Toko faha 3

1 Indro, Tompo Yaveh tompon'ny maro dia efa hanaisotra mpiandraikitra sy vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsia-mofo rehetra, sy ny famatsian-drano rehetra; 2 ny lehilahy mahery, ny mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany, ny mpamaky fambara, ny loholona; 3 ny kapitenin'ny dimampolo, ny mponina manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, ny mpanao asa-tanana za-draharaha, ary ny mpimasy kinga. 4 "Zatovo fotsiny ihany no hapetrako ho mpitarika azy ireo, ary ireo tanora no hanapaka eo amin'izy ireo. 5 Hampahoriana ny vahoaka, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ny namany; ny zaza no hanaraby ny zokiolona, ary hihantsy ireo mendri-kaja ireo nambaniana. 6 Haka ny rahalahiny ao an-tranon-drainy mihitsy aza ny olona iray ka hiteny hoe: 'Manana akanjo ianao; meteza ho mpanapaka anay, ary aoka izao faharavana izao ho eo an-tananao.' 7 Amin'izany andro izany dia hitabataba izy ka hiteny hoe: 'Tsy ho mpanasitrana aho; tsy mana-mofo aho na fitafiana. Tsy hanao ahy ho mpanapaka ny vahoakanao ianao."' 8 Fa lavo Jerosalema, ary nianjera i Joda, satria manohitra an'i Yaveh ny fiteniny sy ny asany, mihantsy ny mason'ny voninahiny. 9 Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy ireo; ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafeniny izany. Loza ho azy ireny! Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy. 10 Lazao ny olo-marina fa tsy haninona, fa hihinana ny vokatry ny asany izy ireo. 11 Loza ho an'ny ratsy fanahy! Fa ho rasty ny hanjo azy, fa ny valin'ny asan'ny tanany no hatao aminy. 12 Ry oloko—ankizy no mpampahory azy ireo, ary vehivavy no manjaka eo aminy. Ry oloko, ireo izay mitarika anareo dia mamily lalana anareo ary mampisafotofoto ny lalan-kizoranareo. 13 Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh, mitsangana hiampanga ny olona Izy. 14 Ho avy amin'ny fitsarana hanohitra ireo loholon'ny olony sy ireo mpitariny Izy hoe: "Namotika ny tanim-boaloboka ianareo; ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra. 15 Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra?" Izany no fanambaran'i Tompo Yaveh tompon'ny maro. 16 Izany no lazain'i Yaveh satria mirehareha ny zanaka vavin'i Ziona, mandeha amin'ny loha mianjonanjona, ary mangarika amin'ny masony, mijaikojaiko am-pandehanana raha mampikoritsandritsana amin'ny tongony, 17 noho izany dia hampisy aretina manakom-pery eo an-dohan'ny zanaka vavin'i Ziona ny Tompo, ary hataon'i Yaveh sola izy ireo. 18 Amin'izany andro izany dia hanala ireo firavaky ny ranjo tsara tarehiny, ireo fehilohany, ireo fihaingona sari-volana, 19 ireo kavina, ireo rojon-tanana, sy ireo voaly; 20 ireo saron-doha, ireo rojon-kitro, ireo fehin-kibo, sy ireo vata fasiana ranomanitra, ary ireo ravaka mitondra vintana ny Tompo. 21 Ho esoriny ireo peratra sy ireo kavin'orona; 22 ireo akanjo lava fanaovana lanonana, ireo kapoty, ireo voaly, ireo poketra kely; 23 ireo fitaratra kely, ireo atin'akanjo rongony fotsy madinika, ireo haingon-doha, ary ireo fisaronana. 24 Hamaimboana no ho solon'ny ranomanitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny volo tsara-hogo; ary lamba fisaonana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay ho solon'ny fahatsarana. 25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahinareo, ary ho lavo an'ady ireo lehilahy maherinareo. 26 Hitomany ny vavahadin'i Jerosalema ka hisaona; ary ho irery izy ary hitorombona amin'ny tany.