Toko faha 25

1 Nitoboke tagne Sitima ny Israely, ka nanomboka nijangajanga tamin'ny viavin'i Moaba ny lelahy, 2 fa ny Moabita nagnasa ny fokon'olo hômin'ny sorogna hôn'ny andriamanitran-dreo. Ka die nihinagna sady nandohalike tamin'ny andriamanitry ny Moabita ny fokon'olo. 3 Nagnatevin-daharana tamin'ny fanompôna an'i Bala Peora ny lelahin'Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh. 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Vonio aby ny mpitariky ny fokon'olo ka ahantògny eo agnatrehako areo mba hampiharihariana an-dreo amin'ny andro, ijay die mba hienga tamin'Israely ny firehitry ny havignirako." 5 Ka die hoy Mosesy tamin'ny mpitariky ny Israely hoe: "Ny kiraidraike aminareo die tsy mentsy hamono ny olo ijay magnatevin-daharana tamin'ny fanompôna an'i Bala Peora." 6 Avy teo die nagnantogna ny raike tamin'ny lelahin'Israely ka nitondra viave Midianita raike tamin'ny havane. Nipoitre tamason'i Mosesy teo sy ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely abiaby ijay, laha mbola nitagny teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana areo. 7 Laha hitan'ny Finehasa janaka lahin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ijay, die nitsangagna laha teo amin'ny fivondrognana ijy ka nandray lefogna tegne an-tagnane. 8 Nagnaraka ny lelahy Israelita tao agnaty tragno lay ijy ka nagnatroboka ny lefogna tamin'ny vatagnan'ijy roe io, na ny lelahy Israelita na ny viave. Ka die nijanogna ny areti-mandripake ijay nalefan'Andriamanitra tamin'ny fokon'olon'Israely. 9 Niisa efatre arivo sy roe aligna ny matin'ny areti-mandripake. 10 Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 11 "I Finehasa janaka lahin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna, efa nangala ny havignirako tamin'ny fokon'olon'Israely satria liagna tamin'ny jotom-poko tamin-dreo ijy. Ka die tsy niteligna ny fokon'olon'Israely tamin'ny fahasahiako Iaho. 12 Noho ijay voriano hoe: "Yaveh mijaka hoe: "Indro, magnome fagnikem-pihavagnana an'i Finehasa Iaho. 13 Hôn'aje sy ny taranakane misolo an'aje, ho fifagnikem-pisorognana tsy manam-pahataperana ijay satria nanagna jotom-po hôn'Ahe, Andriamanitra ijy. Efa nagnonitre hôn'ny fokon'olon'Israely ijy."'" 14 Ny agnaran'ny lelahy Israelita ijay nivonina niaraka tamin'ny viave Midianita die Zimry janak'i Salo, mpitariky ny fianakavian-drajagna tamin'ny Simeonita. 15 Ny agnaran'ny viave Midianita ijay nivonina die Kosby janak'i Zora, ijay loholon'ny foko sy fianakaviana tagne Midiana. 16 Ka die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 17 "Reso manahaka ny fahavalo ny Midianita ka tafiho areo, 18 satria areo nandray anareo hôtran'ny fahavalo tamin'ny vandin-dreo. Nitarika anareo tamin'ny ratsy areo ny momban'i Peora sy ny momban'i Kosby anakavin-dreo, ilay janaky ny mpitarika tagne Midiana, ijay nivonina tamin'ny andron'ny areti-mandripake tamin'ny raharahan'i Peora."