Toko faha 31

1 Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2 "Mamboàra valifaty amin'ny Midianita nohon'ny namboarin-dreo tamin'ny Israelita. Laha vita ijay, die ho faty anao ka hangonina eo amin'ny olonao." 3 Ka nivoria tamin'ny fokon'olo i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Fenoy fediana hômin'ny ady ny saragne amin'ny olonareo mba hengan-dreo hanohitra an'ireo Midiana sady hagnatanteraka valifatin'i Yaveh amin'ijay. 4 Ny foko abiaby magneragna an'Israely die tsy mentsy mandefa miaramila ho agne an'ady." 5 Ka tamin'ireo olo agn'arivorivon'Israely, die laha tagne amin'ny foko abiaby hôn'ny ady agn'arivone, roe arivo sy ray aligna ny fikambarane. 6 Avy teo nalefan'i Mosesy an'ady areo, arivo amin'ny foko abiaby, niaraka tamin'i Finehasa janaka lahin'i Eleazara mpisorogna, sy niaraka tamin'ny fanaka saragne laha tao amin'ny fitoerana masina ary ny trompetra an-tagnane egne mba hitsofana ny fanerana. 7 Niady tamin'ny Midiana areo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nivonin-dreo ny olo abiaby. 8 Nivonine ny mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin-dreo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Nivonin-dreo tamin'ny sabatra mandy koa Balama janaka lahin'i Beora. 9 Nalain'ny tafik'Israely ho babo ny viavin'ny Midiana, ny jana-dreo, ny biby fiompin'ijy abiaby, ny ondry amban'osin-dreo, ary ny fanagnan'ijy abiaby. Nalain-dreo ho babo aby io. 10 Nirôn-dreo ny tanànane abiaby ijay nipitrahan-dreo ary ny tobine abiaby. 11 Nalain-dreo aby ny babo sy gadra abiaby, na olo na biby. 12 Nindôsin-dreo tagne amin'i Mosesy, Eleazara mpisorogna, ary tagne amin'ny fianakaviamben'ny olon'israely ny gadra, ny babo, ary ny raha ajo. Nindôsin-dreo tagne amin'ny toby tagne amin'ny tany hain'i Moaba, amorogn'i Jordana marivon'i Jeriko ireo. 13 Nienga nivôke nitsena an-dreo tagne avelagn'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorogna, sy ny mpitarika ny fianakaviambe abiaby. 14 Fa Mosesy vignitra tamin'ny manam-pahefan'ny tafika, mpifehy ny arivo sy ny kapitenin'ny jato, ijay avy laha tagne an'ady. 15 Hoy Mosesy tamin-dreo hoe: "Navelanareo ho velogna ve ny viave abiaby? 16 Indro, natan'ireo viave ireo nagnota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'ny torohevitr'i Balama ny olon'Israely, laha niparitaka teo amin'ny fengonan'i Yaveh ny areti-mandripake. 17 Amin'ijao ary, vonio ny jajalelahy eo amin'ny madinike abiaby, ary vonio ny viave abiaby ijay efa niara-nandry tamin'ny lelahy. 18 Fa indôsy hônareo ny tohovavy abiaby ijay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lelahy mihitsy. 19 Tsy mentsy mitoby avelagn'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro anareo. Anareo abiaby ijay efa namono olo na nikitika olo maty- tsy mentsy magnadio ny tegnanareo anareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito- anareo sy ny gadranareo. 20 Tsy mentsy manasa ny akanjonareo abiaby sy ny raha abiaby vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny raha abiaby vita amin'ny hajo anareo." 21 Eleazara mpisorogna die nivoria tamin'ny miaramila ijay nienga tagne an'ady hoe: "Itoy ny lalàna vôdidy ijay nomen'i Yaveh an'i Mosesy: 22 Ny volamena, volafotsy, varahigna, vy, vifotsy, sy firake, 23 ary ny raha abiaby ijay tsy anderan'ny afo, die tsy mentsy atanareo agnaty afo, ka hadio ijay. Avy teo tsy mentsy diovinareo amin'ny rano fagnadiovana io raha io. Na ino na ino tsy afaka momba amin'ny afo die tsy mentsy diovinareo amin'ijay rano ijay. 24 Amin'ny andro fahafito die tsy mentsy sasanareo ny lambanareo, ka avy eo anareo hadio. Afaran'ijay die ho avy ao amin'ny tobin'Israely anareo." 