Toko faha 5

1 Tamin'ijany andro ijany Debora sy Baraka janak'i Abinoama die nihira itoy hira itoy: 2 "Laha mitarike ireo mpitarike ao Israely, laha manolo-tegna am--pifaliana ho amin'ny ady ny vahôka die midera an'i Yaveh antsena! 3 Mitenoa, anareo mpanjaka! mifantoha, anareo mpitarike! Iaho, iaho die hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely iaho. 4 Yaveh, laha nivôke avy tagny Seira Anao,laha nandeha avy tagny Edoma anao die nihorohoro ny tany, ary nihovitrovitre koa ny lanitra; art ny rahogna nandatsake rano mandy koa. 5 Nihovitrovitre teo ankatrehan'i tavan' i Yaveh ny tety: eke na ny tety Sinay aja nihovitrovitre_teo ankatrehan'ny tarehin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 6 Tamin'ny andron'i Samgara ( janake lahin'i Anata), tamin'ny andron'i Jaela, nilojana ireo lalam-be ary ireo ijay nandeha mandy no nampiasa ireo sakeli-dalagna miolakolake. 7 Vitsy ny mpiady tagny Israely, mandra-panapahako, iaho Debora_ilay reny nanapaka tao Israely! 8 fony areo nisafidy ireo andriamanitra vaovao,die nisy ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna kanefa tsisy ampinga na lefogna hita teo amin'ireo olo efatre aligna tao Israely. 9 Ny foko mankasitrake ny mpanapake ny Israely, miarake amin'ireo vahoke ijy nanolo-tegna ampifaliana-isaorantsena Yaveh noho areo! 10 Eritrereto ijao-anareo ijay mideba ampondra fotsy midoboke eo amin'ny lamba ho solon'ny lasely, ary anareo ijay mandeha amin'ny lalagna. 11 tenoy ny feon'ireo ijay mihira eo amin'ny tany fanondrahana. Agny no ilajan-dreo indraike ny fahamarinan'ny asan'i Yaveh, sy ny fahitsian'ny asan'ireo mpiadiny tany Israely. Avy eo die nijotso teo amin'ny vavahadin'ny tanana ireo vahokan'i Yaveh. 12 Mifohaja, mifohaja, et Debora! Mifohaja mifohaja, mihira fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, indôsy ny vôfonjanao, anao ry janake lahin'i Abinoama. 13 Avy eo die nijotso teo amin'ireo olo-manan-kaja ireo sisa velogna; nijotso nenga eo amin'ahy tamin'ireo mpiady ny vahôkan'i Yaveh. 14 Avy tagny Efraima areo, ny fototran-dreo die agny Amaleka; nagnarake anareo ireo vahôkan'i Benjamina. Nijotso avy agny Makira ireo mpifehy, ary avy agny Zebolona ireo ijay mitondra ny tehign'ny manam-boninahitra. 15 Niarake tamin'i Debora ireo andriako tao Isakara; ary Isakara niarake tamin'i Baraka nikoropaka nagnaraka an'ajy tagny an-dohasaha okay teo ambany fifehejany. Tao amin'ireo fokon'i die nisy fikasan'ny fo lehibe. 16 Nagnino anao no midoboke eo agnivon'ny vala, miteno ireo mpiarakandro ondry mitsoke ny sodigne ho an'ireo ondry aman'osy? Laha ny amin'ny fokon'iRobena die nisy fikasan'ny fo lehibe. 17 Nijanogna tagny an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nagnino ijy no nivejivejy tegne ambony sambo? Nijanogna tegne amoron-dranomasina i Asera ary nitoetre tegne akekin'ny seragnan-tsambo. 18 Zebolona die foko nagnano vy very ny aigny lahatamin'ny fahafatesana,ary Naftaly, mandy koa, die teo amin'ny sahan'ady. 19 T0nga ireo mpanjaka, niady areo; niady tagny Tanaka teo amorogn'ny ranon'i Megido ireo mpanjakan'i Kanana.Nefa tsy nangala volafotsy ho Robaina areo. 20 Avy egne amin'ny lanitra no niadian'ireo kintagna, avy egny amin'ny lalan-dreo nagneragna ny lanitra no niadian-dreo tamin'i Sisera. 21 faoke an-dreo ny ranoben'i Kisona, ilay ranobe fahagola, ilay ranoben'i Kisona. Mandrosoa fehijay ry fagnahiko, matanjaha! 22 Ary die nikatrokatroke by kitron'ilay sôvaly-mihajakajake, die ny fihajakajahan'ireo maheriny. 23 Ojogny Meroza! hoy ny anjelin'i Yaveh.Ojogny die ojogny ny mponigna ao amin'ajy! - satria areo tsy tonga mba hagnampy an' Yaveh- hagnampy an'Yaveh amin'ny ady hanohitre ireo mpiady mahere.' 24 tahy mihôtre noho ireo viavy abiaby i Jaela, Jaela (ilay vadin'i Hebera Kenita), vôtahy , mihôtre noho ny viavy abiaby ijay mitoetre ao an-day ijy. 25 Rano no nangatahin-dralelahy, ary ronono no nomeny an'ajy; nitondrany dibera teo am-bilia natokagna ho an'ny andriana ijy. 26 Napetagny teo amin'ny tsatokan-day ny tagnany, ary ny tagnany havanagna tamin'ny tantagnan'ny mpiasa; die namely an'i Sisera tamin'ilay tantagnana ijy, notorotorôny ny lohany. Laha nandefogna ny fihirifany die nopotipotehiny ho torotoro ny karan-dohany. 27 Lavo teo agnelagnelan'ny hongony ijy, lavo ijy ary nidaraboke teo. Teo agnelagnelan'ny hongony ijy no nitsirara. teo amin'ny toerana namonoana an'ajy tamin-kerisetra no nahalavo an'ajy. 28 NIjaha teo an-kôke ijy - nijaha teo amin'ny makarakaran'ny hôke ny endrin'i Sisera ary nangaike mahare tamin'ny alahelo hoe: Nagnino no ela lôtre vao tonga ny kalesiny? Nagnino ny kitron'ny sôvaliny ijay mitarike ny kalesiny no mitaredretre? 29 maly ny hendry indrindrake tamin'ny andriambaviny, ary ijy tegnany mandy no namaly an'ajy hoe: 30 " Tsy efa nahita sy nijara babo ve areo? Viavy raike, na viavy roe ho an'ny isan-dahy; fandrobana lambamena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roe misy peta-kofehy ho eo am-bojogn'ireo nandroba? 31 Ho ringagna anie ny fahavalonao abiaby, ry Yaveh! Fa ireo akamanao koja die ho hôtrin'ny masoandro laha miposake amin'ny heriny. " Die nandry nandritre ny efapolo taogna ny tany.