Toko faha 20

1 Ka ny fokon'olon'Israely, ny vondrogna manontolo, die negnagne agn'efitry ny Zina tamin'ny volagna vôlohane; nijanogna tao Kadesy areo. Tagne Miriama no maty sady nalevigna. 2 Tsy nisy rano hôn'ny vondrogna, ka niara-niangogna hanohitra an'i Mosesy sy Arona areo. 3 Nitaraigna tamin'i Mosesy ny fokon'olo. Hoy areo hoe: "Tsara kokoa laha maty manahaka ny Israelita akamanay maty teo agnatrehan'i Yaveh ahay! 4 Nagnino no nindôsinao mba ho faty atoy amin'itoy efitra itoy ny fivondrognan'i Yaveh, die ahay sy ny biby fiompinay? 5 Nagnino anao no nampiakatra anay nivôke laha tagne Egypta nitondra anay amin'itoy toerana mahafadikidiky itoy? Indro, tsy misy voa, aviavy, vôloboke, na apongaben-dagnitre eto, sady tsy misy rano hinomina." 6 Ary nienga teo agnatrehan'ny fivondrognana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana areo ka nandohalike. Ka nipoitre tamin-dreo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh. 7 Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 8 "Alay ny fioke ka avorio ny fivondrognana, anao, sy Arona rahalahinao. Mijakà amin'ny vatolampy eo amason-dreo, ka mandidia mba hiboiboika rano ijay. Hamokatre rano hôn-dreo laha tao amin'ny vatolampy anao, ka tsy mentsy homenao ny fivondrognana sy ny biby fiompine mba hinomine ijay." 9 Niresin'i Mosesy laha teo alohakan'i Yaveh ny fioke, araka ny nandidian'i Yaveh an'aje mba hamboarina. 10 Die nagnavory ny fokon'olo teo alohakan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin-dreo: "Ankehitriny mitenoa, anareo mpikomy. Moa ve tsy mentsy hamoaka rano laha tamin'itoy vatolampy itoy hônareo ahay?" 11 Die nanangagna ny tagnane i Mosesy ka namioke indroe ny vatolampy tamin'ny fiokane, ka rano be ny nivôke. Ninogna ny fivondrognana, sy ny biby fiompine. 12 Ka hoy Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nagnome voninahitra an'Ahe ho masigna teo amason'ny fokon'olon'Israely anareo, die tsy hitondra ny fengonana agne amin'ny tany ijay efa nomeko an-dreo anareo." 13 Itoy toerana itoy die nangehina hoe ranon'i Meriba satria ny fokon'olon'Israely die nifanditra tamin'i Yaveh teo, ka magnatoro ny tegnane tamin-dreo ho masigna Ijy. 14 Nagniraka mpitondra hafatre laha tao Kadesy ho agny amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Ijao ny jakain'Israely rahalahinao: Fantatro ny ady sarotra ijay efa nahajo anay. 15 Fantatro fa nijotso tagne Egypta ny rajagnay ka nipetraka tao Egypta nandritra ny fotôgna ela. Nitondra anay tamin'ny fahasahiana sy ny rajagnay mandy koa ny Egyptiana. 16 Laha nangaike mahare an'i Yaveh ahay, die naharegny ny feonay Ijy ka nandefa anjely ka nitondra anay nivôke laha tao Egypta. Indro, atoy Kadesy ahay, tanàna raike eto amin'ny faritry ny taninao. 17 Mangataka aminao iaho ny mba hamelanao anay homba eo amin'ny taninao. Tsy homba amin'ny harenana na tanim-bôloboke, na hinogna ny rano ao amin'ny lava-drano ahay. Handeha egne amin'ny lalàmben'ny mpanjaka ahay. Tsy hivily henkavanana na henkavia ahay mnadra-pevianay egne amin'ny moron-taninao." 18 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly an'ajy hoe: "Tsy mahajo momba eto anareo. Laha momba anareo, die ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo iaho." 19 Ka ny fokon'olon'Israely nagnano tamin'aje hoe: "Hamakivaky ny lalàm-be ahay. Laha minogna ny ranonao ahay na ny biby fiompinay, die honeranay ijay. Abilay fotsine ahay mba handeha hongotre, fa tsy hambôtra raha hafa." 20 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahajo momba anareo." Ka avy nandraha an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tagna-maherin'ny miaramila rahabe. 21 Tsy nagneky ny hamela ny Israely hempita teo amin'ny moron-tanin-dreo ny mpanjakan'i Edoma. Noho ijay, die nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely. 22 Ka nienga tao Kadesy ny fokon'olo. Ny fokon'olon'Israely, ny fivondrognana manontolo, negnagne an-tampom-bohitre Hora. 23 Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tampom-bohitre Hora i Yaveh, eo amin'ny morontanin'i Edoma. Hoy Ijy: 24 Tsy mentsy hamperahina amin'ny fokon'olone i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany ijay efa nomeko ny fokon'olon'Israely ijy. Ijay die satria samby nikomy nanohitra ny jakako tao amin'ny ranon'i Meriba anareo. 25 Alay i Arona sy Eleazara janagne lahy, ka indôsy magnanika agne an-tampom-bohitre Hora areo. 26 Alay tamin'i Arona ny akanjo fisorognana ka ampanôvy an'i Eleazara janagne. Tsy mentsy ho faty Arona ka hamperahina amin'ny fokon'olone agne." 27 Nagnano araka ijay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Nagnanike tagne an-tampom-bohitre Hora teo amason'ny fivondrognana abiaby areo. 28 Nalain'i Mosesy ny akanjo fisorognan'i Arona ka nampanôvine an'i Eleazara janagne io. Maty teo an-tampon-tendrombohitre i Arona. Ka nijotso i Mosesy sy Eleazara. 29 Laha hitan'ny vondrona abiaby fa maty i Arona, die nisaogna an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.