Toko faha 21

1 Laha regnin'i Kananita mpanjakan'i Arada, ijay nonigna tao Negeva, fa nandeha tagne amin'ny lalagna megnagne Atarima ny Israely, die niady tamin'Israely ijy ka nangala ny saragne tamin-dreo ho babo. 2 Nivoady tamin'i Yaveh ny Israely ka nagnano hoe: "Laha omenao fandresena amin'io fokon'olo io ahay, die hipotehinay tanterake ny tanànan-dreo." 3 Niteno ny feon'Israely i Yaveh ka nagnome an-dreo ny fandresena an'ireo Kananita. Nipotehin-dreo tanteraka areo sy ny tanànane. Nangihina hoe Horma ijay toerana ijay. 4 Nienga laha tao an-tampom-bohitre Hora nomba ny lalagna megnagne amin'ny Ranomasina Mena areo mba hienga hagnodidigna ny tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraka ny fokon'olo tegne an-dàlagna. 5 Nivoria nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny fokon'olo hoe: "Nagnino ahay no nindôsinao nagnanika hivôka an'i Egypta mba ho faty atoy agn'efitre? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ka halanay itoy hanina fadiranovagna itoy." 6 Avy teo i Yaveh nandefa bibilava misy poijina teo amin'ny fokon'olo. Nagnekitre ny olo ny bibilava; rahabe ny olo maty. 7 Nagnantogna an'i Mosesy ny fokon'olo ka nagnano hoe: "Nagnota ahay satria nivoria nanohitra anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hangalane ny bibilava aminay." Ka die nivavaka hôn'ny fokon'olo i Mosesy. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mamboara bibilava ka afihejo amin'ny hajo lava ijay. Ijay abiaby vôkekitre die ho velogna, laha mijaha an'ijay ijy." 9 Ka nambôtra bibilava varahigna Mosesy ka namehy an'ijay tamin'ny hajo lava. Laha magnekitra olo ny bibilava, laha nijaha ny bibilava varahigna ijy, die ho velogna. 10 Avy teo nienga ny fokon'olon'Israely ka nitoby tao Obota. 11 Nienga laha tao ka nitoby tagne Leabarima tagne agn'efitre ijay magnatrike an'i Moaba tanjon'ny atsignanana areo. 12 Nienga laha tao areo ka nitoby tagne amin'ny Lohasahan-drieke Zareda. 13 Nienga tao areo ka nitoby tagne an-dafin'ny Reniranon'i Arnona, ijay agne agn'efitre ijay miitatre avy agne amin'ny fari-tanin'ny Amorita. Reniranon'i Arnona ny fari-tanin'i Moaba, agnelagnelagn'ny Moabita sy ny Amorita. 14 Ijay ny antone hivorianana ao amin'ny horognan-taratasin'ny Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba agne Sofa, ary ny lohasahan-driakan'i Arnona, 15 ny antsan'ny lohasahan-drieke ijay mitarika megnagne amin'ny tanànan'i Ara ka mijotso megnagne amin'ny fari-tanin'i Moaba." 16 Nienga tao areo ka negnagne Bera, ijay misy ny fangalan-drano ijay nijakan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Avorio miaraka ny fokon'olo mba hagnomejako rano an-dreo." 17 Avy teo nihira an'itoy hira itoy ny Israely: "Miboiboiha, ra fangalan-drano. Atôvy an-kira ijay. 18 Ny fangalan-drano ijay nihadin'ny mpitarikantsena, ny fangalan-drano ijay nihadin'ny manan-kajan'ny fokon'olo tamin'ny fiokam-panjakana sy fiokan-dreo." Avy teo die nienga tao agn'efitre areo ka negnagne Matana. 19 Nienga tao Matana areo ka negnagne Nahaliela, ka laha tao Nahaliela negnagne Bamota, 20 ka laha tao Bamota negnagne amin'ny lohasahan-driekan'ny tany Moaba. Eo an-tampon'ny Tagnambogna Pisga ny nahatsinjoana ny tany efitra. 21 Avy teo Israely nandefa mpitondra hafatra tagne amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nagnano hoe: 22 "Abilay ahay hamakivaky eo amin'ny taninao. Tsy hivily agne amin'ny harenana abiaby na ny tanim-bôloboke ahay. Tsy hinogna rano laha teo amin'ny fangalan-dranonao ahay. Homba eo amin'ny lalagn'ny mpanjaka ahay mandra-pitodianay ny fari-taninao." 23 Fa tsy naken'i Sihona mpanjaka homba ny fari-tanin-dreo ny Israelita. Fa koja, namory ny tafikane i Sihona mpanjaka ka nanafika an'Israely tagne agn'efitre. Avy tagny Jahaza ijy, ijay nediane tamin'Israely. 24 Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely sady nangala ny tanin-dreo laha teo Arnona ka hatagne amin'ny renirano Jaboka, hatagne amin'ny tanin'ny fokon'olon'i Amona. Ary mafy ny fari-tanin'ny fokn'olon'i Amona. 25 Nangala ny tanànan'ny Amorita abiaby ny Israely ka nitoboke tao amin'ijy abiaby, isan'ijay Hesboba sy ny jana-bohitrane abiaby. 26 Hesbona ny tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, ijay niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo alohake. Nalain'i Sihona aby ny tanine abiaby hatagne amin'ny fari-tanine ka hatagne amin'ny Reniranon'i Arnona. 27 Ijay ny antone hijakanan'ireo ijay mivoria amin'ny ohabolagna hoe: "Avia atoy Hesbona. Ôka ny tanànan'i Sihona hatsangagna indraike ka hapetraka indraike. 28 Nisy afo nagnoro laha tao Hesbona, lelan'afo laha tao an-tanàn'i Sihona ijay nandevogna an'i Aran'i Moaba, sy ny tampon'ny toerana ambinin'i Arnona. 29 Loja hônao, ry Moaba! Ripake anao, ry olon'i Kemosy. Natane ho mpilefa ny janagne lahy ka gadran'i Sihona mpanjakan'i Amorita ny janagne viave. 30 Fa resinay Sihona. Hesbona die rava hatagne amin'ny lalagna abiaby megnagne Dibona. Resinay areo tegne amin'ny lalagna abiaby megnagne Nofa, ijay megnagne Medeba." 31 Ka nanomboka nonigna teo amin'ny tanin'ny Amorita ny Israely. 32 Avy teo Mosesy nagniraka olo hijaha an'i Jazera. Nalain-dreo ny jana-bohitrane ka niroahin-dreo ijay Amorita tao. 33 Avy teo nivily areo ka nagnanike ho agny amin'ny lalagna megnagne Basana. Nivôke nanohitra an-dreo i Oga mpanjakan'i Basana, ijy sy ny tafikane, mba hiady amin-dreo agne Edrehy. 34 Avy teo Yaveh nivoria tamin'i Mosesy hoe: "Aja matahotre an'aje, satria nomeko fandresena eo amin'ajy, ny tafikane abiaby, ary ny tanine anao. Atôvy amin'aje ijay natanao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, ijay monigna agne Hesbona." 35 Ka nivonin-dreo ijy, ny janagne lahy, ary ny tafikane abiaby, mandra-pahafatin'ny olone abiaby. Avy teo die nalain-dreo ny tanine.