Toko faha 36

1 Ka ny mpitarika ny fianakavian-drajamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada janak'i Makira(ijay janak'iManase), ijay laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, die avy ka nijaka teo alohakan'i Mosesy sy teo alohakan'ny mpitarika ijay lohan'ny fianakavian-drajamben'ny fokon'olon'Israely. 2 Hoy areo hoe: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hagnome anjara tany hôn'ny fokon'olon'Israely amin'ny filokana. Nididin'i Yaveh anao mba hagnome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay hôn'ny janagne viave. 3 Nefa laha manambady ny lelahy laha tamin'ny fokon'ny fokon'olon'Israely hafa ny janagne viave, die halaina tsy ho anjaran'ny rajambentsena ny anjaran-dreo. Hagnampy ny anjaran'ny foko ijay andihanan-dreo ijay. Amin'ijay, die halaina tsy ho anjara vôtondro ho lovantsena ijay. 4 Amin'ijay, laha avy ny taon-Jobilin'ny fokon'olon'Israely, die hikambatre amin'ny anjaran'ny foko ijay nandihanan-dreo ny anjarane. Ka ijay, ny hangalana ny anjaran-dreo amin'ny anjaran'ny fokon-drajambentsena. 5 Die nagnome beko ny fokon'olon'Israely, tamin'ny vorianin'i Yaveh i Mosesy. Hoy ijy: "Marina ny vorian'ny fokon'ny taranak'i Josefa. 6 Ijay ny andidian'i Yaveh momba ny janaka vavin'i Zelofada. Hoy Ijy: 'Abilay areo hanambady ijay eritreretine fa tsara, nefa hanambady ijay ao amin'ny fokon'iabane mandy areo.' 7 Tsy misy anjaran'ny fokon'olon'Israely hiova hômin'ny foko hafa. Ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely die hitagna ny anjaran'ny fokon-drajambene. 8 Ny viavin'ny fokon'olon'Israely kiraidraike ijay manan-jara ao amin'ny fokone die tsy mentsy manambady olo laha tamin'ny fianakaviam-ben'ny fokon'iabane. Ijay die mba hanagnan'ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely lova laha tamin'ny rajambene. 9 Tsy tokone hisy anjara hifindra tagnana hôn'ny foko hafa. Ny olo abiaby amin'ny fokon'ny fokon'olon'Israely die hitagna ny lovane mandy." 10 Die nagnano araka ijay nandidian'i Yaveh an'i ny janakavavin'i Zelofada. 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ny janakavavin'i Zelofada, die nanambady ny taranak'i Manase. 12 Nanambady tao amin'ny fianakaviamben'ny taranak'i Manase janak'i Josefa areo. Ka ijay, ny nipitrahan'ny lovan-dreo tao amin'ny foko ijay an'ny fianakaviamben'iaban-dreo. 13 Io ny didy sy lalàna ijay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy hôn'ny fokon'olon'Israely teo amin'ny lemak'i Moaba amorogn'i Jordana tao Jeriko.