Toko faha 32

1 Ary ny taranak'i Robena sy Gada die nanagna biby fiompy rahabe. Laha hitan-dreo ny tanin'i Jazera sy Gileada, die toerana mahafinaritre hôn'ny biby fiompy ilay tany. 2 Die avy nivoria tamin'i Mosesy, tamin'i Eleazara mpisorogna, ary tamin'ny mpitarika ny fivondrognana ny taranak'i Gada sy Robena. Hoy areo hoe: 3 "Itoy ny lisitr'ireo toerana ijay efa nihadihadinay: Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, ary Beona. 4 Ito aby ny tany ijay nitafihin'i Yaveh teo alohakan'ny fivondrognan'Israely, ary toerana tsara hôn'ny biby fiompy ireo. Ahay, mpanomponao, die managna biby maro die maro." 5 Hoy areo hoe: "Laha mahita sitraka eo amasonao ahay, die ôka homena anay, mpanomponao, mba ho fanagnana itoy tany itoy. Aja atao miampita amin'i Jordana ahay." 6 Namaly an'ireo taranak'i Gada sy Robena i Mosesy hoe: "Tokone hienga mba hiady ve ny rahalahinareo laha anareo koja magnorim-ponegnana eto? 7 Nagnino no hakiviana tsy hienga agne amin'ny tany ijay nomen'i Yaveh an-dreo ny fon'ireo fokon'olon'Israely? 8 Ny rajambenareo die nagnano hôtran'ijay raha ijay laha nalefako avy tagne Kadesi-barnea mba hisafo ny tany areo. 9 Nagnanika tagne amin'ny Lohasahan'i Eskola areo. Nahita ny tany areo ka avy teo die nagnakivy ny fon'i fokon'olon'Israely mba handajan-dreo tsy hiditra ao amin'ny tany ijay nomen'i Yaveh areo. 10 Nirehitre ny havigniran'i Yaveh tamin'io andro io. Nifanta Ijy ka nagnano hoe: 11 'Ajo antoke fa tsy hisy olo ijay nagnanika laha tagne Egypta, manomboka amin'ny rôpolo taogna loho miakatre, hahita ny tany ijay nifantako tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba, satria tsy nagnaraka an'Ahe tanteraka areo, hafa-tsy 12 Kaleba janaka lahin'i Jefona Kenizita, ary Josoa janaka lahin'i Nona. Kaleba sy Josoa mandy ny tena nagnaraka an'Ahe tanteraka.' 13 Ka nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh. Natane nirenireny nagnodidigna ny tany efitra nandritra ny efapolo taogna ka hatamin'ny naha-rava ny taranaka abiaby ijay nagnano ratsy teo amasone areo. 14 Indro, nisandratra teo amin'ny toeran'ny rajambenareo anareo, manahaka ny olo mpanota rahabe, mba hagnampy ny firehetan'ny havigniran'i Yaveh amin'Israely. 15 Laha mivily amin'ny fagnarahana an'Aje anareo, die hagnavela an'Israely agne amin'ny tany efitra indraike Ijy ka handripaka ny fokon'olone abiaby anareo." 16 Ka nagnantogna takekin'i Mosesy teo areo ka nijaka hoe: "Abilay ahay hambôtre fefy hôn'ny biby fiompinay sy tanàna hôn'ny havanay eto. 17 Na ijany aja, ahay die ho vognona sady hitam-pediana mba hienga miaraka amin'ny tafik'Israely mandra-pametrahanay an-dreo amin'ny toeran-dreo. Fa ny havanay koja die hitoboke agne amin'ny tanàna vôaro mahare noho ny fokon'olo hafa ijay mbola monigna amin'itoy tany itoy. 18 Tsy hipody agne amin'ny fonegnanay ahay mandra-pajahôn'ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely ny lovany aby. 19 Tsy handova ny tany miaraka amin-dreo agne an-dafin'i Jordana ahay, satria ny lovany die eto amin'ny lafy atsignanan'i Jordana." 