Toko faha 14

1 Tamin'ijay aligna ijay die nitagny mahare ny fengonana abiaby. 2 Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny fokon'olon'Israely abiaby. Hoy ny fengonana manontolo tamin-dreo: "Naleonay maty tagne amin'ny tany Egypta, na eto amin'itoy efitra itoy! 3 Nagnino no nitondra anay tamin'itoy tany itoy mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'ijay ny sakejanay sy ny janakay. Moa ve tsy tsara aminay ny mipody agne Egypta?" 4 Nifampivoria areo hoe: "Andao antsena hifidy mpitarika hafa, ka andao antsena hipody agne Egypta." 5 Die nandohalike tamin'ny tavagne teo alohakan'ny fivorian'ny fengonan'ny fokon'olon'Israely abiaby i Mosesy sy Arona. 6 Nandrota ny lamban-dreo i Josoa janak'i Nona sy Kaleba janak'i Jefona, ijay saragne tamin'ny nalefa mba hisafo ny tany. 7 Nivoria tamin'ny fengonan'ny fokon'olon'Israely abiaby areo. Hoy areo: "Ny tany ijay nandihananay sady nisafoinay die tany tsara tokôtre. 8 Laha mankasitraka antsena Yaveh, die hitondra antsena agne amin'ijay tany ijay sady hagnome an'ijay hôntsena Ijy. Die tany tondra-dronono sy tintely. 9 Nefa aja mikomy amin'i Yaveh, ka aja matahotra ny mponign'ny tany. Handevogna an-dreo mora foana manahaka ny hanina antsena. Halaina amin-dreo ny ferovana an-dreo, satria miaraka amin-tsena Yaveh. Aja matahotre an-dreo." 10 Fa nitrerogna hitily vato hamono an-dreo ny fengonana abiaby. Die nipoitre tao amin'ny tragno lay fihôgnana tamin'ny fokon'olon'Israely abiaby ny voninahitr'i Yaveh. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahoviena ny hamboaran'itoy fokon'olo itoy tsinotsino an'Ahe? Mandra-pahoviena ny tsy hatokisan-dreo an'Ahe, na die teo aja ny famantarana ny heriko abiaby ijay efa natako teo amin-dreo? 12 Handrahan-dreo amin'ny areti-mandripake Iaho, ka hanangana firenena ijay ho makadiry sady mahery noho an-dreo laha tamin'ny fokonao mandy Iaho." 13 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Laha magnano an'ijay Anao, die haharegny momba an'ijay ny Egyptiana, satria efa namonjy an'itoy fokon'olo itoy tamin-dreo tamin'ny herinao Anao. 14 Hivoria an'ijay amin'ny mponign'itoy tany itoy areo. Efa regnin-dreo fa Anao, Yaveh, no miaraka amin'itoy fokon'olo itoy, satria efa hita nifagnatri-tava Anao. Nitsangagna teo amin'ny fokon'olonao ny rahognanao. Neloha an-dreo tamin'ny andry rahogna Anao ny atoandro ary tamin'ny andry afo ny aligna. 15 kehitriny laha mamono an'itoy fokon'olo itoy manahaka ny olo raike Anao, die nijaka ny firenena ijay naharegny ny lajanao ka nagnano hoe: 16 'Satria tsy nahavita nitondra an'itoy fokon'olo itoy tagne amin'ny tany ijay nifantane homena an-dreo Yaveh, die nivonina tagne agn'efitre areo.' 17 Ankehitriny, mitoreo aminao iaho, ampesay ny herinao makadiry. Fa efa nivoria Anao hoe: 18 'Tsy malaky vignitre Yaveh sady tsy mivadi-pagnikena. Mamela heloke sy fahotana Ijy. Tsy mba magnamarina ny diso Ijy fa mamaly ny fahotan'ny rajambe amin'ny tarakan-dreo, die amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatre.' 19 Mamelà, mitoreo Aminao iaho, ny fahotan'itoy fokon'olo itoy nohon'ny hakadirin'ny famindram-ponao, hôtran'ny efa namelanao fehijay itoy fokon'olo itoy nanomboka tamin'ny fotôgna naha-tany Egypta an-dreo mandraka niany." 20 Hoy Yaveh: "Efa namela an-dreo amin'ny fagnatanterahana ny fangatahanao Iaho, 21 nefa marina tokôtre, laha velogna koa Iaho, ka laha ho feno ny voninahitro koa ny tany abiaby, 22 ny olo abiaby ijay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery ijay natako tagne Egypta sy tagne agn'efitre ireo- die mbola nitsapa fagnahy an'Ahe ijay impolo ijay areo ka tsy niteno ny feoko. 