Toko faha 2

1 iakatre avy tao Gilgala henga agny Bokima anjelin'i Yaveh,ary nagnano hoe:''Nitondra anareo niakatre avy tao Egypta Iaho, ary nitondra anareo tagny amin'ny tany nifantako homena ireo rajagnareo Hoy aho:''Tsy handrava ny fagnekeko aminareo mihitsy Iaho. 2 Aja magnano fagnekena ijay nidoboke ao amin'itoy tany itoy anareo. Ôke horavanareo ny alitaran-dreo. Nefa tsy niteno ny feoko anareo. Fa ino itoy natanareo? 3 Koa ankehitriny iaho die mijaka fa: 'tsy handroke ireo Kananita eo ankatrehanareo Iaho, fa ho lasa tsilo eo agnilanareo areo, ary ireo andriamaniny die ho lasa fandrike ho anareo. 4 ''Laha nijaka ireo jaka ireo tamin'ny vahôkan'i Israely abiaby ny anjelin'Andriamanitra,die nihiake sy nitagny ny vahôka. 5 Nangehan-dreo hoe Bokima ijany toerana ijany. Nanolotre fanatitra ho an'i Yaveh tao areo. 6 Ary laha nagnirake ny vahôkan'i Israely tamin'ny lalan-dreo Josoa, die nenga agny amin'ny toerana vôtendry ny vahôkan'i Israely kiraidraike, mba hangala ny tanin-dreo. 7 Nanompo an'i Yaveh nandritre ny androm-piaignan'i Josoa sy ireo loholona ijay mbola velogna tafaran'ny vahôka, ary ireo ijay nahita ny asa lehiben'i Yaveh abiaby namboariny ho an'i Israely. 8 Josoa janake lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, die maty teo amin'ny faha-110 taonany. 9 ndevigna an'ajy tao amin'ny faritanin'ny tany nanendrena an'ajy tao Timnata-heresa areo, tao amin'ny tany ambon'i Efraima, avaratry ny tetin'i Gasa. 10 Ijany taranake abiaby ijany mandy koa die nangonina ho amin'ny rajagnan-dreo. Nisy taranake hafa nitombo tafaran-dreo ijay tsy nahafantatre an'i Yaveh na ijay namboariny tamin'ireo Israely. 11 Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nanompo an'i Bala areo. Nisarake tamin'ni Yaveh areo, ny 12 Andriamanitry ny rajan-dreo, ijay nitondra an-dreo nivôke avy tao amin'ny tany Egypta. Nagnarake ireo andriamanin-kafa areo, ireo tena andriamanitr'ireo vahôka ijay magnodidigna an-dreo, ary niankohoke tamin'ireo. Nagnetsike ny havigniran'i Yaveh areo satria 13 nisarake tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy ireo Astarta 14 Nirehitre tamin'i Israely ny havigniran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafike ijay nangalatre ny fanagnan-dreo tamin'ajy areo. Namidiny ho andevo ireo ijay vôtajogna tamin'ny herin'ny fahavalo magnodidigna an-dreo, mba tsy hahafahan-dreo koa miaro ny tegnany amin'ireo fahavalony. 15 Na taja na taja nandehanan'Israely niady, ny tagnan'i Yaveh die nanohitre an-dreo mba handresy an-dreo arake ny nifantany tamin-dreo ary tao agnaty fahoriana mahatsiravigna areo 16 Ary Yaveh nanandratre mpitsara, ijay namonjy an-dreo tamin'ny tagnan-dreo ijayu nangalatre ny fanagnan-dreo. 17 Nefa tsy niteno ireo mpitsarany areo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh areo ary nanolotre ny tegnany hôtran'ny mpijangajanga tamin'ireo andriamanin-kafa sy nanompo ireo. Nivily malaky tamin'ny lalagna niaignan'ireo rajagny areo-ireo ijay nankato ny didin'i Yaveh-nefa tsy mba nagnano hôtran'ijany areo. 18 Laha nanandratre mpitsara ho an-dreo i Yaveh, nangnampy ireo mpitsara i Yaveh ary namonjy an-dreo tamin'ny tagnan'ireo fahavalon-dreo tamin'ny andro abiaby niaignan'ireo mpitsara. Nangorake an-dreo Yaveh laha nisento noho ireo ijay nampahory sy nampijaly an-dreo areo. 19 Fa laha maty ny mpitsara, die niala sy nangnano ireo raha ijay ratsy loholoho noho ny nataon'ireo rajagny aja areo. Nagnarake ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera an'ajy areo. Nandà ny hiala tamin'ireo fataony ratsy abiaby na tamin'ireo ditrany areo. 20 Nirehitre tamin'i Israely ny havigniran'i Yaveh; hoy Ijy:" Satria itoy firenena itoy die nandrava ireo jakan'ny fagnekeko ijay napetrako ho an'ireo rajagny-satria tsy niteno ny feoko areo- 21 Iaho,manombok'ijao, die tsy handrôka eo alohan-dreo na ny raike amin-dreo firenena ijay navelan'i Josoa laha maty ijy. 22 Hagnano an'ijany Iaho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrigna ny lalagn'i Yaveh sy handeha amin'ijany areo na tsia, hotrin'ny nitandreman'ny rajagn'ireo an'ijany. 23 Ijany no antony nandôjan'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahana an-dreo malaky tao ary nagnomejany an-dreo teo an-tagnan'i Josoa.