Toko faha 4

1 Tafaran'ny nahafaty an'i Ehoda die nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh indraike ny vahôkan'Isarely. 2 Namidin'i Yaveh teo an-tagnan'i Jabina mpanjakan'i Kanana ijay nanjake tao Hazora areo. Ny agnaran'ny mpitari-tafiny die i Sisera, ary nidoboke tao Harosetan'ireo Jentilisa ijy. 3 Niantso vonjy mahare tamin'i Yaveh ny vahôkan'iIsraely, satria nanagna kalesy vy sivinjato Sisera ary nampahory ny vahôkan'i Israely tamin-kery nandritre ny rôpolo taogna ijy. 4 ry Debora, mpaminany vavy (vadin'i Lapidota). no nitarike ny fitsarana tao Israely tamin'ijany fotôgna ijany. 5 Zatre nidoboke teo ambany rofian'i Debora agnelagnelan'i Rama sy betela tao amin'ny tany ambon'i Efraima ijy, ary ny vahôkan'i Israely nenga agny amin'ajy mba hametrake ireo fifandiran-dreo tamin'ajy. 6 Nagnirake an'i Baraka janaka lahin'i Abinoama avy agny Kadesy ao Naftaly ijy. Hoy ijy tamin'ajy: "Yaveh, ny Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana agny an-tetin'i Tabara, ary mitondra lelahy iray aligna avy ao Naftaly sy Zebolona. 7 Hagnatsôke an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabila Iaho, mba hihaogna eo amin'ny ranoben'i Kisona, miarake amin'ireo kalesiny sy ireo tafikany, ary hagnome anao fandresena an-dreo Iaho." 8 oy Baraka tamin'ajy: "Laha miarake amin'ahy anao die handeha iaho, nefa laha tsy miarake amin'ahy anao, die tsy handeha iaho. 9 Hoy ijy: "hiarake aminao tokôtre iaho. Na ijany aja, ny lalagna ijay handehananareo die tsy hitarike anareo agny amin'ny voninahitrareo, fa hivarotre , an'i Sisera eo an-tagnan'ny viavy i Yaveh. "Die niakatre Debora ary niarake tamin'i Baraka nenga agny Kadesy. 10 Nangaike ireo lelahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiarake ho agny Kadesy i Baraka. Lelahy iray aligna no nagnarake an'ajy, ary niarake tamin'ajy i Debora. 11 Ary Hebera (ilay Kenita) nisarake tamin'ireo Kenita-taranak'i Hobaba areo (rafojan-dahin'i Mosesy) _ary nagnorina ny lainy teo amin'ny terebinta tagny Zanamina akekin'i Kadesy ijy. 12 ha nijakain-dreo tamin'ny Sisera fa niakatre tagny an-tetin'i Tabara i Baraka janake lahin'i Abinoama, 13 die nangaike mahare ireo kalesiny abiaby i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary ireo miaramila abiaby ijay niarake tamin'ajy, hatreo Harosetan'ny Jentilisa ka lahatagny amin'ny Renobe isona. 14 Hoy Debora tamin'i Baraka:"Mandehana! Fa itoy no andro ijay nagnomejan'i Yaveh fandresena anareo eo amin'ny Sisera. Moa ve tsy mitarike anareo i Yaveh?" Die nijotso avy tegne an-tety Tabara niarake tamin'ireo lelahy iray aligna nagnarake an'ajy i Baraka. 15 mpifanjevoan'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesy abiaby, ary ireo tafiny abiaby. Nanafike an-dreo ny lelahin'i Baraka ka nijotso tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsôke an-kongotre. 16 Fa nanjahin'i Baraka lahatagny Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo die novonoina tamin'ny lelan-tsabatre, ary tsy nisy niangagna na die lelahy raike aja. 17 Nefa Sisera nilefa an-kongotre tany agny amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavagna i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera Kenita. 18 Nivôke hihaogna amin'i Sisera i Jaela ary nagnano tamin'ajy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia atoy amin'ahy ary aja matahotre."Die nivily tagny ijy ka niditre tao amin'ny lainy, ary norakofany tamin'ny bodofotsy ijy. 19 y ijy tamin'ajy: "Mba omeo rano kely hinomina re iaho, fa maka." Nanokatre kitapon-dronono hoditre ijy ary nagnome an'ajy hinomina, avy eo die norakofany indraike ijy. 20 Hoy ijy tamin'ajy; "mitsangana eo am-baravaran'ny lay. Laha misy olo tonga ary magnontany anao hoe:'Misy olo ve ato? , die jakay hoe: Tsiare." 21 Ary Jaela (vadin'i Hebera) nangala tsatokan-day sy tantagnana tegne an-tagnany ary niditre an-tsokosoko tao amin'ajy, fa tao agnaty torimaso laligna ijy, ary nikapoke ny tsatokan-day tamin'ny tantagnana teo amin'ny faritry ny lohany ijy ary nitsatoke tamin'ny tany, die maty ijy. 22 Laha nagnajake an'i Sisera i Baraka, die nagniry ny hivôka hihaogna amin'ajy i Jaela ary nagnano tamin'ajy hoe: "Avia, habokako anao ny lelahy rombejinao." Die niarake niditre tamin'ajy ijy, ary io Sisera maty .nitsirara, miarake amin'ny tsatokan-day teo agnilan'ny lohany. 23 tamin'ijany andro ijany no nandresen'A andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo alohan'ny vahôkan'i Israely. 24 Ny herin'ny vahôkan' Israely die nihanatanjaka fehijay eo alohan'ny mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanan-dreô an'ajy.