Toko faha 3

1 Tamin'gny andro zay ro nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpanao batisa manao hoe: 2 "Mibebaha, fa akaiky gny fanjakan'gny lagnitry." 3 Fa I ro nivolagnin'Isaia mpaminany, manao hoe: "Misy feo raiky mikaiky mare agny agn'efitry hoe: 'Amboaro gny lalan'gny Tompo, ahitsio gny lalany."' 4 Ka Jaona nisiky volon-drameva ka nanao fehikibo hoditry tamin'gny valahany. Valala voho gny tantely remby ro nataony fihina. 5 Ka Jerosalema, Jodia iaby, voho gny faritry iaby magnodidy gny reniranon'i Jordana ka nagnato azy. 6 Nataony batisa tegny amin'gny reniranon'i Jordana reo, lafa nikaiky gny fahotany. 7 Voho nahajery gny Fariseo voho Sadoseo maro nagnanto azy mba ho atao batisa i, ka hoy I tamy ndreo hoe: "Ry taranaky menarana feno poizy, ia ro nampitao agnareo hitsoaky gny fahasiaha zay ho avy? 8 Mamihy vihy manahaky gny fisolohoa. 9 Sady ka misaina gny hanao anakam-po hoe: 'Magna agn'i Abrahama ho baba zahay.' Fa volaniko aminareo fa Andriagnanahary ro mahavita mananga agnaky ho agn'i Abrahama gna baka amy reo vato reo aza. 10 Sady lafa napetraky eo am-pototry gny hazo gny famaky. Ka reo hazo iaby zay tsy mamoa voa soa ro ho tapahy sady atoraky agny anaty motro. 11 Manao batisa agnareo amy gny rano ho amy gny fibebaha aho. Fa mahery noho zaho I zay avy afarako, sady zaho ro tsy mendriky mihitsy gna gny hanaday kapany aza. Hanao batisa agnareo amy gny Fanahy Masina sy gny motro I. 12 Fa an-tanany egny gny fikororoha mba hanadiova gny famoloany sady hanandraria gny variny agny an-tsompitra. Fa I ro handoro reo akofa amy gny motro zay tsy mety maty." 13 Avy eo Jesosy baka Galilia ka avy teo amy gny renindranon'i Jordana mba ho ataogn'i Jaona batisa. 14 Nefa i Jaona ro niezaky gnanaka azy, manao hoe: "Zaho ro mila ataonao batisa, gnefa anao koa va ro mamondry ahy?" 15 Jesosy namaly sady nivola taminy hoe: "Enkeo zay henaniky zao,fa zao no mety amintsika hahatanteraky gny fahamarina iaby." Bakeo Jaona gnanenky azy. 16 Lafa vita batisa I, ka niboaky tanaty gny rano Jesosy, sady indroy, nisokatry taminy gny lanitry. Hitany gny Fanahy Andriagnanahary lai voromailala sady nandeha tanambony. 17 Sady misy feo baka an-danitry agny gnanao hoe: "Inty ro Agnako malalako. Izay sitrako indrindra."