Toko faha 6

1 agnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahôkan'Israely, ary natolony teo an-tagnan'i Midiana nandritre ny fito taogna areo. 2 Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, die nagnano fialofana ho an-dreo tao amin'ny johy tegne amin'ny tany ambo, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahôkan'Israely. 3 ry isaky ny mamboly ireo vokany ny Israelita, die nanafike an-dreo ny Midianita sy ny Amelikita ary ny olo avy agny atsignanagna. 4 Nametrake ny tafiny teo amin'ny tany areo ary namotike ireo vokatra, tegne amin'ny lalagna abiaby menga agny Gaza. Tsy namela hanina ho an'ny Israely, na ondry,na biby fiompe, na ampondra areo. 5 saky ny miakatre areo sy ny biby fiompine ary ny lainy, die hôtrin'ny andiam-balala ny fiavin-dreo, ary tsy tambo isaina na ny olo na ireo ramevany. Nanafike ny tany mba hamotehana an'ijany areo. 6 Tena nampaosa an'ireo Israelita tokôtre ny Midiana hany ka nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely. 7 Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely nohon'ny amin'ny Midiana , die nandefa mpaminany ho an'ny vahôkan'ny Israely i Yaveh.Hoy ny mpaminany tamin-dreo hoe: " 8 Ijao no jakain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Nitondra anareo niakatre avy tagny Egypta Iaho; nitondra anareo nivôke avy tao amin'ny tragno fanandevojagna Iaho. 9 Namonjy anareo teo amin'ny tagnan'ny Egyptiana, sy teo amin'ny tagnan'ireo abiaby ijay nampahory anareo Iaho. Nandrôke an'ajy regne teo alohanareo, sy nagnome ny taniny ho anareo Iaho. 10 Hoy Iaho taminareo hoe: " Iaho no Yaveh Andriamanitrareo; mandidy anareo tsy hanompo ny Andriamanitry ny Amorita, agny amin'ny tany honegnanareo Iaho. " Nefa tsy nankato ny feoko anareo."' 11 y tonga ny anjelin'i Yaveh ka nidoboke teo ambanin'ny hajo terebinta tao Ofra, ijay an'i Joasy (ilay Abiezrita), laha nagnasarake ny vary tamin'ny fikapohana an'ijany tamin'ny tany, teo amin'ny famiajana divay i Gideona, janak'i Joasy_ mba hagnavoniana an'ijany amin'ireo Midianita. 12 Nibôke tamin'ajy ilay anjelin'i Yaveh ka nijaka tamin'ajy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!"' 13 Hoy Gideona tamin'ajy: " Indrisy ry tompoko, nagnino no mibôke aminay ijao abiaby ijao? Aja ireo asa mahagaga ijay nojakain'ny rajagnay taminay, tamin-dreo nijaka hoe: "Tsy nitondra anay niakatre avy tagny Egypta ve i Yaveh?' Nefa ankehitriny die efa nahafoy anay ka nanolotre anay teo an-tagnan'i Midiana i Yaveh." 14 Nijaha an'ajy Yaveh ka nijaka hoe: "Mandehana amin'ijao hery efa anagnanao ijao. Afaho eo an-tagnan'i Midiana i Israely. Tsy efa nagniraka anao ve iaho?" 15 Hoy Gideona tamin'ajy: "Akory re ry Tompo no hamonjeko an'i Israely? Io ny fianakaviako no marefo indrindrake ao amin'ny Manase, ary iaho no farany tsy manan-danja indrindrake ao an-dragnon'iabako. 16 Hoy Yaveh tamin'ajy: " Homba anao iaho, ary handresy ny tafiky ny Midianita manontolo hôtran'ny olo raike anao." 17 Hoy Gideona tamin'ajy, laha mahita fitia aminao iaho, die omeo famantarana iaho fa anao tokôtre no mijaka amin'ahy. 18 Aja miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fagnomejana ary hametrake an'ijany eo alohanao. "Hoy i Yaveh:" Handigny Iaho mandra-pipody anao." 19 Ary lasa i Gideona ka nagnomagna janak'osy ary avy tamin'ny lafarinina eran'ny efaha no nanôvany mofo tsy misy masirasira. Nataony tao agnaty tanty ny hena, ary nataony tao agnaty vilagny ny rony die nindôsiny teo ambanin'ny hajo terebinta, ary nabôkany an-dreo. 20 Hoy ny anjelin'Andriamanitra tamin'ajy: "Reso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'itoy vatolampy itoy areo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony. " Die ijany no nmboarin'i Gideon. 