Toko faha 30

1 Nijaka tamin'ny mpitarika ny fokon'ny fokon'olon'Israely i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Ijao ny nandidian'i Yaveh. 2 Laha misy mivoady amin'i Yaveh, na magnano fifantana hamehy ny tegnane amin'ny fampagnantenana, die ôka ijy tsy hivadika amin'ny jakane. Ôka ijy hitagna ny fampagnantenane hambôtra ijay abiaby navôkan'ny vavane. 3 Laha misy tohovavy mitoboke ao an-dragnon'iabane ka magnano voady amin'i Yaveh ka mamehy ny tegnane amin'ny fampagnantenana, 4 laha maharegny ny voady iabane ka mifanta amin'ijay namihejane ny tegnane, ka laha tsy mijaka na ino na ino ijy mba hamlivadika an'aje, die hanan-kery mandy ny voadine. Ny fampagnantenana abiaby ijay namihejane ny tegnane die hanan-kery hatragne. 5 Fa laha maharegny momba ny voadine sy ny fampagnantenane iabane, ka laha tsy mijaka na ino na ino amin'aje, die ny voady abiaby ijay natane tamin'ny tegnane die hanan-kery hatragne. 6 Kanefa, laha maharegny ny voadine abiaby ijay namboarine sy ny fampagnantenana magnetriketrike natane ijay namihejane ny tegnane iabane, ka laha manapaka an'aje ijy amin'io andro io mandy, die tsy hijanogna hanan-kery ireo. Hamela an'aje Yaveh satria nanapaka an'aje iabane. 7 Laha manambady lelahy raike ijy ka mbola vôfehin'io voady, na magnano fampagnantenana memeke ijay hanirene ny tegnane, die hanan-kery hatragne io fanirena io. 8 Fa laha manakagna an'aje amin'ny andro aharignesane momba an'ijay iabane, die hagnafôgna ny voady ijay namboarine ijy, die ny jaka memeke natan'ny molotrane ijay namihejane ny tegnane. Hagnafaka an'aje Yaveh. 9 Fa ny amin'ny mpitondrategna na viave nisara-bady, ijay abiaby namihejane ny tegnane die hanan-kery amin'aje hatragne. 10 Laha misy viave nambôtre voady tao an-dragnon'ny sakejane na nanery ny tegnane tamin'ny famboarana fifantana, 11 ka regnin'ny sakejane ijay, kanefa tsy mijaka na ino na ino amin'aje ijy ka tsy manohitra an'aje, die ôka hipetra ny voadine abiaby ka ôka hijanogna hanan-kery ny fanirena namboarine. 12 Fa laha foagnan'ny sakejane io amin'ny andro ijay naharignesane momba an'ijay, ijay abiaby navôkan'ny molotrane momba ny voady na fampagnantenana die tsy hanan-kery. Efa nifoagnan'ny sakejane ijay. Hagnafaka an'aje Yaveh. 13 Ny voady abiaby ijay amboarin'ny viave raike ka mamehy an'aje handà ny tegnane die mety hamafisina na hifoagnan'ny sakejane. 14 Fa laha tsy mijaka na ino na ino amin'aje isan'andro ijy, die magnamafy ny voadine abiaby ijy ka mamehy ny fampagnantenana ijay namboarine. Nihamafisine io satria tsy nivoria na ino na ino tamin'aje ijy tamin'ny fotôgna naharignesane momba an'io. 15 Laha mirembe ny hagnafoagnana ny voadin'ny sakejane fotôgna ela tafaran'ny naharignesane momba an'ijay ny lelahy, die ijy ny ho tompon'antoke amin'ny fahotane." 16 Io ny lalàna nandidian'i Yaveh mba hatoron'i Mosesy- lalàna hôn'ijay eo amin'ny lelahy sy ny sakejane eo amin'iabane sy ny janagne viave laha ao agnatin'ny fahatanorane ao an-dragnon'ny havan'iabane ijy.