Toko faha 24

1 Ka laha hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh ny hagnampiana an'Israely, die tsy nienga nambôtre sikidy, manahaka ny tamin'ny andro taloha ijy. Fa koja nijaha negnagne amin'ny tany efitra. 2 Nanandratra ny masone ijy ka nahita fa nitoby isaky ny fokony aby ny Israely, ka die avy tamin'aje tao ny Fagnahin'Andriamanitra. 3 Nahavôray an'ijo faminaniana ijao ijy ka nagnano hoe: "Efa hijaka i Balama janaka lahin'i Beora, ny lelahy ijay miridiridy maso. 4 Mijaka sady maharegny ny jakan'Andriamanitra ijy. Mahita fahitana laha tamin'ny Tsitoha ijy, ijay eo alohakane ny handohalihane amin'ny masone mijaha. 5 Endrey ny hakanton'ny lainao, ry jakoba, ny toerana ijay itobohanao, ry Israely! 6 Manahaka ny lohasaha ny fiparitahan'ireo, manahaka ny saha egne amoron'ny renirano, manahaka ny vahogna ijay nambolen'i Yaveh, manahaka ny sedera amoron-drano. 7 Mikoriana laha tao an-tsinin-dreo ny rano, ka ny voa nafafine die tsara tondrake. Ny mpanjakan-dreo die ho ambone noho i Agaga, ka ny fanjakan-dreo die homen-kaja. 8 Andriamanitra ny nitondra an'aje mivôke an'i Egypta, amin'ny tanjaka manahaka ny ahombidia. Hiteligna ny firenena ijay manohitra an-dreo Ijy. Hanorotoro ny tôlagnan-dreo Ijy. Hitifitra an-dreo amin'ny tsipìkane Ijy. 9 Mamitsaka manahaka ny liogna Ijy, manahaka ny liogna vavy. Ija ny sahy hagnelingeligna an'Aje? Ijay mitahy an'aje die vôtahy; ijay manitsike an'aje die vôtsitsike." 10 Nirehitre tamin'i Balama ny havigniran'i Balaka ka namokogna ny tagnane tan-kavignirana ijy. Hoy Balaka tamin'i Balama: "Mangaika anao mba hanitsike ny fahavaloko iaho, fa indro, efa intelo nagnampy an'aj anao. 11 Ka ilôjy iaho amin'ijao ka modia. Nijaka ny hagnome valisoa makadiry anao iaho, kanefa Yaveh efa nangala anao tamin'ny fajahoana valisoa." 12 Ka hoy Balama namaly an'i Balaka hoe: "Nivorianiko tamin'ny mpitondra hafatre ijay nalefanao tatoy amin'ahe fa: 13 'Na die nagnome ny lapane feno volafotsy sy volamena an'ahe aja i Balaka, die tsy afaka hihôtre ny jakan'i Yaveh sy ny raha ratsy na tsara, na ny raha tiako hamboarina iaho. Ijay nivorianin'i Yaveh an'ahe mandy no ajoko vorianina.' Tsy nijakaiko tamin-dreo ve ijay? 14 Ka indro ankehitriny, hipody agne amin'ny fokon'oloko iaho. Kanefa mamelà an'ahe anao hampitandrigna anao ijay hatan'ireo fokon'olo ireo amin'ny fokon'olonao amin'ny andro ho avy." 15 Nanomboka an'ijao faminaniana ijao i Balama. Hoy ijy hoe: "Balama janak'i Beora ny mivoria, ny lelahy ijay mahita. 16 Ijao ny faminanian'ny olo ijay maharegny jak laha tamin'Andriamanitra, ijay managna fahalalana laha tamin'ny Avo indrindra, ijay managna fahitana laha tamin'ny Tsitoha, ijay eo alohakane ny andohalihane amin'ny fahitana. 17 Mahita an'Aje iaho, fa tsy eto Ijy ijao. Mijaha an'Aje iaho, fa tsy marivo eto Ijy. Hisy kintagna hivôka laha tamin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratre laha tamin'Israely. Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba ijy sady hamotoka ny taranak'i Seta abiaby. 18 Ka die hanjary fanagnan'i Israely i Edoma, ary Seira mandy koa die hanjary fanagnan-dreo, ny fahavalon'Israely, ijay ho resin'i Israely amin-kery. 19 Laha tamin'i Jakoba ny hevian'ny mpanjaka ijay hanagna ny fanapahana, ka hamotike ny sisa tsy maty ao amin'ny tanànan-dreo Ijy." 20 Die nijaha an'i Amaleka i Balama ka nanomboka ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Amaleka die efa makadiry indrindra teo amin'ny firenena taloha, kanefa die ho fahapotehana ny ho fefarane." 21 Avy teo die nijaha tagne amin'ny Kenita i Balama ka nanomboka ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Ny toerana ijay itobohanareo die mahere, ka ny akaninareo die ao amin'ny harambato. 22 Na die ijany aja anefa die ho potike i Kaina laha mitondra anao ho babo i Asyria." 23 Ka nanomboka ny faminaniane farane i Balama. Hoy ijy hoe: "Loja! Ija ny ho velogna laha hagnano an'ijay Andriamanitra? 24 Hisy sambo ho avy laha tagne amin'ny sisign'i Kitima; hanafika an'i Asyria sady handresy an'i Ebera areo, kanefa, die ho fahapotehana mandy koa ny hefaran-dreo." 25 Avy teo die nagnanike i Balama ka nienga. Nody tagne an-dragnone ijy, ka nienga mandy koa i Balaka.