Toko faha 22

1 Nienga mandra-pitobian-dreo tao amin'ny lemak'i Moaba marivon'i Jeriko, tegne agnilan'ny Reniranon'i Jordana mienga eo amin'ny tanàna ny fokon'olon'Israely. 2 Nahita ijay abiaby natan'ny Israely tamin'ny Amorita i Balaka janak'i Zipora. 3 Natahotra mahare ny fokon'olon'Israely i Moaba satria rahabe lôtre areo, ka nangorohoro tamin'ny fokon'olon'Israely i Moaba. 4 Nijaka tamin'ny loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: "Hihinagna ny abiaby ijay magnodidigna antsena manahaka ny ahomby mihinagn'ahitre an-karenana egne ireo rahabe ireo." Ka i Balaka janak'i Zipora ny mpanjakan'i Moaba tamin'ijay fotôgna ijay." 5 Nagnirake raike ho agny amin'i Balama janak'i Beora, tao Petora ijay marivon'i Reniranon'i Eofrata, tao amin'ny tanin'ny firenenane sy fokon'olone ijy. Nangaike an'aje ijy ka nagnano hoe: "Indro, misy firenena laha tagne Egypta avy eto. Manarogna ny tany areo ka marivo an'ahy eto ijao. 6 Ka mevia moa amin'ijao ka tsitsiho hôn'ahe ijay firenena ijay, satria mahery lôtre amin'ahe areo. Angamba mba afaka hanafika an-dreo sady handrôka an-dreo amin'ny tany iaho. Fantatro fa na ija na ija tahinao die ho vôtahy, ary na ija na ija tsitsihinao, die ho vôtsitsike." 7 Die nenga ny loholon'i Moaba sy ny loholon'i Midiana, nitondra ny saragn'ny sikidy. Avy teo amin'i Balama areo ka nijaka tamin'aje ny vorian'i Balaka. 8 Hoy Balama tamin-dreo: "Mitoboha eto niany aligna. Hivoria aminareo ijay jakain'i Yaveh amin'ahe iaho." Die nitoboke tao amin'i Balama io aligna io ny mpitarik'i Moaba. 9 Avy teo amin'i Balama Andriamanitra ka nagnano hoe: "Ijay ny lelahy ijay avy eto aminao io? 10 Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: "Balaka janak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ny nagniraka an-dreo hegnatoy amin'ahe. Hoy ijy: 11 'Indro, ny fokon'olo ijay avy laha tagne Egypta die manarogna ny velaran'ny taniko. Amin'ijao mevia ka tsitsiho areo hôn'ahe. Angamba hahefa hiady amin-dreo sady handrôka an-dreo iaho." 12 Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: "Tsy henga miaraka amin'ny lelahy ireo anao. Tsy hanitsike ny fokon'olon'Israely anao satria efa vôtahy areo." 13 Nitsangagna i Balama ny maraigna ka nijaka tamin'ny mpitarik'i Balaka hoe: "Mipodia agne amin'ny taninareo satria tsy magneky ny hamela an'ahe hiaraka aminareo Yaveh." 14 Die nenga ny mpitarik'i Moaba ka nipody tagne amin'i Balaka. Hoy areo: "Tsy nagneky hiaraka aminay i Balama." 15 Nagniraka mpitarika rahabe ijay be voninahitra kokoa noho ny vondrogna vôlohane indraike i Balaka. 16 Avy tagny amin'i Balama areo ka nagnano tamin'aje hoe: "Ijao no jakain'i Balaka janak'i Zipora: 'Ôka re tsy na ino na ino hanakagna anao tsy hiaraka aminay, 17 satria hagnome tsara lavitra sady hagnome voninahitra makadiry hônao iaho, ka hambôtra ijay abiaby vorianinao hatako. Ka mevia moa ka tsitsiho hôn'ahe ijay fokon'olo ijay."' 18 Namaly Balama ka nagnano tamin'ny lelahin'i Balaka hoe: "Na die hagnome an'ahe ny lapane feno volafotsy sy volamena aja i Balaka, die tsy hihôtre ny jakan'i Yaveh, Andriamanitro, ka handatsake na hampitombo ijay voriane amin'ahe iaho. 19 Ka ankehitriny, mba mandiasa eto mandy koa moa niany aligna, mba hahafantarako ny raha bebe kokoa ijay vorianin'i Yaveh amin'ahe." 20 Avy tamin'i Balama ny aligna Andriamanitra ka nagnano tamin'aje hoe: "Satria avy mba hangaike anao ireo lelahy ireo, die mitsangàna ka meraha amin-dreo. Nefa ijay jakaiko anao hamboarinao mandy no amboary." 21 Nifoha maraigna, nagnisy lasely ny borikine, ka nienga niaraka tamin'ny mpitarik'i Moaba. 