Toko faha 5

1 Avelao aho hihira ho an'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-boalobony. Nanana tanim-boaloboka teo amin'ny havoana tena lonaka ny malalako tsara. 2 Nasainy izany, nafindrany ireo vato, ary namboly izany tamin'ny karazam-boaloboka tena tsara izy. Nanangana tilikambo teo afovoan'izany izy, ary koa nanangana famiazanam-boaloboka. Niandry izany izy hamokatra voaloboka, saingy voalobo-dratsy ihany no namoha. 3 Ary ankehitriny, ny mponin'i Jerosalema sy ny olon'i Joda, dia mitsara ahy sy ny tanim-boaloboko. 4 Inona koa no tokony natao tamin'ny tanim-boaloboko, izay mbola tsy vitako taminy? Rahoviana no naniry izany mba hamokatra ireo voaloboka aho, nahoana no namokatra voalobo-dratsy izany? 5 Ary izao ho teneniko anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Halako ny fefy, havadiko ho ahitra izany, dia ho ravaiko ny mandany, ary ho voahitsaka izany. 6 Ho simbasimbaiko izany, ary tsy ho voarakotra na voakarakara. Fa kosa, ireo hery sy ireo tsilo no hitsimoka. Ho baikoiko ihany koa ny rahona tsy hanorana eo aminy. 7 Fa ny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny maro no taranak'Israely, ary ny lehilahin'ny Joda no voly tiany; niandry ny rariny izy, kanjo, famonoana no nisy; ny fahamarinana, kanjo, fihiakin'ny fitarainana no solon'izany. 8 Loza ho an'ireo izay mampifandray ny isan-trano, izay mampifandray ny isan-tsaha, ambarapaha-tsy misy efitra tavela, ka ianareo irery no sisa hitoetra eo amin'ny tany! 9 Hoy Yaveh Tompon'ny maro tamiko, trano maro no ho foana, na dia lehibe sady tsara aza, tsy misy mpitoetra. 10 Fa bata iray monja no ho vokatry ny voaloboka folo zemeba, ary efaha iray monja no ho vokatry ny voanjavatra iray homera. 11 Loza ho an'ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy mba hahazo zava-pisotro mahery, ireo izay mijanona amin'ny alina mandra-pahamamon'ny divay azy ireo. 12 Nanasa tamin'ny harpa, lokanga, ny ampongatapaka, ny sodina, ary ny divay izy ireo, kanefa tsy nihevitra ny asan'i Yaveh izy ireo, na koa nihevitra ireo zava-bitan'ny tanany. 13 Koa efa lasan-ko babo nohon'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsaina ny oloko; ho noana ireo mpitarika mendri-kaja azy ireo, ary tsy hisy ho sotroina ireo vahoakany. 14 Koa efa nataon'ny Fiainan-tsy hita ho lehibe ny homany ary nosokafany misanasana ny vavany; ary nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita, ireo sangany, ny vahoaka, ireo mpitariny, ary ireo mpampiseo sy ireo izay faly teo amin'izy ireo. 15 Ny olona ho terena hiankohoka, ary ny olombelona dia hahetry; ny mason'ny avo dia hahidina. 16 Yaveh Tompon'ny maro dia hisandratra amin'ny fitsarany, ary ilay Andriamanitra Ilay Masina haneho ny tenany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinany. 17 Ary ny ondry dia hifahana toy ny eny amin'ny tanim-bilony ihany, ary tao amin'ny korontana, ireo zanak'ondry dia hihinana toy ny vahiny. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany misy hoe: "ary ao amin'ny korontan'ny mpanan-karena, dia hihinan'ahitra ireo zanak'ondry"]. 18 Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy ary izay mitarik'ota toy ny hoe amin'ny tadin-tsarety izany. 19 Loza ho an'ireo izay milaza hoe: "Aoka handondona Andriamanitra, aoka hiasa faingana Izy, mba afahantsika mahita ny fisehon'izany; ary aoka ho tonga ny fikasan'Ilay Masin'Israely, mba hafantarantsika azy ireo." 20 Loza ho an'ireo izay milaza ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; izay manambara ny aizina toy ny mazava, ary mazava toy ny aizina; izay milaza ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy! 21 Loza ho an'ireo izay hendry eo imasony ihany, ary malina amin'ny fahazavan-tsainy ihany! 22 Loza ho an'ireo izay tompon-daka amin'ny fisotroana divay, ary tompony amin'ny fangaroana fisotro mahery; 23 izay manome tsiny ny ratsy fanahy ho amin'ny fanefana, ary manaisotra ny tsy manan-tsiny amin'ireo mariny! 24 Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo, dia ho lo ny fakan'ireo, ary ho voatsoka tahaka ny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda ny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo, ary satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely. 25 Ka noho izany ny fahatezeran'i Yaveh dia nirehitra amin'ireo olony. Efa naninjitra ny tanany manohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy. Hangovitra ireo tendrombohitra, ary ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola hihinjitra ihany ny tanany. 26 Ary hanangana faneva famantarana ho an'ireo firenena lavitra Izy ary hisioka ho an'ireo izay any am-paran'ny tany. Indro, ho avy faingana ary avy hatrany izy ireo. 27 Tsy misy reraka na tafintohina amin'izy ireo; ary tsy misy rendrehana na matory. Na mivaha ny fehin-kibon'izy ireo, na tapaka ny fehin-kapany. 28 Maranitra ny zana-tsipìkany ary mienjana ny tsipìkany rehetra; ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato, ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra. 29 Ny fierony dia ho tahaka ny liona; ary hierona tahaka ny zana-diona izy ireo. Dia hierona sy hisambotra ny haza ireo ary hitaritarika izany, ary tsy hisy hamonjy. 30 Amin'izany andro izany dia hierona hanohitra ny haza tahaka ny fieron'ny ranomasina izy ireo. Raha misy olona mijery ny tany, dia hahita haizina sy fijaliana izy; na dia ho maizin'ny rahona aza ny hazavana.