Toko faha 28

1 Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2 "Bekoy ny fokon'olon'Israely ka voriano areo hoe: 'Tsy mentsy magnome sorogna hôn'Ahe anao amin'ny fotôgna vôtondro, die ny hanina fagnatitro natao tamin'ny afo mba hamokarana hagnitre ankasitrahana hôn'Ahe.' 3 Tsy mentsy jakainao mandy koa areo hoe: "Ijao ny fagnatitra natao tamin'ny afo ijay tsy mentsy omenao hôn'i Yaveh- janak'ondry lahy herintaogna tsy manan-kilema, roe isan'andro, ho fagnatitra orôna mahajatre. 4 Janak'ondry raike ny tsy mentsy omenao amin'ny maraigna, ka janak'ondry raike hafa die tsy mentsy omenao amin'ny hariva. 5 Tsy mentsy magnome koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, mifangaro diloilo vôkapoka raike ampahefatry ny hina ho fagnatitra hohanina anao. 6 Ijay ny fagnatitra orôna mahajatre ijay nididina tao an-tampom-bohitre Sinay mba hamokatre hagnitre mamerovero, fagnatitra raike natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh. 7 Ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay die tsy mentsy raike ampahefatry ny hina ny an'ny janak'ondry raike. Tsy mentsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fagnatitra nomin'ny java-pisotro mahery hôn'i Yaveh. 8 Ny janak'ondry hafa die tsy mentsy omenao miaraka amin'ny fagnatitra hohanina hafa amin'ny hariva hôtran'ny nomenao tamin'ny maraigna. Tsy mentsy magnome fagnatitra nomina miaraka amin'ijay mandy koa anao, fagnatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatre hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh. 9 Amin'ny andro Sabata die tsy mentsy magnome janak'ondrilahy roe anao, samby herintaogna tsy manan-kilema, sy koba tsara toto roe ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina, mifangaro diloilo, sy fagnatitra nomina miaraka amin'ijay. 10 Ijay die hôn'ny fagnatitra orôna isaky ny Sabata, ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra orôna miaraka amin'ijay. 11 Isaky ny fendohan'ny volagna, die tsy mentsy magnome fagnatitra orôna hôn'i Yaveh anao. 12 Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondrilahy herintaogna tsy manan-kilema. Tsy mentsy magnome koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina mifangaro diloilo hôn'ny ondrilahy raike mandy koa anao. Tsy mentsy magnome koba tsara toto 13 mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina isaky ny janak'ondry mandy koa anao. Ijay ny ho fagnatitra orôna, mba hamokatre hagnitre mamerovero, fagnatitra natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh. 14 Tsy mentsy asasaky ny hinan-dovay hôn'ny ahomby raike ny fagnatitra nomin'ny fokon'olo, ampahatelon'ny hina ny an'ny ondrilahy raike, ary raike ampahefatry ny hina ny an'ny janak'ondry raike. Die ijay ny fagnatitra orôna isam-bolagna mandritra ny volagnan'ny taogna. 15 Ondrilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana hôn'i Yaveh ny tsy mentsy omena. Ijay die ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay. 16 Mandritra ny volagna vôlohane, amin'ny fahefatre ambin'ny folon'ny volagna, no avy ny Paskan'i Yaveh. 17 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ijay volagna ijay ny hamboarana ny fety. Mandritra ny fito andro, tsy mentsy mofo tsy misy masirasira ny hohanina. 18 Amin'ny andro vôlohane, die tsy mentsy hisy fengonana masina hagnomejana voninahitra an'i Yaveh. Ôka tsy hambôtra ny asa mahajatre anao amin'ijay andro ijay. 19 Fa koja, tsy mentsy magnome fagnatitra atao amin'ny afo anao, die fagnatitra orôna hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondry herintaogna fito, tsy manan-kilena anao. 20 Miaraka amin'ny ondry, die tsy mentsy magnome fagnatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha anao, ka miaraka amin'ny ondrilahy, roe ampahafolone. 21 Isaky ny raike amin'ny janak'ondry fito, die tsy mentsy magnome koba tsara toto ampahafolon'ny efaha anao, 22 osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana mba hamboarana fagnavotana hôn'ny tegnanareo. 23 Tsy mentsy homenao ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre takina isa-maraigna io. 24 Araka ny vôfaritra eto, tsy mentsy omenao isan'andro io sorogna io, mandritra ny fito andron'ny Paska, die ny fagnatitra hohanina natao tamin'ny afo, hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh. Tsy mentsy omenao ijay ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay. 25 Amin'ny andro fahafito die tsy mentsy miaraka amin'ny fengonana masina mba hagnome voninahitra an'i Yaveh anao, ka ôka tsy hambôtra ny raharaha mahajatre anao amin'ijay andro ijay. 26 Amin'ny andron'ny vôloham-bokatra mandy koa, laha magnome fagnatitra hohanina vaovao hôn'i Yaveh amin'ny Herignandron'ny Fifalifaliana anao, die tsy mentsy miaraka amin'ny fengonana masina mba hagnome voninahitra an'i Yaveh anao, ka tsy mahajo magnano ny asa mahajatre anao amin'ijay andro ijay. 27 Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna mba hajahôna hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh anao. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondrilahy herintaogna fito anao. 28 Magnomeja mandy koa fagnatitra hohanina miaraka amin'io: die koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy kiraidraike ka roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy raike. 29 Magnomeja koba tsara toto mifangaro diloilo hôn'ny janak'ondry fito kiraidraike aby, 30 sy osilahy raike mba hamboarana fagnavotana hôn'ny tegnanareo. 31 Laha magnome an'io biby tsy manan-kilema io anao, miaraka amin'ny fagnatitra nomine, ijay die fagnampin'ny fagnatitra mahajatre sy ny fagnatitra orôna miaraka amin'ijay."