Toko faha 15

1 Ka nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha menga agne amin'ny tany ijay hipitrahanareo anareo, die ijay homen'i Yaveh anareo, 3 die hagnonagna fagnatitra amin'ny afo hôn'i Yaveh anareo, na fagnatitra orôna na sorogna mba hagnatanterahana voady na fagnatitra an-tsitra-po, na fagnatitra amin'ny fagnasanareo, mba hamokatre hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh, laha tamin'ny ahomby na ondry. 4 Ôka hagnome sorogna orôna hôn'i Yaveh anareo sady koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarinina tsara toto vôharoharo amin'ny menake ampahefatry ny hina ho fagnatitra hohanina. 5 Ôka hagnome dovay ampahefatry ny hina ho fagnatitra nomina hôn'ny janak'ondry kiraidraike mandy koa anareo, miaraka amin'ny fagnatitra orôna, na hôn'ny sorogna. 6 Laha magnome ondry lahy anareo, die ôka hagnomagna lafarinina tsara toto roe ampahafolon'ny efaha vôharo amin'ny menake ampahatelon'ny hina anareo ho fagnatitra hohanina. 7 Ny amin'ny fagnatitra nomina, ôka hagnome dovay ampahatelon'ny hina anareo. Hamokatra hagnitre magni-pofogna hôn'i Yaveh ijay. 8 Laha magnomagna ahomby ho fagnatitra orôna anareo na ho sorogna hagnatanterahana voady, na ho fagnati-piombognana amin'i Yaveh, 9 die ôka hagnome lafarinina tsara toto ampahatelon'ny efaha vôharo amin'ny menake asasaky ny hina miaraka amin'ny ahomby anareo ho fagnatitra hohanina. 10 Ôka hagnome dovay asasaky ny hina anareo ho fagnatitra nomina, hôtran'ny fagnatitra vita amin'ny mofo, mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh. 11 Ôka ho vita hôn'ny ahomby kiraidraike ijay fomba ijay, hôn'ny ondry lahy kiraidraike, ary hôn'ny janak'ondry lahy kiraidraike na koa osy tanora. 12 Ny sorogna kiraidraike ijay omagninareo sady omenareo die ôka ho vita manahaka ny vôfaritra eto. 13 Ny tera-tany Israelita abiaby die ôka hambôtra an'ireo raha ireo amin'io fomba io, laha misy olo mitondra sorogna vita amin'ny afo, mba hamokatre hagnitre ijay ankasitrahan'i Yaveh. 14 Laha misy vahiny mitoboke miaraka aminareo, na koa ijay abiaby mety honigna eo aminareo, die ôka hagnano fagnatitra vita amin'ny afo ijy, mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh. 15 Ôka hambôtra manahaka ny famboarinareo ijy. Ôka ho lalàna mitovy hôn'ny fiaraha-monigna sy hôn'ny vahiny ijay mipetraka miaraka aminareo ijay, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo. Hôtranareo, no ôka hitobohan'ny mpandeha mandy koa eo aminareo. Ôka hambôtra manahaka ny famboarinareo eo agnatrehan'i Yaveh ijy. 16 Ôka ho didy mitovy ny ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny ijay mitoboke miaraka aminareo." 17 Mbola nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 18 "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha avy eo amin'ny tany ijay hangalako anareo anareo, 19 laha mihinagna ny hanina vokatra eo amin'ny tany anareo, die ôka hagnome fagnatitra sady hagnatoro an'ijay amin'Ahe anareo. 20 Laha tamin'ny vôlohan-kobanareo ny tsy mentsy agnateranareo mofo mba hampekarina an'ijay ho fagnatitra asandratra amin'ny fikororohana. Ôka hanandratra an'ijay ambone amin'ijay fomba ijay anareo. 21 Ôka hagnome fagnatitra asandratra hôn'Ahe anareo mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo laha tamin'ny vôlohan-kobanareo. 