Toko faha 33

1 Ito aby ny toerana nandihanan'ny fokon'olon'Israely tafaran'ny nengan-dreo ny tany Egypta tamin'ny antoko mitam-pedian-dreo teo ambany fitaritan'i Mosesy sy Arona. 2 Nanoratra ny toerana nengan-dreo hatamin'ijay nandihanan-dreo i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh. Ito aby ny dian-dreo, ny toerana nifindrafindran-dreo. 3 Nienga laha tao Ramesesa areo nandritra ny volagna vôlohane, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna vôlohane. Ny maraigna tafaran'ny Paska, die nienga malalaka ny fokon'olon'Israely, teo amason'ny Egyptiana abiaby. 4 Niseho ijay laha mbola nandevogna ny lahimatoan'ijy abiaby, areo ijay nivonin'i Yaveh teo amin-dreo ny Egyptiana. fa Ijy mandy koa die nampibata famejana ny andriamanitran-dreo. 5 Nienga tao Ramesesa ny fokon'olon'Israely ka nitoby tao Sokota. 6 Nienga tao Sokota areo ka nitoby tao Etama, tegne amorogn'ny tany efitra. 7 Nienga tao Etama areo ka nipody tao Pi-Hahirota, ijay agnilan'ny Balazefona, ijay mifananjo amin'i Migdola nitobian-dreo. 8 Avy teo nienga laha tegne agnilan'i Pi Hahirota areo ka nomba tegne agnivon-dranomasina ho agny agn'efitre. Nandeha nandritra ny telo andro tagne agn'efitr'i Etama areo ka nitoby tao Mara. 9 Nienga tao Mara are ka avy tao Elima. Tao Elima die nisy loharano roe ambin'ny folo ary hajo rafia fitopolo. Tagne ny nitobian-dreo. 10 Nienga tao Elima areo ka nitoby tegne akekin'ny Ranomasina Mena. 11 Nienga laha tao amin'ny Ranomasina Mena areo ka nitoby tagne efitr'i Sina. 12 Nienga laha tao amin'ny tany efitr'i Sina areo ka nitoby tao Dopka. 13 Nienga tao Dopka areo ka nitoby tao Alosy. 14 Nienga laha tao Alosy areo ka nitoby tao Refidima, ijay tsy nahitana rano hinomin'ny fokon'olo. 15 Nienga laha tao Refidima areo ka nitoby tao amin'ny tany efitr'i Sinay. 16 Nienga laha tao amin'ny tany efitr'i Sinay areo ka nitoby tao Kibrota Hatava. 17 Nienga laha tao Kibrota Hatava areo ka nitoby tao Hazerota. 18 Nienga laha tao Hazerota areo ka nitoby tao Ritma. 19 Nienga laha tao Ritma areo ka nitoby tao Rimona Pareza. 20 Nienga laha tao Rimona Pareza areo ka nitoby tao Libna. 21 Nienga laha tao Libna areo ka nitoby tao Risa. 22 Nienga laha tao Risa areo ka nitoby tao Kehelata. 23 Nienga laha tao Kehelata areo ka nitoby tao amin'ny Tampom-bohitra Sapera. 24 Nienga laha tao amin'ny Tampom-bohitra Sapera areo ka nitoby tao Harada. 25 Nienga laha tao Harada areo ka nitoby tao Makelota. 26 Nienga laha tao Makelota areo ka nitoby tao Tahata. 27 Nienga laha tao Tahata areo ka nitoby tao Tera. 28 Nienga laha tao Tera areo ka nitoby tao Mitka. 29 Nienga laha tao Mitka areo ka nitoby tao Hasmona. 30 Nienga laha tao Hasmona areo ka nitoby tao Moserota. 31 Nienga laha tao Moserota areo ka nitoby tao Bene Jakana. 32 Nienga laha tao Bene Jakana areo ka nitoby tao Hora Hagidgada. 