Toko faha 29

1 "Amin'ny volagna fahafito, amin'ny andro vôlohan'ny volagna, die tsy mentsy hagnano fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh anareo. Tsy hambôtre ny raharaha mahajatre anareo amin'ijay andro ijay. Ho andro fitsofana ny trompetra hônareo ijay. 2 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna hahatonga hagnitra mamerovero hôn'i Yaveh anareo. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy herintaogna fito, samby tsy manan-kilema anareo. 3 Tsy mentsy magnome miaraka amin'ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy, 4 ka ampahafolone hôn'ny janak'ondry kiraidraike amin'ny janak'ondry fito anareo. 5 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnavotana anareo anareo. 6 Amboary ito fagnatitra ito amin'ny volagna fahafito ho fagnampin'ny fagnatitra abiaby ijay hamboarinareo isaky ny vôloham-bolagna: ny fagnatitra orôna vôtokagna sy ny fagnatitra hohanina ny hiaraka amin'ijay. Io die ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra ahidin'ijay. Laha magnano an'ijay fagnatitra ijay anareo, die hankatò ijay vôdidy mba hahatonga hagnitre mamerovero, fagnatitra natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh. 7 Amin'ny andro fahafolon'ny volagna fahafito die tsy mentsy hisy fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh. Tsy mentsy hanetry ny tegnanareo anareo ka tsy hiasa. 8 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna mba hahatonga hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh anareo. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy fito herintaogna anareo. Tokone samby tsy manan-kilema io. 9 Tsy mentsy homenareo miaraka amin'io ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy, 10 ka ampahafolon'ny efaha hôn'ny kiraidraike amin'ny janak'ondry fito. 11 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana anareo. Ho fagnampin'ny fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnavotana, ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay. 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna fahafito die tsy mentsy hisy fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh. Tsy mahajo magnano ny raharaha mahajatre anareo amin'ijay andro ijay, ka tsy mentsy mitandrigna ny fifalifaliana hôn'Aje mandritra ny fito andro. 13 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna anareo, sorogna natao tamin'ny afo hahatonga hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo. Ôka ho samby tsy manan-kilema io. 14 Tsy mentsy omenareo miaraka amin'ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy kiraidraike amin'ny ahombilahy telo ambin'ny folo, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy kiraidraike amin'ny ondrilahy roe, 15 ary ampahafolon'ny efaha hôn'ny kiraidraike amin'ny janak'ondry efatre ambin'ny folo. 16 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 17 Amin'ny andro faharoen'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy efatre ambin'ny folo herintaogna, samby tsy manan-kilema anareo. 18 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, namboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 19 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 20 Amin'ny andro fahatelon'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy roe ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ahomby herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 21 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina sy ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, ary hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 22 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 23 Amin'ny andro fahefatry ny fivoriana, die tsy mentsy hagnome ahombilahy folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 24 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 25 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra aidiny anareo. 26 Amin'ny andro fahadimin'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy sivy, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 27 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 28 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 29 Amin'ny andro faheninan'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy valo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 30 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 31 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 32 Amin'ny andro fahafiton'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy fito, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 33 Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 34 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 35 Amin'ny andro fahavalo die tsy mentsy hagnano fivoriana magnetriketrike hafa anareo. Tsy mahajo magnano ny asa mahajatre anareo amin'ijay andro ijay. 36 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna anareo, fagnatitra natao tamin'ny afo mba hahatonga hagnitre hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy herintaogna fito, samby tsy manan-kilema anareo. 37 Tsy mentsy magnome ny fagnatitra hohanin-dreo sy fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, ary hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy anareo. 38 Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an-dreo, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo. 39 Io ny tsy mentsy haterinao hôn'i Yaveh amin'ny fifalifaliana ijay efa vôfaritre. Ho fagnampin'ny voady sy fagnatitra an-tsitraonao ijay. Tsy mentsy magnome an'ijay ho fagnatitra orôna, fagnatitra hohanina, fagnatitra aidigna, sy fagnati-pihavagnana anareo." 40 Nivorianin'i Mosesy tamin'ny fokon'olon'Israely ny raha abiaby ijay nandidian'i Yaveh an'aje hijakaina.