Toko faha 34

1 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2 "Didio ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha hiditra ny tany Kanana anareo, ny tany ijay hônareo, ny tany Kanana sy ny faritry ny tanine, 3 hivelatre hatagne agn'efitr'i Zina magnaraka ny morogn'i Edoma ny atsimonareo. Ny morogne atsignanana amin'ny morogne atsimo die ho eo amin'ny tsipike ijay mifaragna ao amin'ny fefarana atsimon'ny Ranomasina Sira. 4 Ny fari-taninareo die hihodigna megnatsimon'ny tagnambognan'i Akrabima ka mienga mamakivaky ny efitr'i Zina. Laha tagne, no mienga megnatsimon'i Kadesi-barnea ijay ka mitohy megnagne Hazara-adara ka megnagne Azmona. 5 Laha tagne, ny moron-tany die hivily laha tao Azmona megnagne amin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka magnaraka an'ijay hatagne an-dranomasina. 6 Ny morontsiraka andrefagna no ho moron-tanin'ny Ranomasina Makadiry. Io ny ho fari-tany andrefagnareo. 7 Ny fari-taninareo avaratre hivelatre magnaraka ny tsipika ijay havahanareo hatagne amin'ny Ranomasina Makadiry ka hatagne amin'ny Tagnambogna Hora, 8 sady koa laha tagne amin'ny Tampom-bohitra Hora ka hatagne Lebo-hamata, laha teo die hatagne Zedada. 9 Laha teo ny fari-tany hitohy hatagne Zifrona ka mifaragna ao Hazar-Enana. Ijany ny ho fari-tany avaratrareo. 10 Laha teo mariho ny fari-taninao atsignanana hatagne Hazar-enana atsimo ka hatagne Sefama. 11 Afaran'ijay ny fari-tany atsignanana hijotso laha tagne Sefama ka hatagne Ribla, ao amin'ny faritra atsignanan'i Aina. Ny fari-tany hitohy magnaraka ny faritra atsignanan'ny Ranomasina Kinereta. 12 Laha teo ny fari-tany die hitohy megnatsimo magnaraka ny Ony Jordana ka hatagne amin'ny Ranomasin-tsira. Ijay ny ho taninareo, magnaraka ny morogne magnodidigna abiaby."' 13 Die nandidy ny fokon'olon'Israely i Mosesy ka nagnano hoe: "Itoy ny tany ijay ho ajonareo amin'ny filokana, ijay efa nididin'i Yaveh homena hôn'ny foko sivy sy ny asasaky ny foko. 14 Ny fokon'ny taranak'i Robena, araka ny fanondroam-panagnana hôn'ny fokon-drajan-dreo, ary ny fokon'ny taranak'i Gada, araka ny fanondroam-panagnana hôn'ny fokon-drajan-dreo, ary ny asasa-pokon'i Manase abiaby efa nandray ny tanin-dreo. 15 Io foko roe sy ny asasa-poko efa nandray ny anjara-tany agne an-dafin'ny Jordana megnatsignanana an'i Jeriko, mananjo ny fiposahan'ny masoandro." 16 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 17 "Itoy aby ny agnaran'ny lelahy ijay hijara ny tanin'ny lovanareo: Eleazara mpisorogna sy Josoa janak'i Nona. 18 Ôka anao hifidy mpitarika raike aby isaky ny foko mba hijara ny tany hôn'ny fianakaviamben-dreo. 19 Ito aby ny agnaran'io lelahy io: Laha tamin'ny fokon'i Joda, die Kaleba janak'i Jefone. 20 Laha tamin'ny fokon'i taranak'i Simeona, die Semoela janak'i Amihoda. 21 Laha tamin'ny fokon'i Benjamina, die Elidada janak'i Kislona. 22 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Dana mpitarika raike, die Boky janak'i Jogly. 23 Laha tamin'ny taranak'i Josefa, laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase mpitarika raike, die Haniela janak'i Efoda. 24 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Efraima mpitarika raike, die Kemoela janak'i Siftana. 25 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Zebolona mpitarika raike, die Elifaza janak'i Parnaka. 26 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'Isakara mpitarika raike, die Paltiela janak'i Azana. 27 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Asera mpitarika raike, die Ahihody janak'i Selomy. 28 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Naftaly mpitarika raike, die Pedahela janak'i Amihoda." 29 Yaveh nandidy an'ireo lelahy ireo mba hijaha ny tany Kanana sady hagnome ny isam-pokon'Israely ny anjaran-dreo.