23 Ka die mivoria Iaho fa tsy hahita ny tany ijay nifantako tamin'ny rajambene tokôtre areo. Tsy misy na raike amin-dreo nagnano tsinotsino an'Ahe hahita ijay, 24 hafa-tsy Kaleba mpanompoko, satria managna fagnahy hafa ijy. Efa nagnaraka an'Ahe tanteraka ijy; die hitondra an'aje ao amin'ny tany ijay nandihanane hisafoina Iaho. Hangala an'ijay ho fanagnane ny taranakane. 25 (Ka ny Amalekita sy Kananita die nonigna tagne an-dohasaha.) Mipodiana ka mengà agne agn'efitre amin'ny lalagna megnagne amin'ny Ranomasina Mena ampitso.'" 26 Nijaka tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Ijy: 27 "Mandra-pahoviena ny handeferako an'itoy fengonana ratsy ijay magnakihagna an'Ahe itoy? Efa regniko ny fitaregnan'ny fokon'olon'Israely ny amin'Ahe. 28 Jakay amin-dreo hoe: "Laha velogna koa Iaho', hoy Yaveh,' araka ny nivorianinareo tan-tadigniko teo, ny hamboarako an'ijao aminareo Iaho: 29 Hiampatre agne agn'efitre ny fatinareo, die anareo abiaby ijay nitaraigna ny amin'Ahe, anareo ijay vôisa tamin'ny fagnisam-pokon'olo, ny fikambagnan'isan'ny olo rôpolo taogna loho miakatre. 30 Tsy hiditra agne amin'ny tany ijay nampagnantenaiko hatanareo fonegnana tokôtre anareo, hafa-tsy tsy Kaleba janak'i Jefona sy Josoa janak'i Nona. 31 Nefa ny janakareo ijay vorianinareo fa ho lasibatre, die hindôsiko miditra ao amin'ny tany areo. Hiaigna agne amin'ny tany ijay nilavinareo areo! 32 Ka ny aminareo, hiampatre agne agn'efitre ny fatinareo. 33 Ho mpiambigna ondry agne agn'efitre mandritra ny efapolo taogna ny janakareo. Tsy mentsy hibata ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo agne agn'efitre areo. 34 Hôtran'ny ny isan'ny andro ijay nisafoanareo ny tany- efapolo andro, die tsy mentsy hibata ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taogna hôtran'ijay koa anareo- herintaogna hôn'ny indraike andro, die fantatrareo hoe akore ijay fahavaloko ijay. 35 Iaho, Yaveh, no efa nijaka. Hatako hôn'itoy fengonana ratsy ijay miara-miangogna hanohitra an'Ahe itoy tokôtre ijay. Hifongorina tanteraka areo, ka ho faty eto.'" 36 Ka ny lelahy ijay nirahin'i Mosesy mba hijaha ny tany 37 die matin'ny areti-mandripake teo agnatrehan'i Yaveh aby. Io die ny lelahy ijay nipody ka nitari-dratsy momba ny tany. Ijay ny mampitaraigna ny fengonana abiaby ny amin'i Mosesy. 38 Amin'ny lelahy ijay nienga mba hijaha ny tany, die i Josoa janak'i Nona sy Kaleba janak'i Jefona mandy no ho sisa velogna. 39 Laha nitondra an'io voria io tamin'ny Israely abiaby i Mosesy, die nalahelo mahare areo. 40 Nifoha maraim-be areo ka negnagne an-tampom-tendrombohitre ka nagnano hoe: "Indro, ito ahay, ka henga ho agny amin'ny toerana ijay nampagnantenain'i Yaveh, fa efa nagnota ahay." 41 Nefa hoy Mosesy: "Nagnino anareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby anareo. 42 Aja mienga, satria tsy miaraka aminareo hanakagna anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh. 43 Agne ny Amalekita sy ny Kananita, ka ho fatin-tsabatre anareo satria efa nivily tamin'ny fagnarahana an'i Yaveh anareo. Ka tsy hiaraka aminareo Ijy." 44 Nefa nahasahisahy nagnanike tagne amin'ny tany havôna areo; na ijany aja, die tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh. 45 Die nijotso ny Amalekita, sy ny Kananita ijay nonigna tao amin'io tagnambogna io koa. Nanafika ny Israelita sady nandresy an-dreo tegne an-dalagna megnagne Horma abiaby areo.