20 Ka namaly an-dreo i Mosesy hoe: "Laha mambôtre an'ijay jakainareo anareo, laha magnomagna ny tegnanareo hienga eo agnatrehan'i Yaveh mba hiady anareo, 21 ka ny kiraidraike amin'ny lelahinareo mitam-pediana die tsy mentsy mempita an'i Jordana eo agnatrehan'i Yaveh, mandra-pandroahanay ny fahavalony tsy ho eo agnatrehane 22 ary ny tany die resy eo agnatrehane. Laha afaka ijay die afaka mipody anareo. Ho tsy manan-tsigny manolôna an'i Yaveh sy manolôna an'Israely anareo. Itoy tany itoy die ho fanagnanareo eo agnatrehan'i Yaveh. 23 Fa laha tsy magnano an'ijay anareo, indro, hagnota amin'i Yaveh anareo. Fantaro tsara fa hahita anareo ny helokareo. 24 Manangàna tanàna hôn'ny havanareo ary fefy hôn'ny ondrinareo; avy teo die amboary ijay nivorianinareo." 25 Nivoria tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy Robena ka nijaka hoe: "Hagnano araka ijay nandidianao ny mpanomponao, ry tomponay. 26 Ny jaja madinikay, ny sakejanay, ny ondry amban'osinay, ary ny biby fiompinay abiaby die hipetraka ao amin'ny tanànan'i Gileada. 27 Na ijany aja, ahay, mpanomponao, die hiampita eo agnatrehan'i Yaveh mba hiady, ny lelahy abiaby ijay mitam-pediana hômin'ny ady, araka ijay nivorianinao, ry tomponay." 28 Ka nagnome torolalagna momba an-dreo tamin'i Eleazara mpisorogna, tamin'i Josoa janaka lahin'i Nona, ary ny mpitarika ny fokon'ny rajambe tao amin'ny fokon'ny olon'Israely i Mosesy. 29 Hoy i Mosesy tamin-dreo hoe: "Laha mitsaka an'i Jordana miaraka aminareo ny taranak'i Gada sy Robena, ny lelahy abiaby ijay mitam-pediana mba hiady eo agnatrehan'i Yaveh, ka laha resy eo agnatrehanareo ny tany, die homenareo an-dreo ho fanagnana ny tanin'i Gileada. 30 Fa laha tsy mitsaka eo aminareo mitam-pediana areo, die agne amin'ny tanin'i Kanana areo ny hahajo ny fanagnan-dreo eo aminareo." 31 Ka namaly ny taranak'i Gada sy Robena hoe: "Araka ijay nijakain'i Yaveh taminay, mpanomponao, die ijao ny hamboarinay. 32 Hitsaka mitam-pediana eo agnatrehan'i Yaveh agne amin'ny tanin'i Kanana ahay, fa ny lova anjaranay die hijanogna aminay amin'itoy lafin'i Jordana itoy." 33 Ka nomen'i Mosesy an'ny taranak'i Gada sy Robena, ary koa an'ny asasaky ny fokon'i Manase janak'i Josefa ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana. Nomene an-dreo ny tany, ka nijaraine tamin-dreo ny tanànan'ijay abiaby miaraka amin'ny faritanine, die ny tanànan'ny tany magnodidigna io. 34 Ny taranak'i Gada die namerigna nagnorigna an'i Dibona, Atarota, Aroera, 35 Atrota-sofana, Jazera, Jogbeha, 36 Beti-nimra, ary Beti-harana mba ho tanàna vôaro mafy miara amin'ny fefy hôn'ny ondry. 37 Ny taranak'i Robena die namerigna nagnorigna an'i Hesbona, Elale, Kiriataima, 38 Nebo, Bala-meona, Sibma- niova ny agnaran'io tatoy afara. Nomen-dreo agnarana hafa ny tanàna ijay nampodin-dreo naorigna. 39 Ny taranak'i Makira janaka lahin'i Manase die negnagne Gileada ka nagnafaka an'aje tamin'ny Amorita ijay tao amin'ijane. 40 Avy teo die nomen'i Mosesy an'i Makira janaka lahin'i Manase i Gileada, ka nagnorim-ponegnana teo ny fokon'olone. 41 Nienga i Jaira janaka lahin'i Manase ka nambabo ny renivohitr'ijay ka nangaike an-dreo hoe: Havota-jaira. 42 Nienga i Noba ka nambabo an'i Kinata sy ny jana-bohine, ka nangihine hoe: Noba, araka ny agnarany mandy ijay.