Toko faha 18

1 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Anao, ny janakao, ary ny fokon-drajagnao die ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana abiaby vita tamin'ny fitoerana masina. Fa anao sy ny janakao rerike mandy no ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana abiaby namboarin'olo tao amin'ny fisorognana. 2 Hôtran'ny ny amin'ny mpiara-mikambagna aminao amin'ny fokon'i Levy, ny fokon-drajagnao, die tokone hindôsinao miaraka aminao areo mba hahajoan-dreo magnarivo anao sady magnampy anao laha manompo eo alohakan'ny lain'ny lalàn'ny fagnikena anao sy ny janakao. 3 Tokone hanompo anao sy ny lay manontolo areo. Kanefa, ôka areo tsy hagnarivo ny raha ao amin'ny fitoerana masina na mifandray amin'ny alitara, fa ho faty anao die areo koa. 4 Tokone hagnantogna anao areo ka hikarakara ny tragno lay fihôgnana, hôn'ny asa abiaby mifandray amin'ny lay. Tokone tsy hagnarivo anao ny vahiny. 5 Ôka anao handray andraikitra hôn'ny fitoerana masina ary hôn'ny alitara mba tsy hevian'ny havignirako eo amin'ny janak'Israely indraike. 6 Indro, Iaho mihitsy no nisafidy ny Levita mpiara-mikambagna aminao laha tamin'ny taranak'Israely. Fagnomejana hônao areo, efa nomena an'Ahy mba hambôtra ny asa mifandraika amin'ny tragno lay fihôgnana. 7 Kanefa anao sy ny janakao ny mety hambôtra ny fisorognana mikasika ny raha abiaby mifandray amin'ny alitara sy ny raha abiaby agnatin'ny lamba. Anareo mandy no tokone hameno an'io andraikitra io. Homeko anao ho fagnomejana ny fisorognana. Ijay vahiny magnarivorivo die tokone hivonina." 8 Die hoy Yaveh tamin'i Arona: "Igne, efa nomeko anao ny adidy fikarakarana ny fagnatitra asandratra amin'Ahe, sy ny fagnatitra masina ijay omen'ny janak'Israely an'Ahe. Efa nomeko anao sy ny janakao ho anjaranao io fagnatitra io. 9 Ito ny tena raha masina, vôaro amin'ny afo: laha tamin'ny fagnatitran-dreo abiaby- ny fagnatitra hohanina abiaby, ny fagnatitra nohon'ny ota abiaby, ary ny fagnatitra nohon'ny heloka abiaby- tena masigna hônao sy ny hôn'ny janakao ireo. 10 Tena masigna tokôtre io fagnatitra io; tokone hihinagna an'ijay ny lelahy abiaby, fa masina hônareo io. 11 Ito aby ny fagnatitra ijay hônao: ny fagnomejan-dreo, ny fagnatitra araviravin'ny janak'Israely abiaby. Efa nomeko anao areo, ny janakao lahy, sy ny janakao viave, ho anjaranao. Ny abiaby ijay madio fombafomba ao amin'ny ankohonanao die mahajo mihinagna amin'io fagnatitra io. 12 Ny tsara indrindra amin'ny menake, ny tsara indrindra amin'ny dovay vaovao sy ny vary, ny vôloham-bokatre ijay omen'ny olo an'Ahe- ny raha abiaby die efa nomeko anao. 13 Ny vokatr'ijay abiaby ijay antitre vôlohane ijay eo amin'ny tanin-dreo, die ijay indôsin-dreo amin'Ahe atoy, die ho lefinao. Ijay abiaby madio ao amin'ny ankohonanao die mahajo mihinagna amin'ireo raha ireo. 14 Ny raha abiaby vôtokagna ao Israely die ho lefinao aby. 15 Ny raha abiaby ijay manokatra ny troke, ny vôlohan-teraka abiaby ijay omen'olo an'i Yaveh, ny olo sy ny biby mikambagna, die ho lefinao aby. Na ijany aja, ôka ny olo hividy ny janaka lahy vôlohan-teraka abiaby indraike, ka ôka areo hividy indraike ny lahy vôlohan-terakin'ny biby maloto. 16 Ireo ijay vôvidin'ny olo indraike die ôka hamerigna hividy afaran'ny faha ray volagna. Avy teo die afaka mividy an'ajy ireo indraike ny olo, amin'ny vidiny sekely dimy, araka ny karajan-danjan'ny sekely fitoerana masina, ijay mitovy amin'ny zeraha rôpolo. 