22 Nefa satria nienga ijy, die nirehitre ny havigniran'Andriamanitra. Nitoboke teo an-dalagna hôtran'ny mpifahavalo amin'i Balama, ijay nitengigna ny borikine ny anjelin'i Yaveh. Niaraka tamin'aje mandy koa ny mpanompon'i Balama roe. 23 Nahita ny anjelin'i Yaveh nitsangagna teo an-dalagna ny boriky ka nisy sabatre vôtsoaka tegne an-tagnane. Nienga tamin'ny lalagna ny boriky ka negnagne an-karenana. Namioke ny boriky mba hagnapody an'aje amin'ny lalagna i Balama. 24 Die nitsangagna teo amin'ny faritra teroy tamin'ny lalagna agnelagnelagn'ny tanim-bôloboke rahabe ny anjely, ka nisy fefy teo an-dagnine ary nisy fefy hafa teo agnilane. 25 Nahita ny anjelin'i Yaveh indraike ny boriky. Niankigna ny rindrigna ijy ka nagnatery ny hongotr'i Balama tamin'ijay. Nifihin'i Balama indraike ijy. 26 Nagnantogna mandy ny anjelin'i Yaveh ka nitsangagna teo amin'ny toerana teroy hafa ijay tsy misy lalagna iviliana ny andagnine sy ny agnilane. 27 Nahita ny anjelin'i Yaveh ny boriky, ka lavo tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitre ny havigniran'i Balama, ka nifihine tamin'ny fiokane ny boriky. 28 Die namoha ny vavan'ny boriky i Yaveh mba hijaka ijy. Hoy ijy tamin'i Balama: "Ino ny natako anao ka nahatonga anao hamioka an'ahe ijay intelo ijay?" 29 Namaly ny boriky i Balama hoe: "Satria nimôlamôla tamin'ahe anao. Tokone mba hisy sabatre tetoy an-tagnako. Fa laha nisy, die efa matiko anao niany." 30 Hoy ny boriky tamin'i Balama: "Moa ve tsy iaho ny borikinao ijay nitengenanao nandritra ny fiaignanao abiaby mandraka niany? Moa ve efa nanam-pahajarana nagnano raha manahaka an'ijao taminao iaho talohake?" Hoy Balama hoe: "Tsiare." 31 Die nivohan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nitsangagna teo amin'ny lalagna ka misy sabatre vôtsôke tegne an-tagnane ijy. Nagnondrika ny lohane ka nandohalike i Balama. 32 Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'aje: "Nagnino no namioke ny borikinao ijay intelo ijay anao? Igne, avy manahaka ny mpifahavalo aminao Iaho satria ratsy ny raha namboarinao teo alohakako. 33 Nahita an'Ahy ny boriky ka nienga an'ahe ijay intelo ijay. Laha tsy nienga an'Ahe ijy, die efa nivoniko tokôtre anao fa hamelogna an'aje Iaho." 34 Hoy Balama tamin'i anjelin'i Yaveh: "Nagnota iaho. Tsy fantatro fa nitsangagna talohako teo an-dalagna anao. Ka ankehitriny, laha tsy mahafaly anao ijay, die hipody iaho." 35 Nefa hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: "Mandihàna miaraka amin'ny lelahy. Nefa ny voria ijay jakaiko anao mandy no hijakainao." Die niaraka tamin'ny mpitarik'i Balaka i Balama. 36 Laha regnin'i Balaka fa agne i Balama, die nivôke hitsena an'aje tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona ijy, ijay tao amin'ny faritany. 37 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Moa ve tsy nagniraka lelahy mba hangaika anao iaho? Nagnino anao no tsy avy tamin'ahe teto? Moa ve tsy afaka magnome voninahitra anao iaho? 38 Die namaly an'i Balaka i Balama hoe: "Indro, efa avy eto aminao iaho. Moa ve managna fahefana hivoria raha iaho niany? Ito voria ijay apetrak'i Yaveh ao am-bavako mandy no ajoko jakaina." 39 Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ka avy tao Kiriato-hozota areo. 40 Die nagnano sorogna ahomby sy ondry i Balaka ka nagnome hena hôn'i Balama sy ny mpitarika ijay niaraka tamin'aje. 41 Ny maraigna, die nitondra an'i Balama nagnanika tagne amin'ny toerana ambonin'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ny Israelita tao an-tobin-dreo mandy no hitan'i Balama laha tegne.