Toko faha 19

1 Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2 "ijao no lalàna, lalàna ijay andidiako anareo: Voriano ny fokon'olon'Israely fa tokone hitondra ahomby vavy kely mena tsy manan-kilema eo aminareo areo, ary ijay mbola tsy nasiana zioga. 3 Omeo an'i Eleazara mpisorogna ny ahomby vavy kely. Hitondra an'ijay agne avelagn'ny toby ijy, ka hisy olo hamono an'ijay eo alohakane. 4 Eleazara mpisorogna die hangala kitike amin'ny ràn'ijay amin'ny tagnane ka hamafy an'ijay impito eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana. 5 Ny mpisorogna hafa die hagnoro ny ahomby vavy kely eo amasone. Hagnoro ny hodine, ny nofone, ary ny ràne miaraka amin'ny taine ijy. 6 Ôka ny mpisorogna hangala hajo sedera, hysopa, sy volon'ondry mena, ka hagnatily an'ijay eo agnivon'ny ahomby vavy kely mirehitre. 7 Avy teo die tsy mentsy manasa ny akanjone sady mandro amin'ny rano ijy. Sady mba ho afaka hegneo an-toby, ijay hitobohane maloto mandra-pahaligna ny andro ijy. 8 Ijay nagnoro ny ahomby vavy kely die hanasa ny akanjone amin'ny rano ka hoandro amin'ny rano. Hitoboke maloto mandra-pahaligna ny andro ijy. 9 Ny ijay madio die hagnavory ny lakevognan'ny ahomby vavy kely ka hametraka an'ijay eo amin'ny toerana madio avelagn'ny toby. Io lakevogna io die hampirimina hôn'ny fiaraha-monignan'ny fokon'olon'Israely. Hagnafangaro ny lakevogna amin'ny rano fagnadiovana amin'ny fahotana areo, satria ny lakevogna die laha tamin'ny fagnatitra noho ny ota. 10 Ijay nagnavory ny lakevognan'ny ahomby vavy kely die hanasa ny akanjone. Hitoboke maloto mandra-pahaligna Ijy. Ijay die ho lalàna maharitra hôn'ny fokon'olon'Israely ary hôn'ny vahiny ijay mipetraka miaraka amin-dreo. 11 Na ija na ija mikasika fatin'olo die haloto mandritra ny fito andro. 12 Ijay olo ijay die tsy mentsy magnadio ny tegnane amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito. Die hadio ijy. Fa laha tsy magnadio ny tegnane amin'ny andro fahatelo ijy, die tsy hadio ijy amin'ny andro fahafito. 13 Na ija na ija mikasika fatin'olo, ny vatagn'olo ijay efa maty, ka tsy madio ny tegnane- ijay olo ijay die mandoto ny tabernakelin'i Yaveh. Ijay olo ijay die hifongorina eo amin'Israely satria tsy nafafy tamin'aje ny rano hôn'ny fahalotoana. Hitoboke maloto ijy; ny fahalotoane die hipetraka amin'aje. 14 Ijao ny lalàna laha misy olo maty ao an-day. Ijay abiaby megnao amin'ny lay sy ijay abiaby efa tao amin'ny lay die haloto mandritra ny fito andro. 15 Ny fipitrahan-draha mivoha abiaby tsy misy fognone die haloto. 16 Hôtran'ijay koa, na ija na ija agne avelagn'ny lay ka mikasika olo ijay matin-tsabatra, na fatin'olo hafa, na tôlagn'olo, na kobory- ijay olo ijay die haloto mandritra ny fito andro. 17 Atôvy hôn'ny olo maloto ijao: "Mangalà lakevogna laha tamin'ny fagnatitra orôna nohon'ny ota ka afangaroy ao agnaty siny miaraka amin'ny rano ireo. 18 Ny olo ijay madio die hangala hysopa, handatsaka an'ijay agnaty rano, ka hamafy an'ijay eo amin'ny lay, eo amin'ny fipitrahan-draha abiaby ao agnatin'ny lay, amin'ny olo ijay eo, ary amin'ijay abiaby nikasika ny tôlagna, ijay vôvono, ijay maty, na ny kobory. 19 Amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ny olo madio die hamafy an'ijay amin'ny olo maloto. Amin'ny andro fahafito ny olo maloto die hagnadio ny tegnane. Hanasa ny akanjone sady hoandro amin'ny rano ijy. Hadio ijy amin'ny hariva. 20 Fa ijay abiaby mitoboke maloto, ijay mandà tsy hagnadio ny tegnane- ijay olo ijay die hifongorina eo amin'ny fiaraha-monigna, nohon'ny fandotoane ny fitoerana masin'i Yaveh. Tsy nafafy tamin'aje ny rano hôn'ny fahalotoana; hipetraka maloto ijy. 21 Ho lalàna mitohy mahakasika ireo toe-draha ireo ijay. Ijay mamafy ny ranon'ny fahalotoana die hanasa ny akanjone. Ijay mikasika ny ranon'ny fahalotoana die haloto mandra-pahaligna. 22 Na ino na ino kasihin'olo maloto die haloto ijay. Ny olo ijay mikasika an'ijay die haloto mandra-pahaligna."