Toko faha 2

1 Tafara gny nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamin'gn'andron'i heroda mpanjaka, ro niavy tao Jerosalema johary manam-pahaiza bak'an-tignana agny nivola hoe: 2 "Aia I gnazy teraky ho mpanjaka gny Jiosy? Nahajery gny vasiabak'antigna zahay sady avy mba handrengy azy." 3 Lafa nahakasa zay Heroda mpanjaka, ka nihorohoro I, voho i Jerosalema iaby niaraky taminy. 4 Nandesin'i Heroda niaraky gny loha gny mpisoro iaby voho gny mpagnora-dalan'gny olo, sady nagnontany azy reo hoe: "Aia ro hahaterahan'i Kristy?" 5 Nivola taminy reo hoe: "Ao Betleheman'i Jodia, fa zaho ro voasoratry gny mpaminany hoe: 6 'Ka iha, Betlehema, agny amin'gny tany gny Joda, ka ty kely mare amin'reo mpitondran'i Joda, fa avy aminao ro iavian'gny mpanapaky gnazy hiamby gny oloko Israely."' 7 Ka nikaiky mangiky gny johary manam-pahalala i Heroda mba hagnontany andreo mazava soa gny fotoa nipoira gny basia. 8 Nalefany tagny Betlehema reo, manao hoe: "Mandehana ka fotoro soa gny mahakasiky gny zaza. Lafa jerinareo I, ka agnambarao aho, mba afahako mandeha koa handrengy azy." 9 Tafara gny nandresean-dreo gny mpanjaka, ro nandeha tamin'gny lalany reo, sady gny basia hitansreo t'antignana tegny ro hitariky andreo paraky hijanonany t'ambony gny toera nisy gny zaza. 10 Lafa nahajery gny basia reo, ka votraky sinisiny mare. 11 Nilitry t'an-tragno I reo sady nahajery zaza niaraky tamin'i Maria reniny. Niankohoky sady nandrengy azy reo. Nanokatry gny mpisy harea reo sady nanolotry gny fagnomeza volamena, dintin-kazo magnitry, voho gny miora ho azy. 12 Nampitandry andreo tamin'gny nofy Andrianagnahary mba tsy himpoly agny amin'i Heroda, ka lala hafa ro nandehanadreo namonjy gny firenea ndreo. 13 Lafa roso reo, ka nisy anjelin'i Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'gny alala gny nofy sady nivola hoe: "Miarena, andeso gny zaza voho gny reniny, ka mandosira agny Egypta. Mitoera agny paraky hivolagnako aminao, fa i Heroda ro mitady gny zaza mba hamonoany azy." 14 Alik'igny Josefa ro nifoha sady nanday gny zaza voho gny reniny ka nandeha a Egypta. Nipetraky tagny I paraky hifatesan'i Heroda. 15 Zay ro nagnatanteraky gny nambaran'i Tompo tamin'gny alalan'gny mpaminany hoe: "Kinaiko hiala tagny Egypta gny gnanako." 16 Bakeo Heroda, lafa nahajery fa voafitaky gny johary manam-pahalala, ka nasiaky mare. Nagniraky voho nampamono gny zazalahy iaby roa tao mizotso tao Betlehema voho tao amin'gny faritsy iaby, araky gny fotoa nofotara gny mazava tamin'gny lehilahy manam-pahalala. 17 Bakeo ka tanteraky gny safa nivolagny tamin'gny alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18 "Nisy feo kasa tao Rama, fitomagnia voho fisaonam-be, mitagny noho gny amin'gny gnanakiny i Rahely, sady tsy nagneky gny ho ampanginy i, fotony fa lasana reo." 19 Lafa maty i heroda, ingo, nisy anjelin'gny Tompo hita tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'gny nofy sady nivola hoe: 20 "Mifohaza ka andeso gny zaza voho gny reniny ka mandehana agny amin'gny tanin'Israely, fa maty gnazy nifofo gny ain'gny zaza." 21 Nifoha Josefa, nandesiny gny zaza voho gny reniny, ka nandeha tagny an-tanin'Israely. 22 Fa lafa kasany fa i Arkelaosy ro nanjaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda babany, ka natahotry gny handea agny I. Tafara gny nampitandreman-Dragnahary azy tamin'gny nofy, ka niala nandeha amin'gny farits'i Galilia I 23 ka nandeha sady nipetraky tao amin'gny tana kahia hoe Nazareta. Zay ro nahatanteraky gny voavola tamin'gny alala gny mpaminanay reo hoe: "Nazarena ro hikahia azy."