17 Fa ny vôlohan-teraky ny ahomby vavy, na ny vôlohan-teraky ny ondry, na vôlohan-teraky ny osy- ôka tsy hapodinareo vidina ireo biby ireo; fa vôtokagna hôn'Ahe ireo. Tokone hamafy ny ràn'ireo eo amin'ny alitara anao ka hagnoro ny saboran-dreo ho fagnatitra natao tamin'ny afo, hagnitre ankasitrahan'i Yaveh. 18 Ny henan-dreo die hônao. Hôtran'ny tratra sy ny fe havanana nasandratra, die hônao ny henan-dreo. 19 Ny fagnatitra masina abiaby ijay omen'olo amin'i Yaveh, die efa nomeko anao, sy ny janakao lahy ary ny janakao viave miaraka aminao, ho jara mitohitohy. Fagnikena maharitra mandrakijay amin'ny sira ijay, fagnikena mamehe mandrakijay, eo agnatrehan'i Yaveh hônao sy ny taranakao miaraka aminao." 20 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Tsy hanagna lova ao amin'ny tanin'ny fokon'olo anao, na hanagn'anjara amin'ny fanagnana eo amin'ny fokon'olo. Iaho ny anjaranao sy lovanao eo amin'ny fokon'olon'Israely. 21 Hôn'ny taranak'i Levy, igne, efa nagnome ny ampahafolon-karena abiaby ao Israely ho lovan-dreo ho valin'ny asa ijay omen-dreo amin'ny fiasanao amin'ny tragno lay fihôgnana Iaho. 22 Manomboka ijao die ôka ny fokon'olon'Israely tsy ho avy hagnarivo ny tragno lay fihôgnana, fa ho tompon'andraikitra amin'ijay fahotana ijay areo ka ho faty. 23 Ôka ny Levita hambôtra ny asa mifandraika amin'ny tragno lay fihôgnana. Ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana magnodidigna an'ijay areo. Ho lalàna maharitra magneragna ny taranaky ny fokon'olonao ijay. Tokone tsy handova eo amin'ny janak'Israely areo. 24 Satria ny ampahafolon-karen'ny fokon'olon'Israely, ijay nomen-dreo ho fandresana anjara amin'Ahe atoy- io ny efa nomeko an'ireo Levita ho lovan-dreo. Ijay ny nivorianako tamin-dreo hoe: "Ôka tsy hanagna lova eo amin'ny janak'Israely areo." 25 Yaveh nivoria tamin'i Mosesy ka nagnano hoe: 26 "Ôka anao hivoria amin'ny Levita ka hijaka amin-dreo hoe: 'Laha mandray ny ampahafolo ijay laha tamin'ny janak'Israely ijay efa nomeko anao laha tamin-dreo ho lovanao anao, die hagnatoro fandresana anjara avy amin'ijay hôn'i Yaveh, ampahafolone amin'ny fahafolo-karena. 27 Ny fandresanao anjara die tokone hiresinao hôtran'ny hoe ampahafolon'ny voa laha tamin'ny fikororohana na ny famokarana laha tamin'ny famiajan-bôloboke ijay. 28 Ka ôka mandy koa anao hambôtra fandresana anjara amin'i Yaveh laha tamin'ny ampahafolon-karena ijay resinao laha tamin'ny fokon'olon'Israely. Fa laha tamin-dreo ny tsy mentsy hagnomejanao ny anjarane hôn'i Arona mpisorogna. 29 Ankôtran'ny fagnomejana abiaby resinao, tokone hambôtre fandresana anjara amin'i Yaveh anao. Tokone hambôtre an'ijay anao laha tamin'ny raha tsara sady masina indrindra abiaby ijay efa nomena anao.' 30 Noho ijay die ôka anao hivoria amin-dreo hoe: "Laha magnome ny tsara indrindra amin'ijay anareo, die tokone hisaina hôn'ny Levita ho hôtran'ny vokatra laha tamin'ny fikororohana sy ny famiajam-bôloboke ijay. 31 Die mahajo mihinagna ny ambin'ny fagnomejanareo amin'ny toerana abiaby anareo, anareo sy ny ankohonanareo, satria ijay ny karamanareo ho valin'ny asanareo tao amin'ny tragno lay fihôgnana. 32 Tsy ho diso amin'ijay heloka tamin'ny fihinanana sy finomana an'ijay anareo, laha tsy efa nagnatoro tamin'i Yaveh ny tsara indrindra laha tamin'ijay efa niresinareo. Fa ôka anareo tsy haniratsira ny fagnatitra masin'ny fokon'olon'Israely, laha tsy ijay die ho faty anareo."'