Toko faha 20

1 ry nivôke hotrin'ny olo raike ireo olon'Israely, avy agny Dana ka lahatagny Beri-Sheba, agnisan'ijany mandy koa ny tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo ankatrehan'i Yaveh tagny Mizpa areo. 2 Ireo Lehiben'i vahôka abiaby, ny fokon'Israely abiaby, nandray ny toeran-dreo tao amin'ny fiangonan'ny vahôkan'Andriamanitra- lelahy 400. 000 mandeha hongotre, ijay vognona hiady amin'ny sabatre. 3 Ary regnin'ireo olon'i Benjamina fa niakatre tagny Mizpa ireo vahôkan'Israely. Ireo olon'Israely nijaka hoe: ''Jakao anay hoe Ahôna no nahaavy an'ijao raha ratsy ijao. 4 'Ilay Levita, vadin-draviavy raike ijay novonoina, namaly hoe: ''Nenga agny amin'ny faritre ijay an'i Benjamina iaho, iaho sy ny vadintsindranoko, mba handany ny aligna. 5 Nandritre ny aligna, die nanafike an'ahy ireo mpitarik'i Gibea, nagnodidigna ilay tragno ary nikasa ny hamono an'ahy. Nosamborony sy naolan-dreo ny vadintsindranoko, ka maty ijy. 6 Nalaiko ny vadintsindranoko ary nokapaiko ny vatagny, ary nalefako tagny amin'ny faritry ny lovan'Israely kiraidraike ireo, satria nagnantanterake faharatsiana sy fanafintohinagnana hôtran'ijany tagny Israely areo. 7 Ankehitriny anareo Israelita abiaby, omeo ny hevitrareo ary magnatoroa hevitre eto niany. 8 Niara-nitsangagna hôtran'ny olo raike ny vahôka abiaby, ary hoy areo hoe: ''Tsy hisy aminay henga agny amin'ny lainy, ary tsy hisy aminay hiverigna ao an-dragnony! 9 Fa ankehitriny koja die ijao no tsy mentsy ataontsena an'i Gibea: hanafike an-dreo arake ny hitarihan'ny filokana antsena antsena. 10 Hangala lelahy folo amin'ny jato magneragna ny fokon'Israely abiaby antsena, sy jato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray aligna, mba hangala vatsy ho an'ireo olo ireo, ka laha tonga any Gibea agny Benjamina areo, die hosaziana amin'ny ratsy ijay namboarin-dreo tagny Israely.'' 11 Noho ijany die niangogna hanohitre ny tanàna, hôtran'ny olo raike, ireo miaramilan'Israely abiaby. 12 Nandefa lelahy tagny amin'ny fokon'i Benjamina ireo fokon'Israely, nijaka hoe: ''Ino ijao ratsy nataonareo teo aminareo ijao? 13 Noho ijany, omeo anay ireo lelahy ratsy fanahy agny Gibea ireo mba hahafahanay mamono ho faty an-dreo, ary mba hangalanay tanterake ijany ratsy ijany amin'i Israely. '' Fa i Benjamina die tsy te haharegne ny jakan'ireo rahalahiny ireo olon'Israely. 14 Ary niara-nivôke ny tanàna ireo olon'i Benjamina mba hivonona hiady amin'ny olon'Israely. 15 y niara-nindôsina avy tao amin'ny tanànan-dreo ny olon'Israely mba hiady amin'ny miaramila enina arivo sy roa aligna ijay efa vôofagna hiady amin'ny sabatre. Ankôtr'ijay, nisy lelahy fitojanto vôfidy avy amin'ireo mponign'i Gibea.Teo 16 amin'ireo miaramila abiaby die nisy lelahy fito arivo vôfidy ijay kavia. Ny kiraidraike tamin-dreo die mahavita mitily singam-bolo amin'ny tora-bajaha ka tsy mivily. 17 Ny vahôkan'Israely, laha tsy isaina ireo avy amin'i Benjamina, die miisa 400.000 olo, ijay vôomagna hiady amin'ny sabatre. Ireo abiaby ireo die lelahy mpiady. 