Toko faha 7

1 Die nifoha maraigna koa i Jerobala ( Gideona ijany), sy ny vahôke abiaby ijay niarake tamin'ajy, ary ny toby teo agnilan'ny loharanon'i Haroda areo. Ny tobin'ny Midiana die tao avaratran-dreo tao an-dohasaha nagnakeky ny vohitr'i More. 2 Die hoy Yaveh tamin'i GIdeona hoe: "Rahabe amin'ahy lôtre ireo miaramila, mba hagnomejako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely amin'Ahy, hanao hoe: 'Ny herinay no namonjy anay. ' 3 Ary ankehitriny, ambarao eo an-tsofign'ny vahôke ka jakao hoe: 'N'ija n'ija matahotre, n'ija n'ija mangovitre, die ôke ijy hipody ka hiala ao an-tetin'i Gileada. '''Die lasa ny olo roe arivo sy roa aligna noho ijany, ary ny iray aligna koja nijanogna. 4 Die hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe:"Mbola rahabe lôtre mandy ny olo indôsy mijotso egne amin'ny rano areo, ary hahegnako ho anao egne ny isan-dreo. Laha hoy Iaho aminao hoe: ' Itoy raike itoy no hiarake aminao, ' die hiarake aminao ijy,' die hiarake aminao ijy; fa laha hoy Iaho hoe:n 'Itoy raike aminao,' die tsy hiarake aminao ijy.'' 5 Die nindôsin'i Gideona nijotso tegne amin'ny rano ny olo, ary hoy Yaveh tamin'ajy hoe: "Atokano ijay abiaby milelake ny rano, hôtran'ny ny filelaky ny amboa amin'ireo ijay mandohalike ambany mba hinogna." 6 Lelahy telonjato no nilelake. Ny sisa tamin'ny lelahy koja nandohalike mba hinon-drano. 7 Die hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: " Amin'ny alalagn'ireo telonjato lahy ijay nilelake ny rano, no hagnavotako anareo, sy hgnomejako anareo ny fandresena eo amin'ny Midianita. Ôke ny lelahy hafa abiaby hipody agny an-tanàny avy." 8 Ka die nangala ireo vatsiny sy ireo trompetrany ireo ijay vôfidy. Nampodian'i Gideona ny lelahin'i Israely abiaby, ny lelahy abiaby mba samy ho an-dainy, nefa notajoniny ireo telonjato lahy. Ary ny tobin'i Midiana die tao ambany tao an-dohasaha. 9 Tamin'io aligna io ihany die hoy Yaveh tamin'ajy hoe: ''Mifohaja! Tafio ny toby, fa homeko anao ny fandresena an'ijany. 10 Fa laha matahotre ny hijotso koja anao, dia mijotsoa ao an-toby miarake amin'ny Pora mpanomponao, 11 ary tenoy ijay jakain-dreo, die hatanjake ny herim-ponao amin'ny fanahina ny toby." Ary die nijotso niarake tamin'i Pora mpanompony, tao amin'ireo fiambenana ny toby i Gideona. 12 Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny olo abiaby avy agny antsignana die niara-nitoetre tao an-dohasaha, rahabe die rahabe hôtran'ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevan-dreo; rahabe nohon'ny fasike egne amoron-dranomasina areo. 13 Lefa tonga tao i Gideona, die nisy lelahy raike nitantara nofy tamin'ny akamany. Die hoy ralelahy, hoe: '' Io! nagnonofy iaho, ary nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Die tonga tao an-day ijany, sady nandogna an'ajy mafy die mafy ary lavo ka nitsambikina ambony ambany, ka die fisake. '' 14 Die hoy ilay lelahy raike hoe : ''Tsinontsino ijany mihôtra ny sabatr'i Gideona( janake lahin'i Joasy), ilay Israelita. Efa nagnome an'ajy fandresena teo amin'ireo Midiana, sy ny miaramilany abiaby Andriamanitra.'' 15 Lefa regn'i Gideona indraike ny filajana ny nofy sy ny fandikana an'ijany, die niankohoke nivavake ijy. Die nipody tao an-tobin'i Israely ijy ka nagnano hoe: '' Mifohaja! efa nomen'i Yaveh anareo ny fandresena ny miaramila Midiana. 16 Die nojarainy ho vondrogna telo ny telonjato lahy, ary nomeny trompetra sy siny Kiraidraike. 17 Die hoy ijy tamin-dreo hoe; ''Mijaha an'ahy ka atôvy ijay ataoko. Jahao! laha tonga eo amin'ny sisin'ny toby iaho, die tsy mentsy hataonareo ijay hataoko. 18 Laha mitsoka ny trompetra iaho, die iaho sy ijay abiaby miarake amin'ahy, die tsofy magnodidigna ny toby manontolo mandy koa ny trompetranareo ka mihiake hoe: Ho an'i Yaveh sy Gideona!''' 19 Die tonga teo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny jato lahy ijay niarake tamin'ajy, tamin'ny fanombohan'ny antegnategnan-dera indrindrake. Laha teo am-pamiham-bary ny mpiambiga indrindrake ireo Midianita, die notsofin-dreo ny trompetra ary novakian-dreo ny siny tegne an-tagnan-dreo. 20 Notsofin'ireo vondrogna telo ireo trompetra ary novakiany ireo siny. Notagnan-dreo tamin'ny tagnana ankavia ireo fanilo ary tamin-ny tagnana ankavanagna koja ireo trompetra mba hitsofana an'ijany. Die nihiake mahare areo: '' Ny sabatr'i Yaveh sy Gideona.'' 21 Nitsangagna nagnodidigna ny toby tamin'ny fidobohany aby ny lelahy abiaby ary nilefa ny miaramila Midiana abiaby.Die nangaingaike areo sady vaky lefa. 22 Laha notsofin-dreo ny trompetra telonjato, die nataon'i Yaveh nifamely tamin'ny sabatre ireo Midianita sy ny akamany ary ny tafikany abiaby. Die nilefa lahatagny Beti-Sita lahatagny Zezeraha ny miaramila, lahatagny amin'ny faritanin'i Abela-mehola, marivo an'i Tabata. 23 Nangehana mahare ireo lelahin'i Israely avy agny Naftaly, Asera, ary Manase abiaby, ary nagnanjake ny Midianita areo. 24 Die nagnirake mpitondra hafatre nagnerana ny tany ambon'i Efraima abiaby Gideona, nagnano hoe: ''Mandehana ny mijotso hanohitre ny Midiana ka araho maso ny ranoben'i Jordana, lahatagny Beti-bara, mba hampitrehe an-dreo.'' Die niara-nivory ny lelahin'i Efraima abiaby ka nagnara-maso ireo rano, lahatagny Beti-bara sy ny ranoben'i Jordana. 25 Vôsambotran-dreo ny andrian'ny Midiana roe, Oreba sy Zeba. Novoin-dreo tagny amin'ny famiajam-bôlobok'i Zeba i Zeba. Die nagnejike ny Midiana areo ary nindôsin-dreo teo amin'i Gideona ny lohan'i Oreba sy i Zeba, ijay tagny amin'ny lafiny raike hafan'i Jordana.