Toko faha 13

1 Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2 "Mandefasa lelahy maromaro mba hijaha ny tany Kanana, ijay nomeko ny fokon'olon'Israely. Mandefasa lelahy raike laha tamin'ny fokon'ny rajamben-dreo. Ny lelahy kiraidraike die tsy mentsy mpitarika eo amin-dreo." 3 Nandefa an-dreo laha tagne agn'efitr'i Parana i Mosesy, mba hahafahan-dreo magnaja ny didin'i Yaveh. Ijy abiaby die samby mpitarika teo amin'ny fokon'olon'Israely aby. 4 Ito ny agnaran-dreo: laha tamin'ny fokon'i Robena die i Samoa janaka lahin'i Zakora; 5 laha tamin'ny fokon'i Simeona die Safata, janaka lahin'i Hory; 6 laha tamin'ny fokon'i Joda die i Kaleba janaka lahin'i Jefona; 7 laha tamin'ny fokon'Isakara die i Jigala janaka lahin'i Josefa; 8 laha tamin'ny fokon'i Efraima die i Hosea janaka lahin'i Nona; 9 laha tamin'ny fokon'i Benjamina die i Palty janaka lahin'i Rafo; 10 laha tamin'ny fokon'i Zebolona die i Gadiela janaka lahin'i Sody; 11 laha tamin'ny fokon'i Josefa(ijay midika hoe laha tamin'ny fokon'i Manase) die i Gady janaka lahin'i Sosy; 12 laha tamin'ny fokon'i Dana die i Amiela janaka lahin'i Gemaly; 13 laha tamin'ny fokon'i Asera die i Setora janaka lahin'i Mikaela; 14 laha tamin'ny fokon'i Naftaly die i Naby janaka lahin'i Vofsy; 15 laha tamin'ny fokon'i Gada die i Geoela janaka lahin'i Maky. 16 Io ny agnaran'ny lelahy ijay nalefan'i Mosesy mba hijaha ny tany. Nangehin'i Mosesy tamin'ny agnaran'i Josoa i Hosea janaka lahin'i Nona. 17 Nalefan'i Mosesy mba hijaha ny tany Kanana areo. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Midira laha tagne Negera ka magnaniha agne amin'ny tagnambogna. 18 Zahay ny tany mba hahitana hoe hôtran'iaja. Diniho ny mponigna mitoboka ao, na matanjaka na malemy, sady na kely na rahabe. 19 Jahay ny toetry ny tany itobohan-dreo. Tsara ve ijany sa ratsy? Tanàna ino ny ao? Hitan'ny toby ve areo, sa tanàna mimanda? 20 Jahay ny toetry ny tany, laha tsara hôn'ny fambolena na tsiare, ka laha misy hajo mitsiry ao na tsiare. Mahereja ka mitondrà santionane amin'ny vokatry ny tany." Ka ijay fotôgna ijay die fotôgnan'ny vôloham-bokatra masake. 21 Ka die nagnanike ireo lelahy ireo ka nisafo ny tany laha tagne agn'efitr'i Sinay ka hatagne Rehoba, marivon'i Lebo Hamata. 22 Nagnanika laha tagne Negeva areo ka avy tagny Hebrona. Ahimana, Sesay, ary Talmay, ny foko laha tamin'i Anaka die tao. Ary Hebrona die efa tafatsangagna fito taogna melohan'i Zoana agne Egypta. 23 Laha avy tao amin'ny Lohasahan'i Eskola areo, die nanapaka sampam-boloboke. Nibatain'ny roe tamin-dreo tamin'ny fioke ijay. Nitondra apongaben-dagnitre sy aviavy mandy koa areo. 24 Ijay toerana ijay die nangihina hoe Lohasahan'i Eskola, noho ny sampam-bôloboke ijay nitapahin'ny fokon'olon'Israely tao. 25 Afaka efapolo taogna, die nimpody laha tagne am-pijahana ny tany areo. 26 Nipody tagne amin'i Mosesy, Arona, ary ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely tagne agn'efitr'i Parana, tagne Kadesy areo. Nitondra valin-teny tamin-dreo sy tamin'ny fivondrognana abiaby, sady nagnatoro tamin-dreo ny vokatra laha tao amin'ny tany areo. 27 Hoy areo tamin'i Mosesy hoe: "Avy hatagne amin'ny tany ijay nagnirahanao anay ahay. Tena tondra-dronono sy tintely tokôtre ijay. Ito ny ampahane tamin'ny vokatra laha tao amin'ijane. 28 Na ijany aja, ny olo ijay magnano ny fonegnan-dreo ao die matanjaka. Ny tanàna die mimanda sady malalake. Nahita ny taranak'i Anaka tao mandy koa ahay. 29 Ny Amalekita monigna agne Negeva. Ny Hetita, Jebosita, ary ny Amorita die magnorigna ny tragnon-dreo agne amin'ny tamboho. Ny kananita die monigna egne amoron-dranomasina sady magnaraka ny Ony Jordana." 30 Ary Kaleba nampangigna ny fokon'olo ijay teo agnatrehan'i Mosesy ka nagnano hoe: "Ôka ahay hagnanike ka hangala ny tany ho fanagnana, satria vitantsena tokôtre ny mandresy an'ijay." 31 Fa ny lelahy hafa niaraka tamin-dreo nagnano hoe: "Tsy vitantsena ny hanafika ny fokon'olo satria matanjaka noho antsena areo." 32 Ka die nagnely tatitre mahakivy tamin'ny fokon'olon'Israely mikasika ny tany ijay avy nijahane areo. Hoy areo hoe: "Ny tany ijay nijahanay die tany mihinagna ny mponigna. Ny olo abiaby ijay hitanay die angejabe sady ranjagnana aby. 33 Nahita ny olo angejabe tao ahay, taranak'i Anaka, olo ijay laha tamin'ny angejabe. Laha ny fahitanay manokagna die manahaka ny valala antsena laha ampitahana amin-dreo, ka ijay koa ahay laha ny fahitan-dreo."