18 Nitsangagna ireo olon'Israely, nandeha tagny Betela, ary nangatake torohevitre tamin'Andriamanitra; Nagnotany areo hoe: ''Ija no hanafike vôlohany an-ireo Benjamina ho anay? ary Yaveh nijaka hoe: Joda no hanafike vôlohany.'' 19 Nifoha maraigna ireo olon'Israely ary namindra ny tobiny akekin'i Gibea. 20 Niakatre hiady amin'i Benjamina ireo olon'Israely. Nametrak'ireo toerana amin'ny ady tagny Gibea areo. 21 Nivôke avy agny Gibea ireo olon'i lelahin'ny tafik'Israely roa arivo sy roa aligna tamin'ijany andro ijany. 22 Fa nampahery tegna ny olon'Israely ary namorogna filaharana teo amin'ilay toerana ijay nilaharan-dreo tamin'ny andro vôlohany areo. 23 Ary niakatre ireo olon'Israely ka nitagny teo alohan'Yaveh mandra-pahariva ny andro areo, ary nitady lalagna tamin'Yaveh areo. Hoy areo hoe hoe: ''Moa ve tokony handeha hiady amin'ireo rahalahinay ahay, ireo olon'i Benjamina?'' Ary Yaveh nilaja hoe: ''Tafiho areo!'' 24 nandeha nanohitre ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely ny andro faharoa. 25 Tamin'ny andro faharoa, die nivôke nanohitre an'ajy ireo tagny Gibea i Benjamina ary namono lelahy valo arivo sy iray aligna avy tamin'ny olon'Israely. Ijy abiaby die lelahy vôomagna hiady amin'ny sabatre 26 Die nandeha niakatre ho agny Betela aby koa ireo miaramilan'Israely sy ireo vahôke abiaby ka nitagny, ary nidoboke teo alohan'i Yaveh tagny areo ary nifady hanina mandra-pahariva tamin'ijany andro ijany ary nanolotre fanatitre orôna sy fanati-pihavanagna teo an-katrehan'i Yaveh. 27 gnotany an'Yaveh ireo olon'iIsraely- satria tagny ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'ijany andro ijany, 28 ary nanompo teo ankatrehan'ny fiara i Fineasy janak'i Eliazara janaka lahin'i Arona tamin'içjany andro ijany- '' tokony hivôke hiady amin'ny olon'i benjamina, rahalahinay, indraike mandeha koa ve ahay sa hijanogna? Hoy Yaveh hoe: '' Tafiho, satria hagnampy anareo handresy an-dreo iaho rahampitso.'' 29 koa die nametrake olo tagny amin'ny toerana mivony nagnodidigna an'i Gibea i Israely. 30 Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamin'ny andro fahatelo, ary nametrake filaharan'ady nanohitre an'i Gibea areo arak'ijay efa nataony teo aloha. 31 Nandeha ka niady tamin'ireo vahôke ny olon'i Benjamina, ary vôrôke niala ny tanàna areo. nanomboke namono ny saragny tamin'ireo vahôke areo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tagny an-karegnana sy tegne an-dalagna. Ny raike tamin'ireo lalagna die niakatre nenga agny Betela, ary ny raike hafa die nenga agny Gibea. 32 Die hoy ny olon'i Benjamina hoe: ''Resy areo ary nilefa lavitre antsena, hôtrin'ny tamin'ny vôlohany mandy.''Kanefa hoy ireo miramilan'Israely hoe: ''Andao antsena hihajakajake hiverigna ka handrôke an'ireo hiala amin'ny tanàna ho egne an-dalagna. '' 33 Die nitsangagna avy teo amin'ny toeran-dreo ny olon'Israely abiaby ary nagnano filaharan'ady tagny Bala-Tamara. Die Nihajakajake nivôke avy tao amin'ny fitoerany ireo miaramilan'Israely ijay nivony tao amin'ny toerana fivoniana tao Mare-gibea. 