21 Ary ny anjelin'i Yaveh nagninjitre ny tendron'ny tehigna tamin'ny tagnany. Tamin'ijany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatre avy tao amin'ny vatolampy ka nandevogna ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo die lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita an'ajy koa i Gideona. 22 Ary GIdeona nahafantatre fa anjelin'i Yaveh ijy. HoyGideona hoe: " Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifanatri-tava tamin'ny anjelin'i Yaveh iaho! 23 Hoy Yaveh tamin'ajy: "Fiadagnana anie ho anao! Aja matahotre, fa tsy ho faty anao." 24 Ary nagnambôtre alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nangehany hoe: " Yaveh die fiadagnana" ijany. Mandrake androany die mbola mitsangagna ao Ofran'ny fokon'i Abierzrita ijany. 25 y tamin'ijany aligna ijany die hoy Yaveh tamin'ajy: '' Alay ny aombe lahin'i abanao, die ny aomby lahy faharoa ijay efa fito taogna, ravao ny alitaran'i Bala ijay an'ny abanao, ary tapaho ny Aseraha ijay eo agnilan'ijany. 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'itoy toerana fialofana itoy, die aoregno arake ny tokony ho ijy ijany. Atolory ho fanatitra ôrona ny aombe lahy faharoe, amin'ny fampiasana ny hajo avy amin'ny Aseraha ijay nokapainao. 27 Ka die nangala folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nangnano arake ijay nijakain'i Yaveh tamin'ajy. Ary satria natahotre lôtre ny ankohonan'i abany sy ireo lelahy tao an-tanàna ny hagnano ijany mandritre ny andro ijy, die nataony nandritre ny aligna ijany. 28 Laha maraigna lefa nifoha ny lelahy tao an-tanàna, die efa rava ny alitaran'i Bala; ary ny Aseraha teo agnilany die vôkapa, ary ny aombe lahy faharoe die natao fanatitra teo amin'ny alitara ijay vao naorigna. 29 Ny lelahy teo an-tanàna die nifampivoria hoe: '' Ija no nagnano an'ijao?'' Laha nivoria tamin'ny hafa ijy ka nandrembe ijay valiny, die hoy areo: ''Gideona janak'i Joasy no nagnano an'ijao raha ijao.'' 30 Ary ireo lelahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: ''Avoahy ny janakao mba ho vonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo agnilan'ijany.'' 33 Ary ny Midianita sy ny Amelikita ary ny olo abiaby avy agny antsignanana die niara-nivory. Nitsake an'i Jordana areo ary nitoby teo amin'ny lohasahan'i Jezirela. 34 Fa tonga tamin'ny Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoke ny trompetra, nangaike ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hagnaran-dreo an'ajy. Nandefa irake eran'i Manase manontolo ijy, ary areo koa, die vôhaike mba hagnarake an'ajy. 35 Nandefa irake ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly mandy koa ijy, ary niakatre mba hihaogna amin'ajy areo. 36 Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: ''Laha nihevitre ny hampiasa an'ahy hamonjy ny Israely anao, arak'ijay nojakainao_ 37 Io, iaho mametrake ny volon'ondry amin'ny famiham-bary. Laha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maigna eo amin'ny tany abiaby, die ho fantatro fa hampiasa an'ahy mba hamonjy an'Israely Anao, Arake ijay nojakainao." 38 Hotran'ijao no nibôke _nifoha maraigna be i Gedeona ny ampitso, niara-nofiajany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoke tmin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia raik ny rano. 39 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Aja vignitre amin'ahy, fa mbola hijaka indraike mandeha iaho, Avelao re iaho mba hagnandragna hampiasa indraike mandeha ny volon'ondry amin'io fotôgna io, ary ôke ho feno ando ny tany magnodidigna n'azy." 40 Nagnano ijay nangatahiny Andriamanitra tamin'ijany aligna ijany. Ny volon'ondry dia maigna ary feno ando teo amin'ny tany abiaby magnodidigna an'ijany.