ninday gn’aombiny sy gn’ondriny ho vonoy tam’iza hariva za. 35 Nagnambotry latabatry hoan'i Yaveh i Saoly, latabatry namboariny valohany hoan'i Yaveh. 36 Da hoy Saoly se: "Alaska andeha hagnia gne Filistina laha hariva ary hagnendak’endreo mandra-mparaindray gn’andro; tsy misy apetrakitsika ho velo ndre da raiky indreo." Namaly indreo hoe: "Amboaro e raha aby izay ho heverinao fa mety." Da hoy gne mpisoro se: "Alasika andeha hagnato gn'Andriamanitry etoa." 37 Nagnontany gn'Andriamanitry i Saoly hoe: "rariny me laha hagnenjiky gne Filistina iah?" hagnome endreo an-tagnan'Israely me enao? Kanefa tsy namaly enazy gn’Andriamanitry tamiza andro za. 38 Da hoy i Saoly se: "Magnatogna aty, enareo mpitariky gne vahoky aby; fantaro sy hiteo gne fomba nahavy enio fahota tandroany io. 39 Fa laha ambola velo evao i Yaveh, magnavotry gn’Israely, ndre da am'i Jonatana zanako iza, da ho faty sinitry evakoa izy." Kanefa tsy nisy tame vahoky namaly enazy. 40 Da hoy izy tame gn’Israely aby se: "Mevota akeky ery,fa iaho sy gne zanako i Jonatana da ho agnilany eroa." Hoy gne vahoky tam'i Saoly se: "Amboaro gne mety aminao." 41 Ka da hoy i Saoly tam'i Yaveh, Andriamanitry gn’Israely: "Ambaray gne Tomima."i Jonatana sy i Saoly gne azo tame loka ,da niala tsy vafidy gne vahoky. 42 Da hoy i Saoly se: "Magnanova loka aminah sy i Jonatana zanako." Da i Jonatana gne vafidy tame loka. 43 Da hoy i Saoly tam'i Jonatana se: "Zakay aminah gne namboarinao." Da hoy i Jonatana taminazy se: "Nagnandra kidikidy tame titely tame vodine hazo tantanako iah. Da ho faty iah tiky." 44 Hoy Saoly se: "Hagnano eniza gn’Andriamanitry ary da agnano mihotr’enza aminah evaoka izy laha tsy maty enao, nda Jonatana." 45 Da hoy gne vahoky tam'i Saoly se: "Tokone ho faty me i Jonatana, laha nahatanteraky gne fandrese zakabe tame gn’Israely? sagnatria n’iza! Laha ambola velo i Yaveh, da tsy hisy hisibohany hilatsaky ame tany, fa niara niasa tame gn’Andriamanitry izy tandroany.'' Da nagnavotry en'i Jonatana gne vahoky da tsy nahafaty enazy. 46 Da nizano tsy nagnatratry gne Filistina i Saoly, ary da nandeha tame nisy gne Filistina. 47 Lefa nanomboky nandidy gn’Israely i Saoly, da niady tame fahavalony agnaby. Niady tam'i Moaba, gn’Amonita, gn’Edoma, gne mpanjakan'i Zoba, sy gne Filistina evakoa. Ndre taia ndre taia nitodihany, da nampindesiny sazy evao indreo. 48 Niasa tame gn’herim-po zakabe izy ka naharesy endreo gn’Amalekita. Namonjy gn’Israely ho afaky ame tana nagnendaky endreo izy. 49 Gne zanak'i Saoly lelah da i Jonatana, Jisvy, sy Malkisoa. Gnagnarane zanany viavy roy da i Meraba, gne vakiradrony ary i Mikala, gne farany ame viavy. 50 I Ahinoama gnagnarane vadin’i Saoly; zanak'i Ahimaza viavy. Gnagnarane kapitenine tafiky da I Abnera zanak'i Nera, rahalahin’iaban’i Saoly. 51 I Kisy iaban'i Saoly; ary i Nera, iaban'i Abnera, gne zanak'i Abiela lelah. 52 Nisy ady mafy tame Filistina tame gnandron'i Saoly aby. Lefa nahita olo matazaky, ndre olo matazaky fo i Saoly, da nalainy hoanazy.