34 dreo nisy lelahy vôfafantigna iray aligna avy agny Israely nivôke hanohitre an'i Gibea, ary namaivay ny ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanogna an-dreo ny loja. 35 Nandresy an'i Benjamita teo alohan'Israely i Yaveh. Tamin'ijany andro ijany, die nahafaty olon'i Benjamita 25.100 ireo miaramilan'Israely. Ireo abiaby maty die ireo ijay efa vôomagna hiady amin'ny sabatre. 36 Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamita fa resy areo. Nagnome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria natoky ireo olo ijay napetra-dreo tagny amin'ny fitoerana nivony tagny ivelan'i Gibea areo. 37 Die nitsangagna ireo nivony ka nirifatre tagny Gibea malaky, ary tamin'ny sabatran-dreo no namonoany ny olo abiaby ijay nonigna tao an-tanàna. 38 Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramilan'Israely sy ireo lelahy nivony mangingigna die hisy rahon-tsetroke lehibe hiakatre avy ao an-tanàna. 39 Laha lasa ny famantarana die nilavo lefogna tamin'ny ady ireo miaramilan'Israely. Ary nanomboke nanafike i Benjamina ka nahafaty olon'Israely magnodidigna ny telopolo, ary hoy areo hoe: ''Ajo antoke fa resy eo ankatrehantsena areo hôtrany tamin'ny ady vôlohany.'' 40 Laha nanomboke nisy andrin-drahogna nivôke avy tao amin'ny tanàna, die nitodike ireo Benjamita ka nahita setroke nagnanike ny lanitra avy eo ami'ny tanàna manontolo. 41 Die nivadike tamin-dreo ny olon'Israely. Reki-tahotre ireo Benjamina, fa hitan-dreo fa tonga tamin-dreo ny loja. 42 Noho ijany die nilefa an'ireo olon'Israely areo, nitsôke tagny amin'ny lalagna menga agny an'efitre. Nefa nahatratra an-dreo ny ady. Nivôke ny tanàna ireo miaramilan'Israely ka nahafaty an-dreo tegne amin'ijay nitsanganany. 43 Nihodidigna an'ireo Benjamita areo,nagnano haja lambo an-dreo ary nagnosiosy an-dreo tagny Noaha, tagny amin'ny lalan'ny ilany antsignanan'i Gibea. 44 Valo arivo sy iray aligna ny olo maty tao amin'ny fokon'i Benjamina, ny abiaby tamin-dreo die lelahy niavake tamin'ny ady. 45 Nihodigna areo ary nilefa nijotre nenga agny nenga agny an'efitre tagny amin'ny vatolampin'i Rimona. Nahafaty olo dimy arivo hafa tamin'dreo ny Israelita tegne an-dalagna. nagnanjake an-dreo fehijay areo; ary nagnarake an-dreo akeky tegny an-dalagna nenga agny Gidoma, ary tagny no namonoan-dreo olo roa arivo fagnampiny. 46 Dimy arivo sy roa aligna ireo miaramilan'i Benjamina abiaby lavo tamin'ijany andro ijany- die lelahy ijay vôomagna hiady amin'ny sabatre ; ijy abiaby die niavake tamin'ny ady 47 fa lelahy eninjato no nihodigna ka nilefa tagny an'efitre, nenga agny amin'ny vatolampin'i Rimona. Nitoetre tagny amin'ny vatolampin'i Rimona nandritre ny efa-bolagna areo. 48 Nipody hanohitre ireo olon'i Benjamita ireo miaramilan'Israely ary nanafike sy nanmono an-dreo- ny tanàna manontolo, ireo biby fiompy, ary ireo raha abiaby ijay hitan-dreo. Norôn-dreo mandy koa ireo tanàna abiaby tegne amin'ny lalan-dreo.