Toko faha 27

1 Die avy tamin'i Mosesy ny janakavavin'i Zelofada janaka lahin'i Hefera janaka lahin'i Gileada janaka lahin'i Makira janaka lahin'i Manase, laha tamin'ny fianakaviam-ben'i Manase janaka lahin'i Josefa. Ito aby ny agnaran'ny janagne viave: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. 2 Nitsangagna teo agnatrehan'i Mosesy, Eleazara mpisorogna, ny mpitarika, ka teo alohakan'ny firaha-monigna abiaby teo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. Hoy areo: 3 "Maty tagne agn'efitre iabanay. Tsy agnisan'ireo ijay niray tetike tao amin'ny antokon'i Kora hanohitra an'i Yaveh ijy. Matin'ny fahotana mandy ijy, ka tsy nanan-janaka lahy. 4 Nagnino ny agnaran'iabanay no nalaina tamin'ny fikambagnan'ny fianakaviam-bene satria tsy nanagn'anaka lahy ijy? Omeo tany eo amin'ny havan'iabanay ahay." 5 Die nindôsin'i Mosesy teo alohakan'i Yaveh ny raharahan-dreo. 6 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 7 "Marina ny vorian'ny janakavavin'i Zelofada. Tokone hagnome tany hôn-dreo tokôtre anao laha tamin'ny lovan'ny havan'iabane, ka tokone ho ajonao antoke fa ny lovan'ny iaban-dreo die tafita amin-dreo tokôtre. 8 Tokone hivoria amin'ny fokon'olon'Israely anao ka jakay hoe: "Laha misy olo maty ka tsy manan-janaka lahy, die tokone hafindranao amin'ny janakavavine ny lovane. 9 Laha tsy manan-janakavavy ijy, die homenareo ny rahalahine ny lovane. 10 Laha tsy managna rahalahy ijy, die homenao ny rahalahin'iabane ny lovane. 11 Laha tsy managna rahalahy iabane, die homenao ny havane akeke eo amin'ny fianakaviambe ny lovane, ka hangala an'ijay hôn'aje ijy. Ho lalàna mafy haorigna amin'ny didy hôn'ny fokon'olon'Israely ijay, araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'ahe. 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Magnanihà egne tampom-bohitra Abarima ka jahay ny tany ijay nomeko ny fokon'olon'Israely. 13 Afaran'ny fahitanao an'ijay, anao, mandy koa, die havory agne amin'ny fokon'olonao, hôtran'i Arona rahalahinao. 14 Hipoitre ijay satria anareo roe die nikomy hanohitra ny didiko tagne agn'efitr'i Sinay. Agne, laha mikoriagna amin'ny vatolampy ny rano, amin'ny havigniranao ny tsy nahavitanao nagnome voninahitra an'Ahe ho masigna teo amason'ny fivondrognana manontolo." Io ny ranon'i Meriban'i Kadesy agne amin'ny efitr'i Sinay. 15 Die nivoria tamin'i Yaveh i Mosesy ka nijaka hoe: 16 "Ôka anao, ry Yaveh, Andriamanitry ny fagnahin'olombelogna abiaby, hanondro olo eo amin'ny fivondrognana, 17 olo ijay hivôka sy hiditra eo amin-dreo sady hitarika an-dreo sy hitondra an-dreo, mba tsy hôtran'ny ondry tsy misy mpiambigna ny fivondrognanao." 18 Yaveh nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Alay Josoa janak'i Nona, lelahy ijay ipetrahan'ny Fagnahiko, apitrahy amin'aje ny tagnanao. 19 Apitraho eo alohakan'i Eleazara mpisorogna sy eo alohakan'ny fivondrognana abiaby ijy, ka mandidia an-dreo eo alohakan'ny mason-dreo mba hitaritana an-dreo. 20 Ôka anao hametraka ny fahefanao saragne amin'aje, mba hankatoavan'ny fiarahamonign'ny Israely abiaby an'aje. 21 Hienga eo alohakan'i Eleazara mpisorogna mba handrembe ny lahatro hôn'aje amin'ny fanapahan-kevitr'i Orima ijy, Hômin'ny didine ny handihanan'ny olo mivôke sy miditra, die ijy sy ny fokon'olon'Israely abiaby miaraka amin'aje, ny fivondrognana manontolo." 22 Die namboarin'i Mosesy ijay nandidian'i Yaveh hamboarine. Nalaine i Josoa ka napetrakane eo alohakan'i Eleazara mpisorogna sy ny fiaraha-monigna manontolo ijy. 23 Nametraka ny tagnane tamin'aje ka nandidy an'aje mba hitarika, araka ijay efa nandidian'i Yaveh hamboarine.