Toko faha 4

1 Amin'izany andro izany hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray ka hiteny hoe: "Ny sakafonay ihany no hohaninay, ny fitafianay ihany no hotafianay. Fa aoka izahay haka ny anaranao hanesorana ny henatray." 2 Amin'izany andro izany ny sampan'i Yaveh dia hafinaritra sy be voninahitra, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy hafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely. 3 Fa izay tavela any Ziona sy izay sisa tavela any Jerosalema dia hantsoina hoe masina, ny tsirairay izay voasoratra ho velona any Jerosalema. 4 Hitranga izany rehefa hanasa ny fahaloton'ireo zanaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà izay mandoto hatramin'ny afovoan'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny fanahin'ny fitsarana sy ny fanahin'ny afo mirehitra. 5 Ary eo ambonin'ny fitoeran'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonany, Yaveh dia hamorona rahona sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny alina; ary ho sarona ambonin'ny voninahitra rehetra izany. 6 Ho alokaloka fialofana amin'ny hafanana izany amin'ny andro, ary ho fialofana sy ho fiarovana amin'ny tafiotra sy ny orana.