Toko faha 35

1 Ary Yaveh nijaka tamin'i Mosesy teo amin'ny tany hain'i Moaba teo akekin'ny Jordana tao Jeriko ka nagnano hoe: 2 "Mandidia ny fokon'olon'Israely mba hagnome ny saragne amin'ny jara-tanine hôn'ny Levita. Tokone hagnome an-dreo tanàna mba hitobohane sady tany firôfan'ahitre magnodidigna an'io tanàna areo. 3 Hahajo an'ijay tanàna ijay mba ho fonegnane ireo Levita. Ny firôfan'ahitre die hôn'ny biby fiompine, ny ondry amban'osine, ary ny bibiny abiaby. 4 Ny firôfan'ahitre magnodidigna ny tanàna ijay homenao ny Levita die hivelatre arivo kikiho manomboka eo amin'ny mandan'ny tanàna isaky ny lalagna abiaby. 5 Handrefy roe arivo kikiho eo avelagn'ny tanàna amin'ny ilane atsignanana anao, ary roe arivo kikiho amin'ny ilane atsimo, roe arivo kikiho amin'ny ilane andrefagna, ary roe arivo kikiho amin'ny ilane avaratra. Ho firôfan'ahitre hôn'ny tanànane ijay. Ny tanàna die ho eo agnivone. 6 Ny enina amin'ny tanàna ijay homenao ny Levita die hatokagna ho tanàna felofana. Ôka homenareo ho toerana hahafahan'ny olo ijay namono olo milefa io. Hagnome tanàna roe amby efapolo hafa mandy koa. 7 Ny tanàna ijay nomenao ny Levita die hiisa valo amby efapolo. Ôka homenao an-dreo miaraka amin'ny firôfan'ahitre ijay. 8 Ny foko makadirin'ny fokon'olon'Israely, ny foko ijay managna tany bebe kokoa, die tsy mentsy hagnome tanàna bebe kokoa. Ny foko kitike hagnome tanàna kitike. Ny foko kiraidraike die tsy mentsy hamatsy hôn'ny Levita araka ny fijarana ijay efa niresine aby." 9 Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 10 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha mitsaka eo amin'ny Jordana ho agne amin'ny tany Kanana anareo, 11 die tokone hifidy tanàna hanompo hôtran'ny tanàna felofana hônao, toerana hilefana hôn'ijay namono olo tsy kinahy. 12 Ho felofana hônareo amin'ny mpamaly faty ijay tanàna ijay, mba tsy ho faty mandra-pitsangagne hitsaraina eo alohakan'ny fiaraha-monigna ny vôtory. 13 Tokone hifidy tanàna enina ho tanàna felofana anareo. 14 Tsy mentsy magnome tanàna telo ao an-dafin'i Jordana sy tanàna telo ao amin'ny tany Kanana anareo. Ho tanàna felofana io. 15 Hôn'ny fokon'olon'Israely, hôn'ny vahiny, hôn'ijay monigna aminareo eo, io tanàna enina io die hatokagna ho felofana hôn'ijay abiaby namono olo tsy kinahy milefa. 16 Fa laha nandraha ny lasibany tamin'ny fitôvana vy ilay olo vôtory, ka laha maty ilay lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Tokone hatao maty tokôtre ijy. 17 Laha mandraha ny lasibany amin'ny vato tan-tagnane tegne ijay mety hahafaty ny vôtory, ka laha maty ny lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Hatao maty tokôtre ijy. 18 Laha mandraha ny lasibany tamin'ny fitôvam-pediana hajo ijay hahafaty an'ajy ny vôtory, ka maty ny lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Hivonina tokôtre ijy. 19 Ny mpamaly rà die mety hamono ny mpamono olo.,Laha mifanepaka amin'aje ijy, die hamono an'aje ny mpamaly rà. 20 Laha mandraha ny hafa amin'ny fankahalàna na mitily raha amin'aje ijy, laha mivony mba hitologna handraha an'aje, die ho faty ny lasibany, 21 na laha mandraha an'aje amin'ny fankahalàna amin'ny tagnane ka mahafaty ny lasibatra die hivonina tokôtre ny vôtory ijay nandraha an'aje. Mpamono olo ijy. Ny mpamaly rà die hamono ny mpamono olo laha mifanepake amin'aje ijy. 22 Fa laha mandraha ny lasibatra tampoke ny olo vôtory ka tsy nisy fagnomagnana melohake nohon'ny fankahalàna na mitily raha ijay hahavoa ny lasibatra ka tsy niandriandry nitologna 23 na laha mitily vato ijay mety hahafaty ny lasibatra nefa nefa tsy hitane ny lasibatra, die ho fahavalon'ny lasibatra ny vôtory; tsy nirembe handratra ny vôndraha ijy. Fa hôtran'ijao ny amboarina laha maty ny lasibatra. 24 Amin'ijay toe-draha ijay, die hitsara ny vôtory sy ny mpamaly rà amin'ny fototr'io lalàna io ny fiaraha-monigna. 25 Tsy mentsy mamonjy ny vôtory amin'ny fahefan'ny mpamaly rà ny fiaraha-monigna. Ny fiaraha-monigna die tsy mentsy hagnampody ny vôtory agne amin'ny tanàna felofana ijay nilefane tagne am-bôlohane. Honigna agne ijy mandra-pahafatin'ny mpisorognabe amin'ijay fotôgna, ilay tokagna ijay vôhosotre tamin'ny diloilo masina. 26 Fa laha mivôke amin'ny fotôgna abiaby mihôtre ny faritan'ny tanàna felofana ho agny amin'ijay nilefane ny vôtory, 27 ka laha hitan'ny mpamaly rà agne avelagn'ny faritry ny tanàna felofana, ka laha mamono ny olo vôtory ijy, ny mpamaly rà die tsy ho melohina ho mpamono olo. 28 Ijay die nohon'ny tokone nitobohan'ny olo vôtory teo amin'ny tanàna felofane mandra-pahafatin'ny mpisorogna be. Afaran'ny fahafatesan'ny mpisorogna be, ny vôtory die himpody agne amin'ny tany ijay misy ny fanagnane manokagna. 29 Ijay lalàna ijay die ho lalàna hônareo amin'ny taranaky ny fokon'olo abiaby agne amin'ny toerana abiaby ijay hipitrahanareo. 30 Na ija na ija mamono olo, ny mpamono olo die hivonina, araka ny vômarign'ny jakan'ny vavolombelogna. Fa jakan'ny vavolombelogna raike mandy die tsy afaka ny hahatonga ny olo raike hivonina ho faty. 31 Sady koa, ôka tsy hagneky ny vidim-pagnavotana hôn'ny aignan'ny mpamono olo ijy diso nohon'ny famonoana olo anareo. Tsy mentsy vonina tokôtre ijy. 32 Ôka tsy hagneky ny vidim-pagnavotana hôn'ny olo ijay milefa agne amin'ny tanàna felofana anareo. Ôka tsy hômin'ijay fomba ijay ny hagnavelanao an'aje honigna ao amin'ny fitoerane mandra-pahafatin'ny mpisorogna be. 33 Aja lotoina amin'ijay fomba ijay ny tany ijay onegnanareo, satria ny ràn'ny mpamono olo no mandoto ny tany. Tsy misy fagnavotana hôn'ny tany laha latsake amin'ny tany ny rà, hafa-tsy amin'ny ràn'ijay nandatsaka an'ijay. 34 Ka ôka tsy handoto ny tany ijay onegnanareo anareo satria monigna ao amin'ijay Iaho. Iaho, Yaveh, die monigna eo amin'ny fokon'olon'Israely."'