25 Avy teo Yaveh nivoria tamin'i Mosesy ka nijaka hoe: 26 "Isay ny raha babo abiaby ijay ajo, na olo na biby. Anao, Eleazara mpisorogna, ary ny mpitarika ny fianakaviamben'ny fokon'ny rajambenao 27 die tsy mentsy mijara ny babo ho fijarane roe. Jaray eo amin'ny miaramila ijay nienga an'ady sy ny ambin'ny fianakaviambe abiaby ijay. 28 Avy eo mitakia hetra amin'ny miaramila ijay nienga an'ady mba homena an'Ahe. Ijay hetra ijay die tsy mentsy raike isan-dimanjato, na olo, biby fiompy, boriky, ondry, na osy. 29 Alay amin'ny asasak'io ijay hetra ijay ka omeo an'i Eleazara mpisorogna ijay mba ho fagnatitra homena hôn'Ahe. 30 Ary laha tamin'ny asasaky ny Israely mandy koa, die tsy mentsy mangala raike isan-dimampolo anao- laha tamin'ny olo, biby fiompy, boriky, ary osy. Omeo an'ireo Levita mikarakara ny tabernakeliko io." 31 Ka die natan'i Mosesy sy Eleazara mpisorogna araka ny nandidian'i Yaveh. 32 Ka ny babo ijay sisa tamin'ireo ajon'ireo miaramila die ondry 675.000, 33 ahomby roe arivo sy fito aligna, 34 boriky arivo sy enina aligna, 35 ary viave roe arivo sy telo aligna ijay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lelahy mihitsy. 36 Ny asasagne ijay nitanan'ny miaramila die ondry miisa 337.000. 37 Ny anjaran'i Yaveh die ondry 675. 38 Ny ahomby die enina arivo sy telo aligna ka roe amby fito-polo ny hetran'i Yaveh. 39 30.500 ny isan'ny boriky ka raike amby enim-polo ny anjaran'i Yaveh. 40 Enina arivo sy iray aligna ny olo ka roe amby telopolo ny hetran'i Yaveh. 41 Nalain'i Mosesy ny hetra ijay tokone ho fagnatitra omena hôn'i Yaveh. Nomene an'i Eleazara mpisorogna ijay, araka ny nandidian'i Mosesy. 42 Laha ny amin'ny asasaky ny olon'Israely ijay nalain'i Mosesy laha tamin'ny miaramila ijay nienga tagne an'ady- 43 die ondry 337.500, 44 ahomby enina arivo sy telo aligna, 45 boriky 30.500, 46 ary viave enina arivo sy iray aligna ny an'ny asasaky ny fianakaviambe. 47 Laha tamin'ny asasaky ny olon'Israely, die nangala raike isan-dimampolo i Mosesy, na olo na biby. Nomene ny Levita ijay nikarakara fehijay ny tabernakelin'i Yaveh, araka ny nandidian'i Yaveh an'aje mba hamboarina. 48 Avy teo ny manam-pahefan'ny tafika, ny mpifehy arivo sy ny kapitenin'ny jato, avy tagny amin'i Mosesy. 49 Hoy areo tamin'aje hoe: "Nisain'ny mpanomponao ny miaramila ijay ambanin'ny fifehejanay, ka tsy misy na raike aja tsy ao. 50 Nindôsinay ny fagnatitr'i Yaveh, ijay hitan'ny olo kiraidraike, fanaka, volamena, fehin-tagnana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavigna, ary rojo, mba hamboarana fagnavotana hônay eo alohakan'i Yaveh." 51 Mosesy sy Eleazara die nandray ny volamena sy ny fanaky ny asa tagnana abiaby laha tamin-dreo. 52 Ny volamena abiaby tamin'ny fagnatitra ijay nomen-dreo an'i Yaveh- ny fagnatitra laha tamin'ny mpifehy ny arivo sy laha tamin'ny mpifehy ny jato- die milanja sekely 16.750. 53 Ny miaramila kiraidraike die samby nangala babo, olo kiraidraike hôn'ny tegnane. 54 Mosesy sy Eleazara mpisorogna die nangala volamena laha tamin'ny mpifehy ny arivo sy ny kapitenin'ny jato. Nindôsin-dreo tao amin'ny tragno lay fihôgnana ijay ho fahatserovana ny olon'Israely hôn'i Yaveh.