Toko faha 16

1 Ary Kora no janaka lahin'i Jizara janaka lahin'i Kehata janaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama janaka lahin'i Eliaba, sy Ona janak'i Peleta, taranak'i Robena, die nampivory ny lelahy sarasaragne. 2 Nitsangagna hanohitra an'i Mosesy areo, ka niaraka tamin'ny lelahy hafa laha tamin'ny fokon'olon'Israely, mpitarika fengonana dimampolo sy rônjato ijay mpikambagna fanta-daja teo amin'ny fengonana. 3 Niara-niangogna areo mba hiady amin'i Mosesy sy Arona. Hoy areo tamin'aje: "Lasa lavitra lôtre anareo! Fa vôtokagna ny fengonana abiaby, ny kiraidraike amin-dreo, ka Yaveh die amin-dreo eo. Nagnino no manimba ny tegnanareo eo amin'ny ambin'ny fengonan'i Yaveh anareo?" 4 Laha regnin'i Mosesy ijay, die nampekohoka ny tavagne ijy. 5 Nijaka tamin'i Kora sy areo ijay niaraka tamin'aje ijy hoe: "Amin'ny maraigna die hampahafantarin'i Yaveh an-dreo ijay an'Aje sy areo ijay vôtokagna hôn'Aje. Hindôsine ho marivo an'aje ijay olo ijay. Ny raike ijay vôfidine die hindôsine hagnarivo ny tegnane. 6 Amboary ijao, ry Kora sy ny akamane abiaby. Alay ny fitondran'afo 7 ampitso ka asio ny afo sy ditin-kajo magnitre agnatin'ijay eo alohakan'i Yaveh. Ny raike ijay fidin'i Yaveh, die ho vôtokagna hôn'i Yaveh ijay olo ijay. Lasa lavitra lôtre anao, ry taranak'i Levy." 8 Die hoy indraike Mosesy tamin'i Kora hoe: "Ankehitriny mitenoa, anareo ry taranak'i Levy: 9 moa raha kely aminareo ve ny nampisarahin'Andriamanitra anareo tamin'ny fengonan'Israely, mba hitondra anareo marivon'ny tegnane, mba hambôtra ny asane ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ka hitsangagna eo alohakan'ny fengonana mba hanompo an-dreo? 10 Nitondra anao marivo Ijy, sy ny rahalahinao abiaby, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisorognana mandy koa anareo! 11 Noho ijany ny nikambagnanareo sy ny akamanareo hanohitra an'i Yaveh. Ka nagnino anareo no mitaraigna mikasika an'i Arona, ijay mankatò an'i Yaveh?" 12 Ary Mosesy nangaike an'i Datana sy Abirama, janaka lahin'i Eliaba, fa nijaka areo hoe: "Tsy hoagne ahay. 13 Raha kely aminao angaha ny nitondrana anay nagnanika nivôke ny tany feno ronono sy tintely, mba hamono anay agn'efitre? Ankehitriny die magniry ny tegnanao hanapaka aminay eo anao! 14 Ho fagnampin'ijay, tsy nitondra anay tagne amin'ny tany feno ronono sy tintely Anao, na nagnome anay ny harenana sy tanim-bôloboke ho lova. Ankehitriny die magniry ny hahapôke anay amin'ny fampagnantenana fôgna ve Anao? Tsy hômin'Anao agne ahay." 15 Vignitra mahare i Mosesy ka nijaka tamin'i Yaveh hoe: "Aja magneky ny fagnatitrane. Tsy nangala na apondra raike tamin-dreo iaho, sady tsy nagnano ratsy na ny raike tamin-dreo aja." 16 Ka nijaka tamin'i Kora i Mosesy hoe: "Ampitso die tsy mentsy handeha eo agnatrehan'i Yaveh anao sy ny tarikanao- anao sy areo, ary Arona. 17 Sambe mangala ny fitondran'afone anareo kiraidraike ka magnisy ditin-kajo magnitre ao amin'ijay. Avy teo die tokone hitondra ny fitondran'afone eo alohakan'i Yaveh aby ny kiraidraike, fitondran'afo dimampolo sy rônjato. Anao sy Arona, mandy koa, die tokone hitondra ny fitondran'afonareo kiraidraike." 18 Ka die nangala ny fitondran'afone ny olo kiraidraike, nandrehitra afo tamin'ijay, ka nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona. 19 Nampivory ny fivondrognan abiaby manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana i Kora, ka nipoitre tamin'ny fivondrognana abiaby ny voninahitr'i Yaveh. 20 Die nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe: 21 "Sarahy amin'itoy fengonana itoy ny tegnanareo mba hahafahako mandevogna an-dreo avy hatragne." 22 Nandohalike i Mosesy sy Arona ka nijaka hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fagnahin'ny olombelogna abiaby, laha magnota ny olo raike, die ho vignitra amin'ny fengonana abiaby ve anao? 23 Namaly an'i Mosesy i Yaveh. 