22 Hagnota tsy kinahy anareo indraindraike, laha tsy mankatò ireo didy abiaby ijay efa nivorianiko tamin'i Mosesy ireo anareo- 23 ny raha abiaby efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatamin'ny andro nanombohako nagnomejana didy ka mitohy mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo. 24 Amin'ny trangan'ny fahotana tsy kinahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monigna, die ôka hagnome vatotr'ahombilahy raike ny fiaraha-monigna manontolo ho fagnatitra orôna mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh. Miaraka amin'ijay die ho vita ny fagnatitra hohanina sy fagnatitra nomina, hôtran'ny nandidiana tamin'ny didy, ary osilahy raike ho fagnatitra noho ny ota. 25 Ôka hagnano fagnavotana hôn'ny fiaraha-monign'ny fokon'olon'Israely abiaby ny mpisorogna. Ho vôvela heloka areo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorognane areo, ny fagnatitra vita tamin'ny afo hôn'Ahe. Efa nitondra ny fagnatitra noho ny otane teo alohakako areo hôn'ny fahadisoan-dreo. 26 Die ho vôvela heloka aby ny fiarahamonign'ny fokon'olon'Israely, sy ny vahiny mitoboke miaraka amin-dreo mandy koa, satria nahefa heloka tsy kinahy aby ny fokon'olo abiaby. 27 Laha magnota tsy kinahy ny olo raike, tokone hagnome osy vavy herintaogna ho fagnatitra noho ny ota ijy. 28 Tokone hambôtre fagnavotana eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna hôn'ny olo ijay nagnota tsy kinahy. Ho vôvela heloka ijay olo ijay laha vita ny fagnavotana. 29 Tokone hanagna lalàna mitovy anareo hôn'ijay magnano raha tsy kinahy, lalàna mitovy hôn'ijay tera-tany eo amin'ny fokon'olon'Israely sy ny vahiny ijay mitoboke amin-dreo eo. 30 Fa ny olo ijay magnano raha amin'ny fihantsiana, na jana-tany na vahiny, die mijaka ratsy an'Ahe. Tokone hifongorina eo amin'ny fokon'olone ijay olo ijay. 31 Satria efa nagnano tsisy dikane ny jakako ijy sady nandika ny didiko, Die tokone hifongorina tanteraka ijay olo ijay. Hômin'aje anie ny fahotane."' 32 Laha mbola tagne an-tany efitra ny fokon'olon'Israely, die nahita lelahy nambely hitay tamin'ny andro sabata areo. 33 Areo ijay nahita an'aje die nitondra an'aje tagne amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monigna abiaby. 34 Nitanan-dreo am-mpigadrana ijy satria mbola tsy vôvoria ijay tokone natao tamin'aje. 35 Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Tokone hivonina tokôtre ilay lelahy. Ôka ny fiaraha-monigna abiaby hitily vato an'aje avelagn'ny toby." 36 Ka nitondra an'aje avelagn'ny toby ny fiaraha-monigna abiaby ka nitily vato an'aje ho fat faty ara araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 37 Mbola nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 38 "Mivoriana amin'ny taranak'Israely ka mandidia an-dreo mba hambôtra somotr'aviavy hôn'ny tegnan-dreo hiraviravy laha teo amin'ny morogn'akanjon-dreo, mba hampiraviravy an'reo isaky ny morogne amin'ny tady mangamanga. Tokone hambôtre an'ijay areo mandritra ny taranaky ny fokon'olone. 39 Ho fampatsehivana manokagna hônareo ny didiko abiaby ijay, mba hagnatanteraka an'ajy ireo ka tsy hijahanareo manokagna ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tegna amin-dreo. 40 Amboary ijay mba hahatadidianareo sady hankatoavanareo ny didiko abiaby, ary mba ho masina anareo, natokagna hôn'Ahe, Andriamanitrareo. 41 Iaho no Yaveh Andriamanitrareo, ijay nitondra anareo nivôka ny tany Egypta, mba hanjary Andriamanitrareo. Iaho no Yaveh Andriamanitrareo."