Toko faha 23

1 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Magnamboara alitara fito eto hôn'ahe ka magnomagna ahombilahy fito sy ondry fito." 2 Ka die nagnano ijay nangatahin'i Balama i Balaka. Die nagnome ahomby raike sy ondry raike teo amin'ny alitara abiaby i Balaka sy Balaka. 3 Die hoy Balama tamin'i Balaka hoe: "Mitsangagna eo akekin'ny fagnatitra orôna die hienga iaho. Mety ho avy hihaogna amin'ahe angamba Yaveh. Na ino na ino atorone an'ahe die hivorianiko aminao." Ka die nienga negnagne amin'ny tampo-kavôna tsy nisy hajo ijy. 4 Laha teo amin'ny tampon-kavôna ijy, die nihaogna tamin'aje Andriamanitra, ka hoy Balama tamin'aje: "Efa nambôtre alitara fito iaho, sady efa nagnome ahombilahy raike sy ondry raike laha teo amin'ny kiraidraike." 5 Nametraka hafatre teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka nijaka hoe: "Mipodiàna agne amin'i Balaka ka mivoriana amin'aje." 6 Ka die nipody tagne amin'i Balaka i Balama, ijay nitsangagna teo akekin'ny fagnatitra orôna, ary ny mpitarika an'i Moaba abiaby die niaraka tamin'aje. 7 Die nanomboka nivoria ny faminaniane i Balama ka nijaka hoe: "Efa nitondra an'ahe laha tagne amin'i Arama, mpanjakan'i Moaba laha tagne amin'ny tampom-bohitra atsignanana i Balaka. 'Avia tsitsiho hôn'ahe Jakoba, 'hoy ijy. 'Avia mihantsia an'Israely.' 8 Amin'ny fomba akore ny hanitsihako an'ireo ijay tsy mbola nitsitsihin'Andriamanitra? Amin'ny fomba akore ny hanoherako an'ireo ijay tsy mbola notoherin'Andriamanitra? 9 Laha teo an-tampon'ny vatolampy no ahitako an'Aje; laha tegne amin'ny tagnambogna no hijahako an'Aje. Indro, misy fokon'olo mipetraka rerike ka tsy mieritreritre ny tegnane ho firenena tsotra. 10 Ija ny afaka magnisa ny vovok'i Jakoba na magnisa na die ny ampahefatr'Israely aja? Ôka ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina iaho, ka ôka ny fahataperan'ny aignako ho hôtran'ny an'aje!" 11 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Ino itoy natanao tamin'ahe? Nindôsiko hanitsike ny fahavaloko anao, nefa igne, nampianao areo." 12 Namaly i Balama ka nijaka hoe: "Tsy tokone hitandrigna ny hivoria an'ijay apetrak'i Yaveh eo am-bavako mandy ve iaho?" 13 Ka hoy Balaka tamin'aje: "Mba meraha amin'ahe ho agne an-toeran-kafa ijay hahafahanao mahita an-dreo. Ho hitanao ny marivo indrindra amin'ireo, fa tsy ijy abiaby. Agne ny hanitsihanao an-dreo hôn'ahe." 14 Ka die nindôsine tao amin'ny harenan'i Zofima i Balama, teo an-tampon'ny Tagnambognan'i Pisga, ka nagnorigna alitara fito hafa ijy. Nagnome ahombilahy raike sy ondry raike teo amin'ny alitara kiraidraike ijy. 15 Avy teo die hoy Balama tamin'i Balaka: "Mitsangagna eto akekin'ny fagnatitra orôna eto, laha mbola mihaogna amin'i Yaveh egne ambony egne iaho." 16 Ka die nihaogna tamin'i Balama i Yaveh ka nametraka hafatre teo am-bavane. Hoy Ijy hoe: "Mipodiana agne amin'i Balaka ka alefaso amin'aje ny hafatro." 17 Nipody tamin'aje tagne i Balama, ka io, nitsangagna takekin'ny fagnatitra orôna teo ijy, niaraka tamin'aje ny mpitarik'i Moaba. Die hoy Balaka tamin'aje: "Ino ny nivorianin'i Yaveh?. 18 Natombok'i Balama ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Mitsangàna, ry Balaka, ka maharignesa. Mitenoa an'ahe, anao ry janak'i Zipora. 19 Tsy olo Andriamanitra, ka hoe hivande, na olombelogna, ka hoe hiova hevitra. Efa nampagnantegna raha ka tsy nambôtre an'ijay ve Ijy? Efa nijaka ve Ijy fa hambôtra raha ka tsy nitanterahine ijay? 20 Indro, efa nididina iaho mba hagnampy. Efa nagnome fagnampiana Andriamanitra, ka tsy afaka hamadika an'ijay iaho. 21 Tsy nahita ady sarotre tao amin'i Jakoba na fijaliana tao amin'Israely Ijy. Miaraka amin-dreo Yaveh Andriamanitran-dreo, ka amin-dreo eo ny hiakiaka hôn'ny mpanjakane. 22 Andriamanitra ny nitondra an-dreo laha tagne Egypta tamin'ny hery hôtran'ny ny an'ny ahombidia. 23 Tsy misy mosavy ijay mihatra amin'i Jakoba, ka tsy misy jara-vintagna haagnisy ratsy an'Israely. Fa koja, ôka hivorianina ny amin'i Jakoba sy Israely hoe: "Jahay ijay natan'Andriamanitra!" 24 Io, mitsangagna manahaka ny liom-bavy ny olo, manahaka ny fivoahan'ny liogna ka mandraha. Tsy mandrimandry ijy laha tsy efa mihinagna ny ajone ka minogna ny ràn'ijay nivonine." 25 Die hoy Balaka tamin'i Balama: "Aja manitsike an-dreo na magnampy an-dreo akory." 26 Fa namaly Balama ka nijaka tamin'i Balaka hoe: "Tsy efa nijaka taminao ve iaho fa tsy mentsy mivoria an'ijay abiaby asain'i Yaveh vorianiko?" 27 Ka die namaly an'i Balama i Balaka hoe: "Avia are, hindôsiko agne amin'ny toeran-kafa anao. Angamba mety hahafaly an'Andriamanitra ny hanitsihanao an-dreo hôn'ahe agne." 28 Ka nindôsin'i Balama tegne amin'ny tampon'ny Tagnambogna Peora, ijay mahatsinjo ny tany efitra i Balama. 29 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Magnamboara alitara fito eto ka magnomàgna ahombilahy fito sy ondry fito." 30 Ka die nambôtre araka ijay nivorianin'i Balama i Balaka; nagnome ahombilahy raike sy ondry raike teo amin'ny alitara kiraidraike ijy.