24 Hoy Ijy hoe: "Mijaka amin'ny fivondrognana. Mijaka hoe: "Mengà tamin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama." 25 Die nenga i Mosesy ka negnagne Datana sy Abirama; ny loholon'Israely die nagnaraka an'aje. 26 Nivoria tamin'ny fivondrognana ijy ka nijaka hoe: "Amin'ijao die mengà amin'ny lain'ny ratsy fagnahy ka aja mikasika na ino na ino ny an-dreo, sandre ho levogna amin'ny alalan'ny fahotane abiaby anao." 27 Ka nandao an-dreo tamin'ny jorogn'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondrognana. Nivôke i Datana sy Abirama ka nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny lain-dreo, niaraka tamin'ny sakejane, janaka lahy, ary ny madininy. 28 Ka nijaka i Mosesy hoe: "Amin'ijao no ahafantaranareo fa Yaveh no nagniraka an'ahy hambôtra ny asa abiaby, fa tsy nambôtre an'io tamin'ny saignako mandy iaho. 29 Laha maty amin'ny fahafatesana vôjagnahary manahaka ny raha misy ara-dalàna ireo olo ireo, die tsy nandefa an'ahy i Yaveh. 30 Fa laha mamorogna fivohàna amin'ny tany ijay miteligna an-dreo ao manahaka ny vava makadiry i Yaveh, miaraka amin'ny havane abiaby, sady laha mijotso velogna agne amin'ny fiaignan-tsy hita areo, die tokone ho fantatrao fa ireo olo ireo die nagnano tsinotsino an'i Yaveh." 31 Laha mbola tsy tapitra ny fijakan'i Mosesy an'io voria io, die nivoha teo ambanin'ireo lelahy ireo ny tany. 32 Namoha ny vavane ny tany ka niteligna an-dreo, ny havane, ary ny olo abiaby ijay an'i Kora, sady koa ny fanagnane abiaby. 33 Die latsaka velogna tagne amin'ny fiaignan-tsy hita areo sy ny abiaby tao amin'ny havane. Nihidy teo ambonin-dreo ny tany, ka tamin'ijay ny nahafongotra an-dreo teo agnivon'ny fivondrognana. 34 Ny Israely abiaby magnodidigna an-dreo die nilefa tamin'ny kiakiakane. Nihiake areo hoe: "Mety hiteligna antsena mandy koa ny tany!" 35 Die nitselatre ny afo laha tamin'i Yaveh ka nandrapaka ny olo 250 ijay nagnome ditin-kajo magnitre. 36 Die nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh ka nijaka hoe: 37 "Mivoriana amin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ka ôka ijy hamono ny afo amin'ny fagnorôna ditin-kajo magnitre, fa ny fitondran'afo die vôtokagna hôn'Ahe. Die abilay ijy hagnaparitake ny betrak'afo agne alavitre. 38 Alay ny fitondran'afon'ijay namoy ny aigne nohon'ny fahotane. Ôka ireo hamboarana vilia vôtefy mba hanarognana ny alitara. Nagnome an'ireo teo alohakako ireo olo ireo, ka vôtokagna hôn'Ahe ireo. Ho famantarana ny fisiako amin'ny fokon'olon'Israely ireo. 39 Nangala ny fitondran'afo varahigna i Eleazara mpisorogna ijay nampesain'ny olo ijay may, ka die nitifene ho fanarognana hôn'ny alitara io, 40 mba ho fampatsehivana hôn'ny fokon'olon'Israely, mba tsy hisy vahiny ijay tsy taranaka laha tamin'i Arona ho avy ka hagnoro ditin-kajo magnitre alohakan'i Yaveh, ka tsy hanjary hôtran'i Kora sy ny tarigne areo- araka ijay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. 41 Fa ny ampitso maraigna die nitoreo tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely abiaby. Hoy areo hoe: "Nivoninareo ny fokon'olon'i Yaveh." 42 Ka nipoitre ijay, laha nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondrognana abiaby, laha nijaha tao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, ka, igne, nanarogna an'ijay ny rahogna. Niseho ny voninahitr'i Yaveh, 43 ka Mosesy sy Arona die negneo alohakan'ny tragno lay fihôgnana. 44 Die nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy: 45 "Mengà lavitre tsy ho eo alohakan'io fivondrognana io mba hahafahako mandevogna an-dreo avy hatragne." Die nampiondrike ny tavagne tamin'ny tany i Mosesy sy Arona. 46 Hoy i Mosesy tamin'i Arona: "Alay ny fitondran'afo, asio afo laha teo amin'ny alitara, asio ditin-kajo magnitre ao agnatin'ijay, indôsy malaky agne amin'ny fivondrognana ijay, ka mamboara fagnavotana hôn-dreo, satria avy laha tamin'i Yaveh ny havignirana. Nanomboka ny areti-mandripake." 47 Die nagnano araka ijay natoron'i Mosesy i Arona. Nihajakajake ho eo agnivon'ny fivondrognana ijy. Efa nanomboka niparita nalaky teo amin'ny olo ny areti-mandripake, ka nampidirine ny ditin-kajo magnitre ka nagnano fagnavotana hôn'ny olo ijy. 48 Nitsangagna teo agnivon'ny velogna sy ny maty i Arona; ka tamin'ijay die nijanogna ny areti-mandripake. 49 Areo ijay matin'ny areti-mandripake die 14 700, ankôtran'ireo ijay maty nohon'ny amin'i Kora. 50 Nipody tagne amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana i Arona, die nijanogna ny areti-mandripake.