Toko faha 3

1 Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapa an'i Israely ijay tsy nanagna traikefa tamin'ny ady die niady tagny Kanana. 2 (Nagnano ijany ijy mba hampianarana ady an'ireo taranak'Israelita vaovao ijay mbola tsy nahalala an'ijany teo aloha). 3 Ireto firenena :ireo mpanjaka dimy avy amin'ireo Filistina, ary ireo Hivita ijay nonigna tagny amin'ireo Tetin'i Libanona, lahatamin'ny tetin'iBala-hermona ka lahatagny Lalagna Hamata. 4 Nabela ireo firenena ireo, ijany ny fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely,mba hagnamafisana na nankatò ireo didy ijay nomeny an'ireo rajamben-dreo tamin'ny alalagn'iMosesy areo. 5 Noho ijany ireo vahôkan'iIsraely die nonigna teo amin'ireo Kananita, ireo Hetita, Amorita Perizita, ary ireo Jebosita. Ireo Janake vavin-dreo die nalain-dreo mba ho vadin-dreo, ary ireo janake vavin-dreo manokagna die nomen-dreo ho an'ny janaka lahin-dreo,ary nanompo ireo andriamaniny areo. 7 Nagnano ijay ratsy teo imason' i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nagnadigno an'i Yaveh Andriamanitran-dreo.Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha areo. 8 Noho ijany, die nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatagnan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama Naharaima areo. Nanompo an'iKozana-risataima nandritre ny valo taogna ireo vahôkan Israely. 9 Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'i Israely, die nanandratre olo mba ho tonga hamonjy ny vahôkan'i Israely i Yaveh, sy hagnavotra an-dreo: Otniela janake lahin'i Kenaza ( jandrin i Kaleba). 10 Nagnome hery an'ajy ny fanahin' Yaveh, ary nitsara an'i Israely ijy ary nivôke tagny amin'ny ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo ankatrehan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama ijy. Nandresy an'i Kozana-risataima ny tagnan' i Otniela. 11 Nilamigna ny tany nandritre ny efapolo taogna. Avy eo die maty i Otniela janake lahin'i Kenaza. 12 Tafaran'ijany,die mbola nagnano ratsy teo imason'iYaveho indraike ireo Israelita, la nagnome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh. 13 Nikambagna tamin'ireo Amona sy ireo Amaleka eglona, ďie nandeha areo ka nandresy ny an'Ysraely, ary nalain-dreo ho fanagnany ny Tanàn-drofia.m nalain-de. 14 Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba nandritre ny valo ambin'ny folo taogna ny vahôkan'Israely. 15 Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, die nanandratre olo raike Yaveh hagnampy an-dreo, Ehoda janak'i Gera, Benjamita, lelahy kavia. Nandefa an'ajy niarake tamin'ny fandoavan-ketran-dreo, tagny amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba ny vahôkan'i Israely. 16 Nanamboatre sabatre raike ijay nisy lela roe ho an'ajy i Ehoda, raike hakiho ny halavany; nofatorany tao ambanin'ny ankanjony teo amin'ny feny ankavanagna ijany. 17 Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba ilay fagnomejana.(Ary Eglona die lelahy matavy be.) 18 Tafaran'ny nanoloran'i Ehoda ilay fandoavan-ketra, die lasa niarake tamin-dreo ijay nitondra an'ijany ijy. 19 Laha ny amin'i Ehoda koja, laha tonga teo amin'ilay toerana ijay nisy ireo sarin-draha vôsokitra natao teo akekin'i Gilgala ijy, die nitodika sady nipody ijy, ary nijaka hoe: "Managna tsiambaratelo ho anao aho, ry mpanjakako." Ary Eglona nijaka hoe:"Mangina!" Ka nivôke ny efitre areo abiaby ijay nanompo an'ajy. 20 Tonga teo amin'ajy i Ehoda. Nidoboka rerike ny mpanjaka, rerike tao amin'ny mangatsiatsiake tao amin'ny efi-tragno ambony. Hoy Ehoda hoe: "Managna hafatre avy agny amin'Andriamanitra ho anao iaho. "Nitsangagna avy teo amin'ny fidobohany ny mpanjaka. 21 Namparin'i Ehoda ny tagnany havia ary nalainy teo amin'ny feny ankavanagna ny sabatre, natsatogny teo amin'ny vatan'ny mpanjaka ijany. 22 Ilay tahon-tsabatre teo amin'ajy die nagnarake ny lamosigne. Nivôke tao an-damosigne ilay tendron-tsabatre ary nandrakotre an'ijany ilay tavy, fa tsy nagnatsôke ilay sabatre tamin'ny kibony i Ehoda. 23 Avy eo die nivôke teo an-davarangagna i Ehoda ary nagnakatogna ireo varavaran'ny efitre ambony ary nagnampegna an'ijany. 24 Laha lasa i Ehoda, die tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka; hitan-dreo fa mipegna ireo varavaravaran'ny efitre ambony, ka nihevitre areo hoe: "Ajo antoke fa nangala aigna ao amin'ny mangatsiatsiake ao amin'ny efitre ambony ijy. " 25 Nitombo ny ahiahin-dreo mandra-pahatsapan-dreo fa nagnano tsinontsino ny andrekiny areo laha tsy nanokatre ny varavarana tao amin'ny efitre ambony ilay mpanjaka. Ary nalain-dreo ny lakle, die novohany ireo, ary nitsirara teo ny tompony, lavo tamin'ny tany, ary maty. 26 ha teo am-piandrasana ireo mpanompo, die nanontagny tegna ny amin'ijay tokony hatao areo, nilefa i Ehoda ka nagnalavitre ilay toerana misy ireo sarin-draha vôsokitr'ireo sampy, ary noho ijany die nilefa tagny Seirata ijy. 27 Laha tonga ijy, die nitsoke ny trompetra raike teo amin'ny tany ambon'ny Efraima. Ka nijotso niaraka tamin'ajy avy agny amin'ny tany ambo ny vahôkan'i Israely, ary ijy nitarika an-dreo. 28 Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Magnaraha an'ahy, fa efa handresy ireo fahavalonareo Yaveh, die ireo Moabita. "Nagnaraka an'ajy areo ary nanambotre ireo fitsahan'i Jordana fandalovan'ireo Moabita, ary tsy namela an'ija n'ija hitsaka ny ranobe areo. 29 Tamin'ijany fotôgna ijany die namono lelahy Moabita teo amin'ny iray aligna teo areo, ary lelahy natanjake sy mahavita ajy ijy abiaby. Tsy nisy afa-nilefa. 30 Ary tamin'ijany andro ijany Moaba die resin'ny tanjak'Israely, ary nilamigna mandritre ny valopolo taogna ny tany. 31 Tafaran'i Ehoda die i Samgara janake lahin'i Anata ijay namono olo 600 tamin'ny Filistina tamin'ny hajo fanindromana biby fiompe no mpitsara magnarake. Nagnafake an'i Israely tamin'ny loja mandy koa ijy.