33 Nienga laha tao Hagidgada areo ka nitoby tao Jotbata. 34 Nienga laha tao Jotbata areo ka nitoby tao Abrona. 35 Nienga laha tao Abrona areo ka nitoby tao Eziona Gebera. 36 Nienga laha tao Eziona Gebera areo ka nitoby tao Kadesy. 37 Nienga laha tao Kadesy areo ka nitoby tao amin'ny Tampom-bohitra Hora, tegne amorogn'ny tanin'i Edoma. 38 Nagnanika tegne amin'ny Tampom-bohitra Hora i Arona mpisorogna araka ny didin'i Yaveh ka maty tagne tamin'ny fahefapolo taogna tafaran'ny niboahan'ny fokon'olon'Israely tao Egypta, tamin'ny fahadimin'ny volagna, tamin'ny andro vôlohan'ny volagna. 39 123 taogna Arona tamin'ijy maty tagne amin'ny tampom-bohitra Hora. 40 Ny Kananita, ny mpanjakan'i Arada, ijay nipetraka tagne amin'ny tany efitra atsimo tao amin'ny tanin'i Kanana, die naharegny ny fevian'ny fokon'olon'Israely. 41 Nienga laha tao amin'ny Tampom-bohitra Hora areo ka nitoby tao Zalmona. 42 Nienga laha tao Zalmona areo ka nitoby tao Ponona. 43 Nienga laha tao Ponona areo ka nitoby tao Obota. 44 Nienga laha tao Obota areo ka nitoby tao Lay Abarima, tegne amin'ny moron-tanin'i Moaba. 45 Nienga laha tao Lay Abarima areo ka nitoby tao Dibon-gada. 46 Nienga laha tao Dibon-gada areo ka nitoby tao Almon-diblataima. 47 Nienga laha tao Almon-diblataima areo ka nitoby tao amin'ny tampom-bohitr'i Abarima, tanjon'i Nebo. 48 Nienga laha tao amin'ny tampom-bohitr'i Abarima areo ka nitoby tao amin'ny tany hain'i Moaba akekin'i Jordana agne Jeriko. 49 Nitoby teo akekin'i Jordana areo, laha tagne Beta Jesimota hatagne Abela Sitima tao amin'ny tany hain'i Moaba. 50 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh tegne amin'ny lemak'i Moaba tegne akekin'i Jordana tao Jeriko ka nagnano hoe: 51 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka voriano amin-dreo hoe: 'Laha mitsaka an'i Jordana ho agne amin'ny tany Kanana anareo, 52 die tsy mentsy roahinareo eo agnatrehanareo ny mponigna abiaby ao amin'ny tany. Tsy mentsy potehinareo ny sarin-draha vôsikotre abiaby an-dreo ka rodagninareo ny fitoerana avone abiaby. 53 Ôka halainareo hônareo ny tany ka mitoboha ao amin'ijay, satria efa nomeko ho fanagnanareo ilay tany. 54 Tsy mentsy lovanareo amin'ny alalan'ny loka ny tany, araka ny foko kiraidraike aby. Hôn'ny foko makadiry die tsy mentsy omena jara makadiry amin'ny tany, ary ny foko kitike die omenareo ny jara kitike amin'ny tany. Na ija na ija hilatsahan'ny anjoanjo amin'ny foko kiraidraike aby, ijay tany ijay die hôn'aje. Handova ny tany araka ny fokon'ny rajambenareo anareo. 55 Fa laha tsy vôrôkanareo eo alohakareo ny mponign'ny tany, die hanjary hôtran'ny fitôvana eo amin'ny masonareo ary fantsy eo amin'ny tahejagnareo ny fokon'olo ijay avelanareo hijanogna. Hagnasarotra ny fiaignanareo eo amin'ny tany ijay hitobohanareo areo. 56 Die hatako aminareo mandy koa ijay eritreretiko hatao amin'io fokon'olo io."'